Hampiroborobo ny ‘Fiarahamonina miara-mientana’ ve ny tetibola 2013-n-i Singapore?

Azo antoka ny tetibola 2013 fa hiezaka ny mba hanome izay ilain’ireo singaporean mikasika ny : fameperana entitra mikasika ny asa any ivelany, ny valisoa sy sazy mba hampitomboana ny vokatra avy eto an-toerana, rafitra ara-ketra mivoatra kokoa, fepetra maro mba hanamaivanana ny vidin’ny trano sy ny fiara. Avy amin’ny tetibola, irian'ny fanjakana ny hametraka bebe kokoa ny fandraisan’anjaran’ny fiaraha-monina  :

Singapore mendrika kokoa

Ovainay ny toekarenay mba ahazoanay:

Kalitao miroborobo – firoboroboana izay hanome ny Singaporeana rehetra kalitaom-piainana mendrika kokoa.
Ary manao dingana betsaka izahay mankany amin'ny Fiarahamonina Miara-mientaa bebe kokoa – manomboka amin'ny zanakay, fanampiana ireo mpiasa kely fidiram-bola, ary fanomezana fiainana mendrika koko aho an'ireo misotro ronono.

Singapore 2013 Budget

Tetibola 2013-n’i Singapore

Manolotra famintinana fohy mikasika ny tetibola i Marketdecoder izay ny tsikera voalazany dia noketrehana niaraka tamina tetikasa kobaka am-bava. Nandritra io fotoana io , niverina kely ary nanadihady ny fiantraikan’ireo fanomezana ireo eo amin'ny ‘macro-politique’ i Roy. Hoy izy:

Ny fomba hafa hijerena ny tetibola 2013 dia ny fijerena azy ho toy ny fanitsiana tetibola.

… Ny tetibola 2013 dia fiantombohana andian-tetibola afaka mivoatra izay ikendrena  hanitsiana ireo lalan-dison’ny governemantan'i Singapore mikasika ny toe-karena nandritra ny 10 taona lasa na mihoatra.

Mazava fa ny sasany amin’ireo drafitry ny tetibola no ikendrena ny tsenam-barotry ny tany sy trano ao Singapore, izay sempotsempotra ihany teo aloha, miaraka amin'ny vidina trano miakatra haningana be mitaha amin'ny karama.

Many are worried that their asset prices will fall as a result of the new property tax initiatives….Betsaka no manahy hoe hitontongana ny hareny vokatr'ilay hetsika hetra vaovao momba ny tany/trano. Kanefa, manolotra fandalinana iray amin'ny antsipirihany kokoa i Natasha Goh mikasika ny fiantrakan'ilay tetibola amin'ny raharahan-tany/trano:

Ny mpanadihady sasany koa dia miresaka mikasika ny fisondrotan'ny tolotra amin'ny trano ahofa noho ny fanafoanana ny hetra amin'ireo tany/trano tsy miasa. Na hevriko ho mety hisy fisondrotana aza, tsy heveriko ho dia hidangana hanao ahoana ny tarehimarika.

Manome lisitry ny sasantsasany amin'ireo toromariky  mpikambana avy ao amin'ny parlemanta i  “Signs of Struggle”:

Nanolo-kevitra I Janil Puthucheary (PAP) ny hisian’ny fandehanana maimaimpoanan’ireo fiara fitateram-bahoaka ivelan’ny ora maha betsaka ny mpandeha mba entina hanovana ny fitondran-tenan’ireo mpivezika ary hampihenana ny vesatr’ io ora maha be olona io.

Nangataka I Irene Ng (PAP) mba haseho ny fanajana ny olon-drehetra amin'ny fankatoavana fetran- “karama mahavelona” izay ahafahana mihevitra hoe karama tsy miangatra.

Nangataka ihany koa I Christopher de Souza (PAP) momba ny sehatra garabola mba horaisina ho an-tanan'ny fanjakana, manosika hanohitra ny fanandraman'ny G hamindra ny zavatra rehetra ho an'olon-tsotra.

Mahita ‘tsy fetezana ara-drafitra’ amin'ity vinavina ity i andyxianwong:

Manahirana ny mahita ny governemanta milaza azy ity ho tetibola mankany amin'ny fivoarana sy mampandray anjara ny rehetra rehefa injay ilay izy feno tsy fetezana ara-drafitra maromaro.  Ny mampiahiahy manokana dia ny mahita ny governemanta manao politikan'ny kobaka am-bava, mandany vola be sy tsy mijery lavitra mibaribary manoloana ny disadisa politka tsy mitsaha-mitombo… Ny fisehoan-javatra hoe ilay tetibola dia toy mamafy vola any amin'ireo orinasa efa mifandray amin'ny governemanta, izay ny sasany amin'ireo  dia tsy azo lavina fa hiverina ihany ho amin'ny governemanta amin’ny faran’ny taona, dia manahirana ihany koa. Fa maninona no matetika ny fandaniam-bola ataon'ny governemanta zara raha misy tonga eny an-tànan'ireo tena mila azy fatratra?

Maneho hevitra momba ny fanomezana karama midangana ho an'ny manampahefana ao amin'ny governemanta i “Arra's World” :

  Lastly, I do mind that my children will have a hard time scrapping for a roof over their head regardless of the millions of dollars we had paid our politicians. Smells like an insurance scam….Ny fijeriko manokana dia tsy dia miraharaha loatra an-dry zareo politisiana toloram-bola dolara maro mba hitantana firena aho, andriamanitra mahalala fa sarotra kokoa ny mitantana MNC iray (orinasa goavana maro rantsana). Ny hanome karama ireo manam-pahaizana tsy ampy fanahy miaraka amin'ny vola mifandraika amin'ny EQ-ny no iasako saina. Ny iasako saina ihany koa dia ny politikantsika tsy nisy fihatsaràny loatra. Farany, iasako saina ihany koa ny amin'ireo zanako handalo fotoan-tsarotra hametraka  fakofakon-tafo eo ambony lohan’izy ireo manoloana ireo dollara an-tapitrisa nomentsika ny mpanao politikantsika. Mamofompofona fisandohana ny tranom-piantohana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.