Feo ao Eoropa Mitaky Ny: “Eoropa Ho An'ny Vahoaka, Fa Tsy Ho An'ny Varotra”

Nikarakara herinandrom-pihetsiketsehana ny mpiserasera Eoropeana nanomboka tamin'ny 11 Martsa hatramin'ny 17 Martsa, ho fanoherana ny fepetran'ny fitsitsiana mihatra amin'ireo firenena ao amin'ny vondrona Eorepeana ho paikady hampitsaharana ny krizy ara-toekarena. Fantatra amin'ny anarana hoe Fanoheram-Bovonana Eoropeana [es], izay setrin'ny Vovonana Eoropeana hivorian'ireo filoha Eoropeana [es], ary fomba iray hampahafantarana ny feon'ireo olom-pirenena miaro an'i “Eoropa ho an'ny vahoaka fa tsy ho an'ny varotra“. Notsipahin'ity vovonana setriny ity ihany koa ny voka-dratsin'ny politikan'ny fitsitsiana ary nitaky fanovana maro eo anivon'ny Vondrona Eoropeana izy ireo. Nanao fihetsiketsehana teny an-dalambe avokoa ireo vahoaka avy amin'ny firenena maro ary naneho hevitra momba izany tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny tenifahatra #EuropeanSpring.

Press conference in front of the office of the EU in Madrid. Photo from Desmontando Mentiras. Used with permission.

Valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety teo anoloan'ny biraon'ny Vondrona Eoropeana tao Madrid. Sary avy amin'i Desmontando Mentiras.  Nahazoan-dalana ny sary.

Tao Bruxelles, nisafidy ny fomba hanehoana ny tsy fahafaliany amin'ny Vaomiera Eoropeana ireo mpanao fihetsiketsehana, tao Espaina ohatra, nikarakara fandaharam-potoana ahitana hetsika isan-karazany izay niafara tamin'ny fihetsiketsehana tao afovoan'i Madrird ny Vovonana Eoropeana ho amin'ny Fanoherana tamin'ny Asabotsy 16 Martsa. Namoaka lahatsoratra tao amin'ny Desmontando Mentiras (Fandravana ny Lainga) [es] ny hetsiky ny Fanoheram-Bovonana ary nanambara izao manaraka izao:

Defendemos una Europa donde se impongan los derechos de todas y todos frente a los intereses de los mercados. Un nuevo modelo decidido por la ciudadanía a través de la democracia directa, que ponga en el centro a las mujeres y los hombres. Que cambie competitividad por cooperación, individualismo por apoyo mutuo, opresión y patriarcado por igualdad, que haga efectiva la soberanía popular. Una Europa de las personas y los pueblos que se imponga sobre los mecanismos del egoísmo y el canibalismo económico.

Luchamos por la libertad contra la tiranía de falsas democracias y de un sistema económico que solo sirven para perpetuar las desigualdades y las injusticias. La Unión Europea no es un proyecto social, su fin último es aumentar la competitividad de los grandes bancos y empresas en los mercados mundiales, y con ello sus ganancias. La maximización del beneficio capitalista por encima de cualquier derecho social o ecológico. Por ello en Bruselas hay 15.000 lobistas, y la gente de la banca se coloca en altos cargos en los gobiernos nacionales y en las cúpulas de organismos como el FMI o el BCE. Por ello los presidentes y ministros acaban en los consejos de administración de estas empresas y bancos.

Miaro an'i Eoropa manao ny zon'olombelona ho ambonin'ny tombotsoan'ny tsena izahay. Manohana ny modely vaovao nofidin'ireo olom-pirenena tamin'ny alalan'ny demokrasia mivantana izahay, izay mametraka ny lehilahy sy ny vehivavy hitovy eo anivon'ny politika. Rafitra izay manolo ny fifaninanana ho fiaraha-miasa, ny fanandratana ny tena manokana ho fifanohanan'ny tsirairay, ny tsindry ho fitondran-dehilahy lehibe ho fitoviana, ary mifototra amin'ny fiandrianam-bahoaka izany. Eoropa ho an'ny vahoaka izay mifanohitra amin'ny fiasan'ny fitiavan-tena sy ny rapaka ara-toekarena.

Mitolona ho amin'ny fahafahana manohitra ny fangejan'ny demokrasia sandoka izahay sy ny rafitra ara-toekarena izay tsy mitondra afa-tsy ny fanohizana ny tsy fitoviana sy ny tsy rariny. Tsy tetikasa sosialy ny Vondrona Eoropeana, ny hampandroso ny firoboroboan'ireo banky lehibe sy orinasa eo amin'ny tsena iraisam-pirenena sy ny  tombotsoany manokana no tanjony any amin'ny farany indrindra. Izy no mampitombo ny tombotsoan'ireo kapitalista ho ambonin'ny zo ara-tsosialy sy tontolo iainana rehetra. Izany indrindra no antom-pisian'ireo mpandresy lahatra “lobbyistes” 15.000 ao Bruxelles, ary tazana ao amin'ny toerana ambony ao amin'ny governemanta nasionaly sy ao amin'ny fitantanana ireo fikambanana tahaka ny FMI sy ny Banky Foibe Eoropeana ireo olona ao amin'ny banky. Izany no mahatonga ireo filoha sy minisitra miafara ao amin'ny fitantanana ireo orinasa sy banky.

Sehatra am-polony, firaisambe sy fikambanana mitambatra ao amin'ny vondrona RE-ACCIONA CIUDADANA (Fihetseham-pon'ny Olom-pirenena) no ao ambadiky ny fikarakarana ity Lohataona Eoropeana ity [es] ary manazava ny antom-pisiany ao amin'ny lahatsary tahaka ity manaraka ity izy ireo:

 

 

Poster for the protest on March 16.

Afisy tamin'ny fihetsiketsehana tamin'ny 16 Martsa.

Somary nifanakaiky tamin'izany fotoana izany izay nitakian'ny vahoaka ireo modely isan-karazana, nahatalanjona ny vaovao momba ny fangalàna hetra [haba] amin'ny petra-bola amin'ny banky sy ny fanagiazana ny petra-bola (actifs) ao Chypre [es]. Efa alimbe vao vita ny fifampiraharana ho fanavotana an'i Chypre tamin'ny alalan'ny fametrahana drafi-pandrafetana indray ireo banky lehibe ao amin'ny firenena, ny fanakatonana ireo banky madinika ary ny fangalàna hetra amin'ireo mpiara-miombon'antoka, ireo tompom-bola ary ny kaonty ahitana maherin'ny 100.000 euro.

Manoloana ny fahasarotan'ny fepetram-panavotana an'i Chypre, sy ny fiheverana fa ny ampandoavana hetra amin'ireo petra-bola madinika, tsy niandry ela ny firaisankina tamin'ny vahoaka Shiprioty ary nisy ireo famantarana fanohanana marobe sy fahatezerana manoloana ny fanapaha-kevitra Eoropeana, tao amin'ny Twitter tamin'ny tenifahatra hoe #SomosChipre  (shipriotyIzahay).

Sarotra ny hino fa ho taitra manoloana ny fahatezeram-bahoaka sy ireo fitakiana tamin'ny Fanoheram-Bovonana ireo filoha Eoropeana. Ho fotoana iray hahafahana mankany amin'ny fanovana takian'ny Eoropeana ve ny fifidianana Eoropeana amin'ny taona 2014, mba hanomezan-danja azy ireo, ary hanamaivanana ny krizy politika eo an-tampon'ny (krizy) toekarena izay maka toerana ao amin'ny Vondrona Eoropeana? Na dia manodidina ny fepetram-pitsitsiana aza ny ho fiovana ao amin'ny vata fandatsaha-bato, tokony hanohy amin'ny fanerena ireo singa tsy tafiditry ny fifidianana demokratika tahaka ny Banky Foibe Eoropeana na ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) ny olom-pirenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.