Niala Ny Praiminisitra, Toy Ny “Sambo Rendrika” I Libanona

@Brigitte_khair: Tahaka ny tovolahy mihiaka ‘hoe “Mandrahona hametra-pialàna indray i #Mikati. Koa raha hametra-pialàna tokoa izy, tsy ho taitra intsony ny olona.

Raha nanomboka ny tsaho momba ny fialàny, nihevitra ny sasany fa mivazivazy ny Praiminisitra Libanona Najib Mikati. Satria teo aloha, efa indroa izy no nanambara fa hametra-pialàna.

Nametra-pialàna tokoa izy tamin'ny Zoma 22, Martsa 2013:

@Najib_Mikati:قدمت استقالتي الخطية لرئيس الجمهورية والمهم ان يبدأالحوار وأن تنشأ حكومة إنقاذية في هذه المرحلة الصعبة و أشكر الله أني خرجت كما دخلت صادقاً

@Najib_Mikati: Nametraka ny taratasy fialàko tamin'ny Filohan'ny Repoblika aho. Ny fifampiresahana no tena zava-dehibe ary ny fananganana governemantam-panavotana amin'izao toe-draharaham-pirenena sarotra izao. Misaotra an'Andriamanitra aho tafala tamin'ity fitondrana ity, izay fanetre-tena ho ahy.

Niala izy taorian'ny tsy fankatòavan'ny kabinetra ny fananganana vaomiera mpanara-maso ny fifidianana sy ny tsy fahalanian'ny fanalavana ny  fe-potoa-piasan'ny Lehiben'ny Tafika Anatiny Ashraf Rifi.

Bilaogera  Qifa Nabki nandefa mivantana dika (amin'ny teny anglisy) ny kabary fialana tamin'ny fahitalavitra:

8:35PM: Nanao ny adidiko tamin'ny firenena mamiko aho.

8:36: Ilaina ny mampiakatra ny karaman'ireo mpiasa tsy miankina. Ilaina ny manatontosa fifidianana ara-potoana. Mila lalàm-pifidianana isika hanavao ny hafatr'i Libanona (ho toeran'ny fahaiza-miaramonina) amin'izao tontolo izao isika.

8:38: Nangataka fifampiresahana mikasika izany olana rehetra izany ny Filoha. Mila governemanta afa-manavotra ny firenena manoloana ny olana atrehina isika.

8:39: Goavana ny olana. Afa-po tamin'ny ezaka vitako aho.

8:40: Nisokatra tamin'ny lalan'ny fifampiresahana hatrany aho. Ny firenena no vaindohan-draharaha.

8:40: Indroa aho izao no nampitandrina hiala. Ny voalohany tamin'ny famatsiam-bola ho an'ny Fitsarana Manokana, ary ny faharoa tamin'i Wissam al-Hassan nisy namono. Ankehitriny, niharatsy ny toe-draharaha ara-toekarena, politika, sns.

8:41: Androany, ambarako eto ny fialàko, manantena fa fomba iray hamahana ny olana atrehin'ny firenena izany. Isaorako eto ireo hery politika rehetra izay niara-niasa tamiko nandritra izay fotoana izay.

8:42: Na dia eo aza ireo ahiahy sy fifanolanana eo amintsika, azontsika horesena izany. Hijanona eo anilanareo foana aho. Ho tahian'Andriamanitra anie ity firenena ity.

Mampalahelo, tsy dia nisy zavatra miavaka loatra tamin'ny fiafaran'ny fe-potoam-piasan'i Mikati, hoy ilay mpanao gazety Habib Battah nanamarika:

@Habib_B: Nanana praiminisitra 6 i Libanona tao anatin'izay 9 taona mahery izay. Izany hoe Praiminisitra vaovao isaky ny herintaona sy tapany. Raha ny antontanisa, manaraka izany tsara ny fialàn'i @Najib_Mikati.

Koa satria miatrika fahambangana politika ny firenena, mbola tsy voavaha ny krizy amin'ny toe-draharaha ankehitriny: ao anatin'ny fifandonana feno herisetra ohatra i Tripoli, avaratry ny firenena ankehitriny, mbola baraingo tanteraka ny amin'ny fifidianana hoavy, mitokona ny mpiasam-panjakana, safotofoto manerana an'i Syria…

Nanamarika ny Bilaogera Lebanon Springfa tsy azo ihodivirana ny fialàna noho ny firenena ankehitriny mitovy amin'ny “sambo rendrika”:

Mitovy amin'ny sambo rendrika ny toe-draharaha ao amin'ny governemanta sy ao Libanona. Akaikin'ny korontana ny toe-draharaha, ambony dia ambony ihany koa ny tahan'ny ady ara-pivavahana, lasa fenitra ao an-tanàn-dehibe Tripoli ny fifanandrinan'ny miaramila, eo koa ny fifandirana tsy an-kiato eo amin'i Aoun sy ny  Hezbollah, araraotin'ireo faritra rehetra tsy manana fanaraha-maso ny fisokafan'ny sisintanin'i Syria na mandroso na miverina, mandray fanapaha-kevitra manokana tsy misy toromarika ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, tsy misy fifanekena eo amin'ny lalàm-pifidianana ka mety hihemotra indray ny fifidianana. Na iza na iza praiminisitra, mahatonga azy hiala izany olana rehetra izany. Moa tsy efa nilaza tamim-pitokiana koa ve i Mikati fa tsy ho lany ny volavolan-dalàna Orthodoksa? Fantatsika angamba amin'izao fotoana hoe tamin'ny fomba ahoana. Amin'izao governemanta nandamòka izao, izany no fanapaha-kevitra tsara noraisiny (fialàna).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.