Yemen: 18 Marsa, Fifampiresahana Nasionaly Omem-Pahamendrehana?

Miraikitra ho tantaran'i Yemen tahaka ny andron'ny Fahamendrehana ny andron'ny 18 Martsa. Tamin'ny 18 Martsa 2011, olona 56 no namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon'ireo jiolahin'ny filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh sy ny mpitandro ny filaminana nanao fanamiana sivily ary maherin'ny 100 kosa ireo naratra taorian'ny vavaka Zoma, izay nanjary fantatra amin'ny anarana hoe Zoman'ny Fahamendrehana. Hatramin'io andro io, mbola tsy nisazy ireo mpamono olona. Nisafidy izany daty izany anefa ny filohan'ny Yemen Abd Rabbuh Mansur Hadi mba hanotontosa Fihaonambem-pirenena izay sokajian'ny olona ho tetika hamafana izany fahatsiarovana izany.

Nizara ity lahatsary ity tao amin'ny YouTube ny mpanara-maso ny zon'olombelona izay namaritra ny “famonoan'olona tsy nosaziana.”

Nilaza momba ny loza ny Mpanara-maso ny zon'olombelona:

… fivadiha-pejy lehibe no nanamarika ny hetsi-panoherana ny Filoha Saleh, izay nitarika ny fiàlan'ireo manampahefan'ny governemanta ampolony sy ireo diplaomaty, noho ny endrika hafahafa tamin'ny fitifirana nandritra ny fihetsiketsehana sy ny isan'ireo namoy ny ainy marobe. Mbola tsy nanadihady ireo manampahefana ambony misahana ny famotorana heloka bevava tamin'ny governemanta Yemenita teo aloha mikasika ny fitifirana ireo mpanao fihetsiketsehana nandritra ny fanafihana tamin'ny 18 Martsa 2011 ny mpanao famotorona ankehitriny.

Bilaogera Afrah Nasser nanoratra tao amin'ny lahatsoratra bilaogy ary nametraka fanontaniana sarotra maromaro tamin'ny filoha Hadi, anisan'izany:

Nahoana? Nahoana ny andron'ny 18 Martsa no natao daty anombohan'ny Fihaonambem-pirenena? Nahoana no izany daty izany fa tsy daty hafa? Fa nahoana no tsy natao ny 19 na 20 ohatra? Adinonao ve ny zava-nitranga tamin'io andro io, 2011 sy ny tsingerintaona tokony hotsarovantsika? Tadidinao ve? Izahay mahatadidy.

Farea Al-Muslimi nanampy hoe:

@almuslimi: Tahaka ny manery renim-pianakaviana hankalaza ny tsingerintaona nahaterahan'ny zanany lahy tokana izay nahemotra indray ny fanatontosana ny Fihaonambe-pirenena amin'ny tsingerintaonan'ny vono olona Fahamendrehana

https://twitter.com/ndcye

Sary fangon'ny Kaonferansa Fihaonambe-pirenena nataon'ilay mpaka sary Ala'a Assamawy (@assamawy)

Tokony efa tamin'ny Novambra 2012 no natomboka ny Fihaonambem-pirenena, araka ny nokasain'ny Arabia Saodita miaraka amin'ny Filan-kevi-piarahamiasa amin'ny Golfa [Helodrano]- izay namarana ny fitondran'i Saleh naharitra 33 taona, saingy nahemotra imbetsaka izany noho ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ireo mpandray anjara. Nanomboka tamin'ny 18 Martsa ihany anefa izany noho ny farany, solontena 565 avy amin'ireo vondrona politika isan-karazany ao Yemen no nandray anjara tamin'izany, izay nahitana ireo endrika maro fanta-daza sy mahazatra, mpisintaka avy ao atsimo hatramin'ny Houthis avy any avaratra, fanampin'izany ireo solontenan'ireo fiarahamonim-pirenena vitsivitsy. Haharitra enim-bolana ny Fifampiresahana ary ny tanjona voalohany amin'izany dia ny fihavanam-pirenena, izay manokatra lalana amin'ny famolavolana lalàmpanorenana vaovao sy ny fanatontosana fifidianana filoham-pirenena amin'ny taona  2014.

Mpanao gazety Shatha Al-Harazi, iray amin'ireo tanora mandray anjara amin'ny Fihaonambem-pirenena, nisioka hoe:

@ShathaAlHarazi: Mba hampatsiahy ny antony handraisanay anjara amin'ny #NDC (Fihaonam-pirenena), nitsidika ny fianakavin'ireo martiora izahay, mbola eo ny alahelo #Yemen, tsy miandrandra afa-tsy ny rariny izy ireo

Nalefa mivantana tao amin'ny fahitalavi-panjakana ao Yemen ny lanonam-panokafana ny Fihaonam-pirenena ary nisy olona nanapaka avy eo tamin'ny fandraisam-pitenenan'ny filoha Hadi izay nilaza hoe “ho an'izay tsy mankasitraka ny (Fifampiresahana), misokatra ny varavarana.” Nozarain'i shoshgh2008 tao amin'ny YouTube ny lahatsary :

Nanamarika ny Zoman'ny Fahamendrehena ny diabe tao Sanaa omaly izay tsy nanaraka ny Fihaonambem-pirenen'ireo mpamono olona (lahatsary avy amin'ny:TheRYemen):

Hetsika goavana omaly tao Aden, Atsimon'i Yemen, niventsoventso hoe “izahay no tompon'ny fanapahan-kevitra” izay mitaky ny zo “fandinihan-tena” sy tsy hankasitraka ny fihaonambem-pirenena. (lahatsary avy amin'ny: abwboten)

Tsy nilaozan-doza anefa ny andro. Fa araka ny filazan'i Saeed AlBatati, lehilahy iray no voatifitry ny polisy tao Tarem:

@saeedalBatati
Sarin'i Rami Al Bur, izay namoy ny ainy noho ny tifitra nataon'ny polisy androany tao Tarem .#Southyemen #NDCYE pic.twitter.com/aF2ogg70Rx

Haykal Bafana nanampy hoe:

@BaFana3: Fihaonambem-pirenena ao #Yemen : tao Hadhramaut androany maraina, lehilahy iray tsy manam-pitaovam-piadiana no maty voatifitra, iray hafa naratra vokatry ny fipoahana grenady tao Seiyun ary ampolony ireo voasambotra.

Summer Nasser nisioka hoe:

@SummerNasser: Nanangan-tsaina (sainan'ny atsimo) ao #Yemen ireo mpandray anjara amin'ny Fihaonambem-pirenena avy any atsimo.
#NDCYE pic.twitter.com/QlfPoFnQwW

Omaly tao Sanaa, miaramila avy amin'ny Tafika Diviziona Voalohany no nitifitra ireo tanora Houthi tsy manam-pitaovam-piadiana, naratra ny telo tamin'izy ireo ary ahiana mafy ny fahasalamany.

Tratra tamin'ny sary ny fitifirana ary narakitra tao amin'ny Youtube YouthStandYEMEN:

Farea Al-Muslimi nisioka hoe:

@almuslimi: Ireo izay MIS-run #Yemen nandritra ny 50 taona no ao amin'ny kianjan'ny fihaonambem-pirenena androany. Trondro tsy afaka miteraka mandrakizay.

Haykal Bafana nanontany hoe:

@BaFana3: Mety haharitra ve ny fihaonambem-pirenena ao #Yemen raha toa ka laviina ny rariny & tsy misy ny lalàna? Hoy ilay diplaomaty mampiely ny zon'ny tsimatimanota (immunité) nanontany. http://www.huffingtonpost.com/letta-tayler/yemens-friday-of-indignit_b_2900325.html

Maro ireo Yemenita no nizarazara amin'ny fanohanana na ny tsy fankatoavana ny Fihaonambem-pirenena. Na dia manantena aza ny sasany fa mety handravona ny fahoriana ao Yemen ny fihaonambem-pirenena, ny hafa kosa nihevitra fa tsy misy dikany izany raha toa ka tsy mitondra mankany amin'ny rariny ho an'ireo namoy ny ainy sy naratra nandritra ny revolisiona, indrindra raha mbola misy foana ny fandatsaha-drà amin'izao fotoana fisokafan'ny kaonferansa izao. Misy kosa ny manontany hoe aorian'ny enim-bolana, inona no mety ho vokatry ny fihaonambem-pirenena ary izao hahazo tombotsoa amin'ity indray mitoraka ity?

Raha hanaraka ny vaovao farany momba ny fihaonambem-pirenena, araho ny tenifahatra #ndcye sy #NDCYEMEN.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.