#FreeBassel: Herintaona Aty Aoriana, Mbola Any Am-ponja Ity Mpiserasera Syriana Ity

Herintaona omaly no nosamborina sy nampidirina am-ponja ao Damaskosy ilay mpikirakira web sy mpiaro ny teknolojia mivelatra Syriana Bassel Khartabil, mbola any am-ponja izy hatramin'izao. Anisan'ireo mpiaro ny teknolojia misokatra fantatra amin'ny anarana hoe Bassel Safadi izy, lehilahy 31 taona izay anisany nitarika ny  Creative Commons ho an'i Syria ary niasa taminà karazana tetikasa rindrambaiko malalaka, anisan'izany ny Mozilla Firefox sy Fabricatorz.

 

Bassel Khartabil. Photo by Joi. (CC BY 2.0)

Bassel Khartabil. Sary avy amin'i Joi. (CC BY 2.0)

Nandritra ny volana maromaro, tsy nahazo vaovao mikasika izay manjò azy intsony ny fianakavian'i Bassel. Tamin'ny volana Jolay 2012, nahare izy ireo fa notànana tao amin'ny tobin'ny miaramila ao amin'ny sampana Kafr Suseh ao Damaskosy izy. Vao haingana, vitsy ny vaovao fantatra momba azy. Tsaho momba ny fampijaliana, fanolanana, ary karazana fampijaliana ao amin'ny toby no mampiahiahy ny fianakaviany mikasika izay manjo azy

Rehefa fanta-bahoaka ny vaovao fanagadrana an'i Bassel, nanangana ny hetsika fanentanana sy habaka #freebassel ireo mpanohana azy ao amin'ny Creative Commons, izay lasa sehatra fitsikerana ny fiarovana sy ny fizaram-baovao momba izay mahazo an'i Bassel. Mpanara-maso ny zon'Olombelona, Amnesty International, Global Voices sy aterineto hafa ary ny fikambanana miaro ny zon'Olombelona manerantany no niara-nisalahy mba hanentana momba ny raharaha Bassel ary mitolona ho amin'ny famotsorana azy.

Tamin'ny volana Novambra, nofidian'ny Gazetiboky Foreign Policy ho anisan'ireo 100 mendrika manerantany amin'ny fahaiza-misaina i Bassel, izay nahasarika betsaka ny sain'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena mikasika ny raharaha Bassel. Taty aoriana, nafindra tany amin'ny fonjan'olo-tsotra ao ambanivohitr'i Damaskosy i Bassel .

Oussama Al Rifai, dadatoan'i Bassel, nilaza tamin'ny Toronto Star fa tena zava-dehibe ny politikan'ny raharaham-bahiny amin'ny fanampiana an'i Bassel ho velona sy hanamora ny famindrana azy. “Iharan'ny fijaliana isan'andro izy, saingy taorian'ny fampilaharan'ny Politikan'ny Raharaham-bahiny, somary nitsahatra ny fampijaliana azy.”

Nanomboka tamin'izany fotoana izany, nahazo ny zo hotsidihana izy ary afaka nihaona tamin'ny fianakaviany. Nilaza ny fianakaviany fa simba ny fahasalamany ara-tsaina sy ara-batana vokatry ny fanagadrana azy.

Manana ambaindainy matanjaka eo amin'ny tontolon'ny teknolojia ao amin'ny faritra  MENA ny asan'i Bassel. @MoNajem, naman'i Bassel avy ao Beyrouth niresaka tamin'ny Global Voices Advocacy, “banga tanteraka ny fiarahamonina Arabo tsy mahita intsony ny asa fanaon'i Bassel. Liana isan'andro amin'ny fanantenany sy ny asa ataony amin'ny Aterineto mivelatra izahay.”

Amin'ny maha-mpitarika ny Creative Commons azy ao Syria, nanangana fifandraisana mafonja marobe tamin'ireo mpitondra zava-baovao sy mpiaro ny aterineto ao amin'ny faritra hafa manerana izao tontolo izao i Bassel. Nilaza momba ny andraikitr'i Bassel tahaka ny “ambasadaoron” ny kolontsaina ny Filoha mpikambana teo aloha tao amin'ny fitantanana ny Creative Commons sy talen'ny Laboratoara MIT Media  Joi Ito, izay niara-niasa akaiky tamin'i Bassel talohan'ny fisamborana azy

Bassel is a dear friend. He has been a tremendously important contributor to Mozilla and Creative  Commons. His work to increase access to knowledge and technology in his country is a testament to his love for Syria. He was also a great promoter of Syrian culture. He introduced me to the arts and artists of Syria — this is how I fell in love with Syria.

Namana akaiky i Bassel. Mpiara-miasa manana ny lanjany lehibe tao amin'ny Mozilla sy Creative  Commons izy. Porofo ny fitiavany an'i Syria ny andraikiny hampitombo ny fahazoana fahalalana ara-teknolojia ao amin'ny firenena. Mpampiroborobo ny kolontsaina Syriana ihany koa izy. Nampahafantatra ahy ireo taozavatra sy ireo mpanakanto ao Syria izy — izany no nahatonga ahy nitia an'i Syria.

 

Donatella della Ratta, mpandrindra ny Creative Commons rezionaly ao amin'ny tontolo Arabo, niresaka tamin'ny GVA:

[Bassel] is highly missed in our communities, though not only because of his valuable contribution to openness and sharing. He is a generous person who knows what community work and collaboration mean. I personally miss him as a dear friend and somebody who has always been there to solve problems and help others.

Banga tanteraka an'i [Bassel] ny fikambananay, tsy noho ny fandraisany anjara goavana avy aminy amin'ny fisokafana sy ny fizarana ihany. Fa olona be fiantra ihany koa izy izay mahafantatra ny dikan'izany fikambanana sy ny fiaraha-miasa izany. Malahelo azy manokana amin'ny namako akaiky azy aho amin'ny maha-olona teo foana tamin'ny famahana ireo olana sy ny fanampiana ny hafa.

Niresaka momba ny fikelezana aina ataon'i Bassel amin'ny fizarana fahalalana sy kolontsaina ary ny fampandrosoana ny teknolojia ahafahana manatanteraka izany karazana fifanakalozana izany ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo namana sy mpiara-miasa marobe. Nanambara toy izany koa ny tao amin'ny Fampilaharana momba ny Sivana vao haingana fa tafiditra ho amin'ny Fifaninanan'ny Fahalalahana Nomerika ( Digital Freedom Awards) i Bassel, izay hampahafantarina amin'ny herinandro ambony.

Tamin'ny lahatsoratra vao haingana tao amin'ny gazety Wall Street Journal, mpiara-manorina ny Creative Commons sy ilay fahazavan'ny aterineto misokatra Lawrence Lessig namariparitra fa “matahotra” mafy an'i Bassel  ny governemanta Syriana:

Mr. Khartabil isn't a partisan, aligned with one Syrian faction against another. He represents a future, aligned against a totalitarian past….The  government wants to shut the free-software, free-culture movement down, in a way that only a totalitarian regime can. Syria won't win this battle in the long term….It, too, will learn that the future cannot be stopped, even if the men and women leading it can be silenced.

Tsy mpomba na iza na iza amin'ireo antoko Syriana mifandrafy Atoa Khartabil. Misolo tena ny hoavy izy, manohitra ny jadona efa lasa….Te-hanakatona ny rindrambaiko-malalaka, hamafa ny hetsika kolontsaina-malalaka ny governemanta, fomba izay efa fanaon'ny fitondrana jadona. Tsy handresy izany tolona izany ao anatin'ny fotoana maharitra i Syria ….Hahafantatra ihany koa izy fa tsy azo sakanana ny hoavy, na dia azo ampanginina aza ireo lehilahy sy vehivavy mitarika izany.

Mandrisika ny mpamaky ny Global Voices Advocacy mba hanohana ny hetsika #freebassel amin'ny alalan'ny fitsidihana ity habaka ity, sy amin'ny alalan'ny sioka momba ny raharaha Bassel (#freebassel), na manatrika hetsika fanomezam-boninahitra azy.

Fitantarana vao haingana nataon'ny Global Voices momba ny raharaha Bassel Khartabil:

Fanentanana #FastforBassel Hiarovana Mpiserasera Syriana Hiatrika Fitsarana Miaramila [mg]

#FreeBassel: Miaina fandrahonana ny mpiserasera

Fitantarana manokana nataon'ny Global Voices momba ny fihetsiketsehana ao Syria

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.