Mandadilady Amin'ny Vadin'ny Filoham-pirenena Ny Habaka Sosialy Ao Shina

Tsy ny voaloham-pejin-gazety ao an-toerana sy ampita ihany no nahitana ny sarin'ny vadin'ny filoham-pirenena misandra-daza Peng Liyuan, fa nanintona ireo mpanaraka maro ny bilaogy madinika malaza Sina Weibo ihany koa izy.

Tahaka ny nataon'ireo mpankafy (mpanaraka) ny vadiny Xi Jinping ihany koa fa nanoka-potoana amin'ny fitantarana ny fivoahan'ny vadin'ny filoham-pirenena ity tany ivelany sy ny namoaka ny sariny sy lahatsary taloha tamin'izy mpihira malaza izy ireto mpanaraka ny vadin'ny filoham-pirenena ireto. Nahasarika mpanaraka an'arivony tao anatin'ny andro vitsy monja ny habaka.

Ireo tranonkala ireo dia miròna kokoa ho amin'ny fomba fijery manokana sy somary mampihomehy. Pejy iray, “Liyuan Fan Club“[zh] ohatra naneho hevitra momba ny lamaodin'i Peng:

"Ms Xi fans Club" on Weibo

“Ms Xi fans Club” on Weibo

枚红色,靓蓝,总有你喜欢的色彩。

Mena sa manga, misy hatrany ny loko ankafizinao.

Habaka hafa antsoina hoe “Shina Manohana ny Klioba Yuan” [zh] nitahiry ny antsipirahan'ny fiainan'i Yuan izay ahitana fanehoan-kevitra miala-voly sy matotra.

Mpisera Weibo hafa “Linchun Hongtongxiao” namazivazy hoe:

我的天,第一夫人的粉丝团完爆习大大的@学习粉丝团 啊, 据不完全统计: @学习爱媛 @学媛派第一夫人 @中国后媛团 @丽媛粉丝团 @习太粉丝团 简直了,媳妇儿还得娶漂亮的啊。。

Andriamanitra ô! “Nianarako tamin'i Yuan”, “Nianarana tamin'ny vadin'ny Filoham-pirenena”, “Manohana ny Klioba Yuana i Shina”, Klioban'i Ramatoa Xi”…manana mpankasitraka maro kokoa noho i Xi tenany ny vadin'ny filoham-pirenentsika, mahita fa misy ny nanambady vehivavy iray mahafatifaty.

HK media nino [zh] fa miteraka vokatra tsara ara-politika ireo mpankafy (fan club) ao amin'ny Weibo:

粉丝团的出现某种程度上反过来又推动了民间关注和热议政治的高潮。

Raha ahitatra kokoa, nanampy tamin'ny fitodihan'ny vahoaka amin'ny politika ny fipoiran'ny “fan club”, ary nampiroborobo ny adi-hevitra momba ny politika ihany koa.

Raha heverina fa hanampy amin'ny fampiroboroboana ny marika ao an-toerana ny fomba fiankanjon'i Peng, nanadihady ihany koa ny fampahalalam-baovao ao Hong Kong fa ahitana taratra ny fisokafan'i Shina bebe kokoa amin'ny diplaomasia izany:

这一变化,某种程度上也反映了中国外交和政治语境的不断开放和中国政府公关理念的进步。

Ny Fiovana, raha itarina, dia mampiseho fa misokatra kokoa amin'ny diplaomasia i Shina ary nahavita ezaka amin'ny fifaneraserana amin'ny vahoaka ny governemanta Shinoa.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.