Mifidy Kandida Ho An'ny Fifidianana Filoham-pirenena Ireo Antoko Mpanohitra Any Panama

[Ireo rohy rehetra dia mamily mankany aminà pejy amin'ny teny espaniola, raha tsy voamarika manokana.]

Ireo antoko politika roa tena mpifanandrina any Panama, ny Antoko Demokratika Revolisionera (PRD) [en] ary ny Antoko Panameñista [en], dia vao avy nanatontosa ireo fifidianana anatiny ary ankehitriny manana ireo kandidàny ho filoham-pirenena ho an'ny fifidianana hatao amin'ny volana May 2014.

Ny Antoko Demokratika Revolisionera, antoko politika lehibe indrindra any amin'ny firenena, no voalohany nanao ny fifidianana anatiny izay natao ny Alahady 10 Martsa lasa teo. Lany tamin'izany ny ben'ny tanàna teo aloha tao Panama, Juan Carlos Navarro, izay naneho fisaorana tao amin'ny kaontiny Twitter (@juancanavarro):

(@juancanavarro): En nombre de Cuqui, de mis hijos y de mi familia; En nombre de mi equipo de campaña, del CEN [Comité Ejecutivo Nacional del PRD] y del partido: ¡MUCHAS GRACIAS! JCN

(@juancanavarro): Amin'ny anaran'ny Cuqui, ireo zanako, ary ny fianakaviako; ary amin'ny anaran'ny ekipa mpanao ny fampielezan-kevitro, ny Kaomity Nasionaly Mpanatanteraka ho an'ny PRD, ary ny antoko: MISAOTRA ! JCN

Foto compartida por Juan Carlos Navarro (@juancanavarro) en Twitter

Sary nozarain'i Juan Carlos Navarro (@juancanavarro) tao amin'ny Twitter

Telemetro dia manome ireo tarehimarika marina ao amin'ny vohikalany:

Según las cifras finales, Navarro ganó con 163 mil 531 votos a su favor, de los 177 mil emitidos.

Araka ireo tarehimarika farany, Navarro dia nandresy tamin'ny isam-bato 163 531 tamin'ireo latsa-bato niisa 177 000 manan-kery.

Ny Antoko Panameñista dia nanatontosa ny fifidianana anatiny ny 17 Martsa ary Juan Carlos Varela, filoha lefitry ny firenena amin'izao fotoana izao, izay noraisina ho mpanohitra taorian'ny nanimbàny ny fiombonan'ny governemanta, no nandresy. Nampiasa ny kaontiny Twitter (@JC_Varela) ihany koa ity kandidà ity mba hanehoana fisaorana tamin'ireo fanohanana azony avy tamin'ireo mpikambana hafa ao amin'ny antoko:

(@JC_Varela): Gracias a todos los dirigentes y miembros del Partido Panameñista por su respaldo hoy y al pueblo panameño por su cariño #JuntosVamosaVencer

(@JC_Varela): Misaotra ireo mpitarika sy mpikambana rehetra ao amin'ny antoko Panameñista tamin'ny fanohananareo androany, ary misaotra ny vahoakan'i Panama amin'ny fitiavanareo  #JuntosVamosaVencer (#HiaraHandresyIsika)

Foto compartida por Juan Carlos Varela (@JC_Varela) en Twitter

Sary nozarain'i Juan Carlos Varela (@JC_Varela) tao amin'ny Twitter

Ernesto Cedeño, mpitoraka blaogy dia nitanisa ireo lafiny tsara sy ratsin'ny kabarin'i Varela:

1.       Da esperanzas de planes sociales que piensa concretizar de llegar a gobernar.

2.       Anuncia inversiones para contribuir con el progreso del país.

3.       Desea mejorar la educación en el país.

4.       Implementará paliativos para reducir el alto costo de la vida.

5.       Desea mejorar el sistema de justicia en Panamá.

6.       Establecerá las auditorias de los gastos públicos realizados.

7.       Reconoció que como funcionario, cometió errores en su vida pública.

1. Fanomezana fanantenana ho an'ireo drafitra sosialy noho izy mikendry ny ho filoham-pirenena.

2. Fanambaràna fampiasam-bola izay hatao hampivoarana ny firenena.

3. Fanehoana ny faniriany hampivoatra ny fanabeazana ao amin'ny firenena.

4. Fikendrena ny hamolavola fepetra hanenàna ny vidim-piainana.

5. Fikasàna hampivoatra ny rafi-pitsaràna any Panama.

6. Fanambaràna fa hampanao fanaraha-maso akaiky ny fandaniam-bolam-panjakàna.

7. Fiaikena fa amin'ny maha-mpiasam-bahoaka azy dia efa nanao hadisoana izy tamin'ny fiainany teny anivon'ny ay ama-monina.

Vivian Torrijos (@VivianTorrijos), mpikatroka mafàna fo ho an'ny Antoko Demokratika Revolisionera sady vadin'ny filoham-pirenen'i Panama teo aloha, dia nilaza fa “tsara” ny kabary nataon'ny kandidàn'ny Panameñista:

(@VivianTorrijos) Buen discurso el de Juan Carlos Varela que hoy ya es candidato a la presidencia de Panamá. Inicia su campaña con ideas y propuestas.

(@VivianTorrijos) Tsara ny kabarin'i Juan Carlos Varela amin'ny maha-mpilatsaka hofidiana ho filoham-pirenen'i Panama azy. Manomboka ny fampielezan-kevitra amina hevitra sy tolo-kevitra izy.

Nanaraka akaiky ireo fifidianana roa ireo ny Panameana ary manantena fifaninanana avo lenta.

Nicolle Ferguson (@nicolleferguson) dia nibitsika hoe:

(@nicolleferguson) Ambos discursos de @juancanavarro y @JC_Varela OK. Ahora queremos saber cual es la estrategia para cumplir con las promesas de campaña

(@nicolleferguson) Nety avokoa ny kabary nataon'i @juancanavarro sy @JC_Varela. Amin'izao izahay te-hahafantatra ny tetika hanatontosàna ireo fanamby tanaty fampielezan-kevitra ireo.

Ary na dia mbola misy taona iray aza vao tonga ny fifidianana filoham-pirenena, efa singa manan-danja sahady ireo fanadihadiana. Ny farany indrindra nataon'i Ditcher & Neira dia mampiseho fa  manana tombony kely ny kandidàn'ny Antoko Demokratika Revolisionera, Juan Carlos Navarro. Larissa Samaniego (@LarissaYSam) dia milaza ity ao amin'ny Twitter:

(@LarissaYSam) Encuesta de marzo de Dichter & Neira: @juancanavarro 30% @JC_Varela 22% los del CD 5% el #nuevopanama ya viene!

(@LarissaYSam) Fanadihadian'i Ditcher & Niera Martsa: 30% @juancanavarro 22% @JC_Varela ary 5% ho an'ny CD (Ankotom-Panovàna Demokratika) Miàla any ny #nuevopanama  (#panamavaovao) !

Mbola miandry izay ho voafidy avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondràna [en] i Panama mba hazava tsara ireo safidiny ho an'ny taona 2014.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.