Vive Latino 2013: Fahatezàny, Tarika Shiliana Ary Feon'ny Vehivavy

Mbola ho toeran'ny Fetibe Ibero-amerikana amin'ny Kolontsain'ny Mozika “Vive Latino” indray ny tanànan'i Mexico. Tahaka ny isan-taona, Artista mpihira avy amin'ny gadona samihafa saingy manana ny lazany iraisampirenena no handray anjara amin'izany fetibe izany.

Tamin'ny andiany farany ny hetsika dia nahitana ny fiakarana an-tsehatr'i Javiera Mena (Chile), Los Caligaris (Arzantina), El Columpio Asesino (Espaina), Molotov (Meksika) ary Fatboy Slim (Angletera), miaraka amin'ny tarika maro hafa.

Amin'ny andiany faha-14 ny “Vive Latino” hampivondrona ny mpiara-nanorina ny Britpop, Blur (Angletera), ny ankamaroan'ny mpandray anjara amin'ny teny anglisy, sy ny tarika Latina malaza amin'ny sehatra iraisampirenena izay ahitana ny Los Fabulosos Cadillacs (Arzantina), Panteón Rococó (Meksika) ary ny Los Amigos Invisibles (Venezoelà). Hipoitra ao anatin'ny tarika zato handray anjara handravaka ny hetsika ihany koa ny Violadores del Verso (Espaina), Yeah yeah yeahs (Etazonia) ary ny tarika mpanao rock efa zokiolona El Tri (Meksika) izay azonao jerena ato [es] ny lisitr'izy ireo .

Milaza toy izao [es] momba ny fanombohana sy ny fivoaran'ny “Vive Latino” ny mpikarakara ny fetibe:

Antes del festival iberoamericano de cultura musical vive latino la historia del rock en México registraba la realización de festivales diversos, pero ninguno de ellos logró continuidad. La necesidad de contar con un evento consolidado en la ciudad más grande del mundo era una demanda a voces, pero había que darle credibilidad, convencer a los escépticos de que lo más importante no es la taquilla, sino el cartel. Había que sostener calidad, producción, logística, atención a medios y aguantar un par de años para consolidarlo.

Talohan'ny Fetiben'ny kolontsaina mozikaly Ibero-amerikana, Vive Latino, efa nahitana fetibe isan-karazany ihany teo amin'ny tantaran'ny rock ao Meksika, saingy tsy misy ny nahavita nanohy isan-taona. Takian'ny olona ny fametrahana hetsika mafy orina ato amin'ny tanàna lehibe indrindra manerantany, saingy mila fitokisana, handresena lahatra ireo be fanahiana fa tsy ny tapakila no tena zava-dehibe fa ny fandaharam-potoana (hatsarany). Tsy maintsy natao izay nikirakirana ny kalitaony, ny famorakana, ny fampitaovana ary ny fampifantohana ny fampitam-baovao nandritra ny roa taona hahamafy orina azy.

Nitohy ny lahatsoratra:

Camila Moreno, cantante chilena. Foto de Pablo Quiroz bajo licencia Creative Commons (CC BY-NC-ND 2.0)

Camila Moreno, mpihira Shiliana. Sary avy amin'i Pablo Quiroz ambanin'ny lisansa Creative Commons (CC BY-NC-ND 2.0)

Hoy, que vamos por la decimo cuarta edición del VL, el festival es conocido no sólo en México, sino en toda Iberoamérica por la convocatoria que tiene y por las propuestas internacionales en su cartel. Se ha convertido, por derecho propio, en el punto de referencia para quienes quieren escuchar en vivo a los exponentes más importantes de las escenas musicales que emergen, y de las que dejaron huella. Bienvenidos a los nuevos sonidos y a un 2013 en que muchas sorpresas aleatorias a la música se expondrán para gozo del público que asista al Foro Sol.

Anio, amin'izao andiany faha-14 ny VL izao, tsy eto Meksika ihany no fanta-daza ny fetibe, fa manerana an'i Ibero-amerika noho ny fahamaroan'ny mpandray anjara sy ny fisian'ireo tarika vahiny (iraisampirenena) ao anatin'ny programany. Lasa izy indray no fitaratra ho an'ireo izay te-hanaraka mivantana ireo artista misongadina sy ireo izay namela marika farany ny eny an-tsehatra. Tonga Soa eto amin'ny feo vaovao sy amin'ny andian'ny taona 2013 izay hahitanao mpihira tsy ampoizina amin'ny famalifaliana ireo hanatrika ny Foro Sol.

Raúl Bustamante [es] avy amin'ny LifeBoxset.com tsy nanadino ny fitodihana amin'ny feminisma ary nanasongadina:

Dentro de los 127 artistas y bandas que se presentarán los cuatro días del festival Vive Latino 2013, más de 15 son representadas por una o más chicas que detrás del micrófono y sin importar el género musical, nos deleitarán con su voz. Durante esta edición, los diferentes escenarios tendrán mujeres mexicanas y extranjeras que sin duda vale la pena ver en vivo.

Ao anatin'ny tarika sy mpihira 127 izay hiantsehatra mandritra ny efatra andron'ny fetiben'ny Vive Latino 2013, mihoatra ny 15 no tarihan'ny vehivavy iray na mihoatra, eo ambadiky ny microphone ary tsy anavahana karaza-mozika, hampihiratra antsika amin'ny feony. Mandritra ity andiany ity, hahita vehivavy avy Meksikana sy vehivavin'ny firenena hafa, izay mendrika ny hatrehina mivantana, eny amin'ny sehatra samihafa isika.

Nanavaka ny isan'ny Shiliana handray anjara ao anatin'ny fandaharam-poroanan'ny fetibe i Diego Sepúlveda [es] avy amin'ny Panamérika:

Seis músicos y agrupaciones chilenas son las que se presentarán en la próxima edición de Vive Latino entre el próximo 14 y 17 de marzo. La selección de este año es diversa tanto en géneros como en atractivo. Desde figuras que han visitado anteriormente las tierras aztecas, a otros que aprovecharán la oportunidad para cimentar una relación con uno de los países que mayor interés ha tenido en las producciones chilenas de los últimos años.

Mpitendry mozika sy vondrona Shiliana fito no handray anjara mandritra ny andiany manaraka amin'ny Vive Latino amin'ny 14-17 amin'ity volana Marsa ity. Isan-karazany eo amin'ny karazany sy ny antso ny fantina amin'ity taona ity. Nalahatry ry zareo izay efa nitsidika ny tanin'ny Azteka sy ireo hahazo tombontsoa amin'ny fanamafisana ny fifandraisana amin'ny iray amin'ny firenena izay liana dia liana tokoa amin'ny vokatra Shiliana nandritra izay taona faramparany lasa izay.

Ireto avy ireo tarika izay tondroin'i Sepúlveda: Aiken, Alex Anwandter, Camila Moreno, Chico Trujillo, Gepe ary Mostro.

Los Fabulosos Cadillacs, foto de Fernando Messino bajo licencia Creative Commons (CC

Los Fabulosos Cadillacs, photo from Fernando Messino under a Creative Commons license (CC BY-NC-SA 2.0)

Ny fifantohana amin'ny tontolo iainana kosa tena nozarain'i México [es], ahitana toromarika ahafahan'ny mpanatrika hifanakaiky kokoa amin'ny [fanajana ny] tontolo iainana:

Si bien desde hace un par de años, los organizadores del Vive Latino han trabajado por cuidar que algunos detalles del festival se orienten a la sustentabilidad, nosotros como público podemos aportar a la causa con acciones sencillas que están en nuestras manos. Te proponemos 3 acciones clave:

1. En medida de lo posible, procura llegar alimentado; esto porque seguro te has dado cuenta la gran cantidad de basura que se genera en eventos tan grandes. Si de plano vas a llegar temprano, mueres de hambre o se te antoja muchísimo algo de lo que se vende en el festival, exhorta a los vendedores a que reutilicen. Si te formas varias veces, procura que te sirvan en el mismo plato y bien, aprovecha al máximo las servilletas para utilizar las menos posibles y evitar desperdicios. No está de más recordar la importancia de tirar toda tu basura en los contenedores.

2. Los vasos de chela [cerveza] también son todo un tema, sigue las recomendaciones que ya habíamos mencionado anteriormente.

3. Aplica el “autosardina”, o mejor aún, utiliza el transporte público y así evita embotellamientos, los cuales generan más gases que cuando el coche lleva una aceleración constante (además de que es contaminación visual y auditiva).

4. Para los fumadores: te proponemos que lleves una cigarrera y así ayudes a evitar los desechos que generan las cajetillas. Además, existen ceniceros portátiles; intenta conseguir uno para el festival y así evitar tirar las colillas en el piso. Si tiras las colillas en la basura, estarás ayudando a remediar la contaminación del suelo.

¡Cuida al medio ambiente y disfruta mucho a tus bandas favoritas en el Vive Latino 2013!

Tao anatin'ny roa taona izay ny mpikarakara ny Vive Latino no niezaka handravona ny antsipirihany sasantsasany amin'ny fetibe izay mifantoka amin'ny fahatezàny, mba ahitantsika mpijery mampandroso ny raharaha amin'ny alalan'ny hetsika izay eo ampelatanantsika. Manolotra hetsika fanalahidy telo izahay:

1. Raha azo atao, miezaha mba ho voky no tonga any; izany dia noho ny ataoko fa efa voamarikao ny fahabetsahan'ny fako ateraky ny hetsika mandritra ny fotoana anatontosana azy. Raha tonga aloha ianao, matin'ny hanoanana na tena mila ny zavatra amidy mandritra ny fetibe, Ampirisiho ny mpivarotra [hanangona ny fako ho azo ahodina ampiasaina indray = recycle]. Raha mbola te-hanampy ianao, ataovy izay ampiasany indray ho anao ny lovia vao nihinananao teo ary ataovy izay hampiasanao mosoaran-databatra vitsy indrindra araka izay azo atao mba hialana amin'ny fandaniam-poana. Tsy hampararirary anao ny fahatsiarovana ny habetsahan'ny fako arianao anaty fanariana zaoridira.

2. Lohahevitra iray hafa manontolo ihany koa ny veran-dabiera – araho ny toromarika vao nolazainay etsy ambony.

3. Miaraha mandeha amin'ny fiara iray, na raha ny tsaratsara kokoa, Mandraisa fiara fitateram-bahoaka iraisana hialana amin'ny fitohanan'ny fiara, izay miteraka setroka kokoa noho ny fivezivezen'ny fiara tsy miova halakim-pandeha (ary eo an-tampon'izany ny fiharatsian'ny fahitana sy ny tabataba aterany).

4. Ho an'ny mpifoka sigara: manorohevitra anao izahay hitondra fasiana sigara sy hiala amin'ny fandaniam-poana ateraky ny tranon-tsigara baoritra. Misy ihany koa ny fasiana tain-tsigara azo entina mandehandeha; Miezaha hividy iray ho entina amin'ny fetibe mba hialana amin'ny fanariana tain-tsigara eny rehetra eny [eny amin'ny tany]. Raha manary ny tain-tsigara ao anaty fanariam-pako ianao, dia manao izay hampiraikitra ny fako amin'ny gorodona.

Tandrovy ny tontolo iainana ary ankafizo ny tarika tianao indrindra ao amin'ny Vive Latino 2013!

Ao amin'ny Twitter, ny tenifahatry ny hetsika dia #VL13.

“Vive Latino”, amin'izao andiany faha-14 izao, dia hotontosaina ao Foro Sol (ao afovoany atsinanan'ny renivohitra Meksikana) ny 14, 15, 16 ary ny 17n'ny volana marsa amin'ity taona ity. Afa-mandray mpijery hatramin'ny 55.000 isan'andro anatontosana ny rindra-kira ny Toerana handraisana izany.

Tsy aritra: Nohamafisin'ny mpanomana tamin'ny alin'ny 13 Marsa fa nanafoana ny fandraisany anjara (noho ny antony ara-pahasalamana araka ny voalaza) ilay mpihira sady mpamoro-kira Britanika Morrissey, ka vokatr'izany ny hetsika rehetra nomanina ny andron'ny Alakamisy 14 marsa dia hampidirina amin'ny Zoma faha-15 n'ny volana. Raha te-hahita ny antsipirihany bebe kokoa dia tsidiho ny habaka ofisialin'ny“Vive Latino”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.