Maty Nisy Namono i Parveen Rehman, Very Anjely Mpiambina Ny Ambanitanàna Lehibe Indrindra Ao Pakistana

Parveen Rehman, mpiasa sosialy mitàna ny laharana voalohany ao Pakistana, dia maty notifirin'olona tsy fantatra tanaty herisetra ara-poko, sekta sy asan-jiolahy mitombo tsy miato ao an-tananan'i Karachi. Teo ivelan'ny Orangi indrindra i Parveen, 56 taona, no nisy namono ny 13 Martsa 2013, toerana izay itarihany ny tetikasa mpisava làlana Orangi, na “Orangi Pilot Project (OPP), iray amin'ireo fikambanana Pakistane tsy miankina isan'ny miroborobo indrindra, manampy ireo vondrom-piarahamonina sahirana.

Orangi no heverina ho Ambanitanàna lehibe indrindra any Azia ary mampiantrano olona manakaiky ny iray tapitrisa ao Karachi. Nanaraka fiofanana momba ny tao-trano, tsy nitandro hasasarana ihany koa i Parveen niasa nanangona rakitra mikasika ireo tany eny amin'ireo ambanitanàna tsy mitsaha-mitombo ao Karachi, mba hiarovana azy amin'ny mafia mpangala-tany, izay efa an-taonany maro no naharaisany fandrahonana ho faty.

Parveen Rahman. Image from Twitter courtesy Alexpressed

“Parveen Rehman tao anatin'ny biraony tao Orangi. Olona efa ho antsasaky ny iray tapitrisa no novainy ny fiainany. Very reny mpiahy i Orangi.” Sary avy amin'i @Alexpressed mpampiasa Twitter

Ao amin'ny bilaoginy “Diarin'i Pakistane iray miasa loha, Alexressed” , manoratra i Ale Natiq hoe:

Talen'ny “Orangi Pilot Project” (OPP) no nahalalàn'ny olona maro azy, saingy mbola lehibe lavitra noho izay maha-tale mpitantana ONG azy izy. Namela dian-tànana manerana ireo faritra midadasika ao Karachi izy sy ny fikambanany, ary nanova fiainana an'arivorivony. Tsy rariny ny hilazana fa nanova fiainan'olona antsasaky ny iray tapitrisa izy na ny antsasaky ny vahoaka ao Orangi amin'ny fomba itsy sy izaroa. Very reny mpiahy azy ny ambanitanàna ao Karachi sy ireo “katchi abadis”.

Anatinà hetsika maro hafa, ny OPP dia fantatra amin'ny nanombohany ny iray tamin'ireo tetikasa tena nahomby indrindra teto ambonin'ny tany tamin'ny resaka fampivoarana miainga avy amin'ny fiarahamonina. Hatramin'ny nanombohan'izy io tamin'ny 1980, olona 2 tapitrisa no nampiany hampivoatra ny resaka fahadiovany tamin'ny alàlan'ny fametrahana fantsona milevina ambanin'ny tany sy trano fidiovana anaty trano, nanerana an'i Pakistana.

Steve Inskeep, vahinin'ny Fandaharana Marainan'ny NPR ary Mpanoratra ny “Instant City Life and Death in Karachi“, “Ny indray mipi-mason'ny fiainana sy fahafatesan'ny tanàna ao Karachi”, izay manasongadina ny tafatafa niarahana tamin'i Parveen, dia mahatsiahy ao amin'ny Twitter:

 @NPRInskeep: Ho hendratsendratra kely ihany ireo soavaly be tongotra raha hamangy fotsiny an'i Orangi, ilay faritra midadasika ao Karachi feno andian-jiolahimboto ary niasàn'i Rahman tamin-kafaliana isanandro.

Herisetra ao Karachi

Ny andro namonoana an'i Parveen, olona fito hafa no maty tanaty tranganà herisetra samihafa tao an-tanàna. Nahatsapana fahabangana be tokoa sy hatezerana teny anivon'ireo mpampiasa Twitter tao Pakistana. Ilay Pakistane, tale ao amin'ny “Human Rights Watch” Ali Dayan Hasan,  dia nibitsika tamin'ny 14 Martsa 2013 hoe:

@AliDayan (Ali Dayan Hasan): Miadana saingy azo antoka, atao lasibatra sy vonoina daholo izao ny tsirairay sy ny zavatra tsara rehetra eto amin'ny firenentsika.#ParveenRehman #Pakistan

Ny sasany, ahitàna ilay mpanao gazety Beena Sarwar, Mohammad Hanif ary ilay mpanoratra lahatsoratra Cyril Almeida dia samy nanely io fahatsapany io:

@beenasarwar (beena sarwar): #ParveenRehman RT @mohammedhanif: zavatra faran'izay mampalahelo indrindra. Ary dia mihevitra isika fa efa be loatra ny zava-nampalahelo hita. Tsy mahavita intsony na dia ny hanangona hatezerana aza

@cyalm (cyril almeida): Fisainana kely tia tena anio alina: mankarary ahy ny misaina hoe tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny olona tapaka telefaona ato anaty bokikeliko. Be loatra ny maty.

@BhopalHouse (Faiza S Khan): Mahatsapa aho, efa fotoana elaela izao no fantatro, fa tsy misy halàlina tsy hilatsahan'i Pak. Velom-pisaorana fa mbola mba afaka mahatsapa ny ratram-poko aho. Tsy ho ela koa dia hifarana izany.

@AmSayeed (Amima Sayeed): ny fampielezankevitra fanaratsiana ny ONG no nitondra ho amin'izao: #ParveenRehman notifirina ho faty. Fankahalàna an-jambany io, izay tsy mijery akory ny zava-bita!

Tribute to social worker Parveen Rehman killed by terrorist in Karachi, Image by Ayuib. Copyright Demoyix (14/3/2013)

Fanomezam-boninahitra an'i Parveen Rehman, mpiasa sosialy, maty novonoin'ny mpampihorohoro tao Karachi, sary avy amin'i  Ayub. Fizakàmanana Demotix (14/3/2013)

Ny Adin'i Parveen manohitra ireo Mafian'ny Tany ao Karachi

Talohan'ny nanatevenany laharana ny OPP tamin'ny 1982, dia niasa amin'ny maha-mpahay maritrano azy i Parveen. Nitohy nampianatra taminà sekoly samihafa momba ny maritrano izy nandritra ny taona maro mba hisian'ny mpahay maritrano mandray andraikitra ara-tsosialy manerana ny firenena. Nandany taona maro i  Parveen ho fandraketana ny momba ny tany, tany amin'ireo faritra manodidina ny tanan-dehibe mivoatran'i Karachi. Araka ny nambaran'ny mpianany sy ireo mpiara-miasa taminy dia naharay fandrahonana ho faty avy amin'ny mafia tafiditra amin'ny fangalarana ireo tany lafovidy ao an-tànana izy :

Mpanangona mavitrika an'ireo antontan-taratasy mikasika ireo tany lafovidy i Rtoa Rehman, tany izay any ivelan'ny tanàna manana endrika vohitra saingy nanjavona malaky tao anatin'ny maha-midadasika azy noho ny tinady tsy mitsahatra mitombo avy  amin'ireo fianakaviana an'arivony izay mikisaka mankany Karachi isan-taona, avy any amin'ny lafivalon'ny firenena. Nolazainy tao anatin'ny fandraketany fa manodidina ny vohitra 1.500 eo ho eo, na goths no nitambatra ho ao anatin'ilay tanàna nandritra ny 15 taona. Notsinjarain'ireo mpangala-tany ho antokotokon-tany izy ireny ary nahazoan-dry zareo vola an-davitrisany tamin'ny famarotana azy.

Fahad Desmukh, mpanao gazety, dia nibitsika ny tafatafa am-bava nifanaovany tamin'i Parveen Rehman, izay niresahany mikasika ilay fandrahonana avy amin'ny mafia-n'ny hala-tany ao Karachi:

@desmukh (Fahad Desmukh): Parveen Rehman: “Nambaranay fa ny hany azonareo atao dia ny mamono anay. Inona no azonareo atao ankoatra izay? Tsy matahotra anareo izahay” #LandMafia

SesapZai, mpanao asakanto iray avy any Pakistana, no manoratra ao amin'ny bilaoginy hoe :

Ho ahy dia tahakahakan'ny tsy te-hivoatra izany ny olona ao Pakistana; biby be mahatahotra ny fandrosoana, izay manjary lasa horohoro goavana raha vantany vao misy olona manandrana manosika azy io handeha lavidavitra kokoa. Ary raha toa ka tokony hanohana na handrisika ny asa feno fahasahiana mitodika amin'ny maha-olona toy izany — toa an'i Parveen Rehman — izay nanokan-tena hatramin'ny fanolorana ny ainy mba hanampiana ireo faran'izay mahantra indrindra any amin'ny faritra ho afaka hiaina tsaratsara kokoa, dia ny mamono no nataon-dry zareo. Ary maty mòmoka miaraka amin-dry zareo ihany koa izay rehetra fanantenana na nofinofy hisian'ny fahavitàn-tena ara-toekarena amin'ny hoavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.