Podcast Manokan'ny Global Voices: Habemus Podcast!

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Miarahaba, ry Tontolo – tongasoa eto amin'ity famoahana manokan'ny Global Voices Podcast ity.

Ny Talata 12 Martsa 2013 dia nivory ny kolejin'ireo kardinaly tao Vatikana mba hifidy ny mpitarika vaovao ho an'ny Fiangonana KAtolika Romana, taorian'ny fametraham-pialàn'ny Papa Benoit XVI tamin'ny 28 Febroary. Tamin'ny alin'ny Alarobia dia niseho teo amin'ny lavarangana afovoan'ny Bazilika Md Piera ny Kardinaly Protodeacon ary niventy ny teny hoe  “Habemus Papam!” (“Manana Papa isika!”), sady nanolotra ny Papa Fransoà.

Niaraka taminà kardilay Afrikana roa noheverina ho isan'ny manana vintana hisolo ny  Papa Benoit XVI, dia niresaka tamin'i Steve Sharra sy Abdoulaye Bah avy amin'ny ekipa Afrika ato aminay izahay mikasika ny mety hisian'ny Papa Afrikana, izay fanantenan'ny kaontinanta mikasika ny papa hoavy eo, ary ny antony mahatonga ireo kardinaly heverina ho toy ny ekipa iray mpilalao voley mandritra ity herinandron'ny fihibohana an-trano fifidianana papa ity.

Global Voices has a cardinal! Author Abdoulaye Bah with director Nanni Moretti on the set of the film "We Have a Pope"

Manana ny kardinaliny ny Global Voices!  Abdoulaye Bah, mpanoratra miaraka amin'ny Tale Nanni Moretti tamin'ny famokarana ny lahatsary  “Manana Papa isika”

Tianareo ve ireo hira Gregoriana natao ho an'ny sehatry ny daholobe ary nasongadina tao anatin'ilay podcast? Afaka maka ny anjaranao ianao ao amin'ny Partners in Rhyme.

Fisaorana ho an'i Laura Morris tamin'ny tohana natolony ho famokarana azy ity!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.