Tenifahatra Ejypsiana Niresaka Momba Ny Homofôbia!

Niteraka adihevitra maresaka sy mafana faramparany teo ny antso hiadiana amin'ny homofôbia (fankahalàna pelaka) tao amin'ny media sosialy. Ao Ejypta, mbola fady ny firesahana ampahibemaso ny lohahevitra firaisana ara-nofo, na amin'ny aterineto izany na ivelan'ny aterineto. Na dia tsy  voalaza ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana Ejypsiana aza ny resaka firaisana ara-nofo, henjehin'ny tompon'andraiki-panjakana amin'ny lalànan'ny fivarotan-tena sy ny fitondra-tena ireo pelaka.

Nisy ny hetsika Facebook natsangan'i Ramy Youssef ho setrin'ny fihanaky ny fanafihan'ireo mpankahala pelaka ao amin'ny media sosialy. Araka ny filazany, ny pejy “manitsaka” no malaza vao haingana tao amin'ny media sosialy, izay nampiasain'ireo mpianatra hanehoany ny fihetseham-pony manoloana ny hafa, ny sasany maneho ny fijeriny ireo olon-droa mitovy fananahana miaraka, izay niafara tamin'ny ompam-pankahalana pelaka marobe. Youssef nanoratra hoe:

Manasa anao ho any amin'ny fanentanana amin'ny aterineto aho, anisan'izany ny fanehoan-kevitra amin'ny lahatsoratra mpankahala pelaka any amin'ireny pejy ireny, mandefasa sioka sy fanehoan-kevitra ao amin'ny habaka media sosialy. Tokony ambarantsika ao izay tsapantsika marina momba ny fankahalana pelaka, lazao hoe TSIA, ambarao ny hevitrao, tohero, tezera, fotoana hanaovana hetsika hanoherana ny fankahalana pelaka izao.

Nanintona ireo mpanohana ary koa mpanohitra maro ny tenifahatra #ضد_رهاب_المثلية (Manohitra ny homophobia). Nada Louis nanoratra hoe [ar]:

#ضد_رهاب_المثلية عشان اكيد في على الٱقل شخص واحد في حياتك قريب منك مثلي و انت ماتعرفش.

@nadalouis: Manohitra ny homofôbia satria tsy maintsy misy olona iray akaiky anao amin'ny fiainanao izay pelaka ary tsy fantatrao akory anefa ny momba izany.

Nadim nanontany hoe:

#ضد_رهاب_المثلية عارف مشكلة ال بيهاجم ايه؟مبيهاجمش بالشراسه دي متطرفين حياتهم دم وقتل واغتصاب,وبيهاجم ناس بتحب بعض بشكل مختلف,مين الشاذ هنا؟

@nadimx: Fantatrao ve hoe inona ny olana amin'ireo mpanebaka ireo? Tsy sahy manafika na manebaka ireo mahery fihetsika izay lian-drà, mpamono olona sy mpanolana izy ireo tsy tahaka ny fanafihany ireo olona mifankatia amin'ny endrika hafa. Iza no ratsy fanahy eto?

Salma El Tarzi nanazava hoe:

لان الحقيقة انت خايف على ذكورتك الهشة مش رافض المبدأ بدليل رجالة بتثيرهم فكرة ستتين مع بعض بس فكرة راجلين مع بعض بتقرفهم #ضد_رهاب_المثلية

@Salma_El_Tarzi: Satria raha ny tena marina, miahiahy ny faharefon'ny maha-lahy anao ianao ary tsy manohitra ilay petra-kevitra. Ny porofo dia misy ireo lehilahy sasany taitra amin'ny hoe vehivavy roa mifankatia saingy kiriko amin'ny lehilahy roa mifankatia.

Amira Nosseir namorona teny soratra masina:

#ضد_رهاب_المثلية ما لقيصر لقيصر وما بين رجليك حرية شخصية

@Amira_Nosseir: Omeo an'i Kaisara izay an'i Kaisara ary fahalalahana manokana ny eo anelakela-penao.

Dina Magdi nanamafy hoe:

المثلي/المثلية مش مريض/ة ومجرد فكرة انه راجل وبيحب الرجالة مش معناه انه هيفكر فيك بشكل جنسي لو خدته بالحضن #ضد_رهاب_المثلية #مصر

@Dodzym: Tsy olona marary ny pelaka/lesbiana ary satria lehilahy izy ary ny mitia lehilahy dia tsy midika fa hahatsiaro anao amin'ny resaka ara-nofo izy raha manoroka azy ianao.

Mona Sadek nizara hoe:

#ضد_رهاب_المثلية عشان اللي مولَعين برفض أي حد مش شبههم وعندهم هوَّس إنهم مسئولين عن كل البشر وإختياراتهم عندهم مشكلة مع نفسهم مش مع غيرهم.

@Lemonada1: Manohitra ny homofôbia satria misy ny revo amin'ny fitsipahana izay tsy tahaka azy ireo, ary mibahana ao an-tsainy ihany koa fa tompon'andraikitra amin'ireo olona ary miady hevitra amin'izy samy izy no isafidianan'izy ireo fa tsy amin'ny hafa.

Hoy izy nanampy:

#ضد_رهاب_المثلية عشان المثلي يقدر يعلن عن ميوله الجنسية ويعيش حياة طبيعية ميتورطش في جوازة بالغصب ويعيش بالغصب ويطلع أسرة فاشلة.

@Lemonada1: Manohitra ny homofôbia satria afaka manambara ny fironany ara-nofo ny pelaka iray ary mivelona tahaka ny olon-drehetra, ary mety ho tafiditra amin'ny fanambadiana [tsy mitovy fananahana] tsy araka ny sitrapon'izy ireo ka miteraka fianakaviana misaratsaraka.

Amr Jamil nihevitra hoe:

#ضد_رهاب_المثلية “أصل ده حرام” .. يعني إنت بتتحشر في أكتر علاقتين خاصين بالإنسان (علاقته مع ربنا) و (علاقته مع حد في السرير)..

@AmrJamil: “Fahotana izany”, midika izany fa mitsabaka amin'ny fifankatiavan-olon-droa manokana, amin'ny fifankatiavan'izy ireo amin'Andriamanitra ary amin'ny fifankatiavan'izy ireo eny ambony fandriana ianao.

Homophobic graffiti was turned into an anti-homophobic one  in Cairo. Photo shared by Leil-Zahra Mortada

Sariitatra Homofôbika navadika ho fanoherana ny homofôbika ao Kairo. Sary nozarain'i Leil-Zahra Mortada

Nizara sary eny an-drindrina fankahalana pelaka teo aloha navadiky ny mpikatroka sasany ho fankahalana mpankahala pelaka i Leil-Zahra Mortada. Ao amin'ny lalana Mohamed Mahmoud no ahitana ity sariitatra ity izay nisian'ireo fifandonana marobe teo amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana revolisionera. Novakiana hoe “Polisy pelaka” ny sariitatra tany am-boalohany izay natao hanompana ny polisy, voatsikera mafy noho ny fampiasana herisetra amin'ny mpanao fihetsiketsehana. Rehefa nasiana fikitihana, vakiana toy izao indray ny sariitatra “tsy revolisionera ny homofôbia”. Sombiny amin'ny fanehoan-kevitra hita tamin'ny sary ny hoe:

Tsy hino ianao fa ny fitondrana izay toherintsika dia mifototra amin'ny foto-kevitra fanjakazakan'ny lahy izay mankahala pelaka tahaka anao. Tsy te hanompa ity fitondrana ity ihany isika fa te handoro azy ihany koa saingy aza mampiasa vehivavy, lesbiana sy pelaka, mpivaro-tena, mpampandihy kibo, satria fanavakavahana ara-nofo izany ary tsy revolisionera. Fanevatevana ho an'ireo namanao revolisionera miara-mitolona aminao manoloana ny fitondrana mpamono olona izany. Antsoina hoe fahambaniana sy fomba fisainana mihemotra izany. Fomba fisainana izay tiantsika hovaina mba hananganana fiarahamonina tsaratsara kokoa ho solony. Fomba fisainana izay manimba antsika.

Sioka somary naneho ny fahatezerany. Maie Panaga nanoratra hoe:

#ضد_رهاب_المثلية ما اسموش رهاب دول ولاد وسخة مش مؤمنين بحرية الشخص في اختياراته وجسمه تحت مسمي بقي مجتمع ولا اخلاق ولا دين . جاتكم الخري

@MAIEPANAGA: Tsy tahotra voa-janahary izany (fôbia), zanaky lahin'ireo mpivaro-tena tsy mino ny fahalalahan'ny olona amin'ny safidiny sy ny vatany eo amin'ny fiarahamonina na ny fitondra-tena na ny fivavahana ireo. Tsy misy ilàna azy ianao!

Naneho hevitra feno esoeso ny hafa. Gharebon nilaza hoe:

علشان ببساطة كل واحد من حقه يجيبهم بالطريقة اللي تريحه. #ضد_رهاب_المثلية

@Gharebon: Satria tsotra ihany, manan-jo “hifaly” amin'ny fomba izay tiany ny tsirairay.

Abanob nivazivazy hoe:

قولت عليهم “خولات”؟ وحسيت انك راجل؟ و اتبسطت؟ 😀 #ضد_رهاب_المثلية

@ABA_NOB: Antsoinao hoe “PD na pelaka” izy ireny”? Mahatsiaro tena fa lehilahy ianao? Mahatsiaro faly ianao?

Nitohy hatramin'ny 24 ora mahery ny tenifahatra ary nahafahan'ireo mpisera Twitter niady hevitra momba ny lohahevitra, na dia izany aza maro ireo fanebahana homofôbika no natoraka tamin'ireo mpomba ny ara-dalàna. Ohatra:

 

#ضد_رهاب_المثلية معا لتبويظ الهاشتاج معا للقضاء ع الخولات

@7amidovich: Hiaraka handrava ity tenifahatra ity, hiaraka hamono ny teny hoe “PD na pelaka”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.