Tontolo Arabo: Fifidianana Izay Ho Papa, Setroka Fotsy

Niara-nitepo tamin'izao tontolo izao ireo Arabo mpisera anaty aterineto androany niandry vaovao mikasika izay ho Papa vaovao, izay hisolo toerana an'i Papa Benoit XVI.

Vantany vao nivoaka avy ao amin'ny Chapelle Sistine ny setroka fotsy, dia nivazivazy ilay Libaney Nada Akl :

@Nada_Akl: Fifidianana Izay Ho Papa, Setroka Fotsy

Ilay Libiana Ismael kosa nanontany hoe:

@ChangeInLibya: Betsaka be ny setroka fotsy nivoaka. Azonareo antoka ve fa ny vatom-pifidianana ihany ireo nodoran-dry zareo ireo? #Suspicious

Ilay Siriana Karl Sharro niteny hoe:

@KarleMarks: Indray mandeha indray, resin-dry zareo kardinaly isika. Vitan-dry zareo ny nifidy papa vaovao talohan'ny namoahantsika vazivazy iray mahatsikaiky momba ny papa.

Ary nivazivazy ilay Ejiptiana Alyaa Gad :

@AlyaaGad: Setroka fotsy avy ao amin'ny Chapelle Sistinemanambara fa nodoran'ireo kardinaly ny sakafon'izy ireo ary fotoana ankehitriny iarahan'ny rehetra. #Pope

Nilalao ankamantatra ihany koa ireo Arabo mpisera anaty aterineto mikasika ny anaran'izay ho papa vaovao, izay tsy mbola voambara tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity.

Asad Abukhalil, Amerikana metisy Libaney dia nanambara hoe [ar]:

تسرّب إسم البابا الجديد: جورج دبليو بوش. مبروك.


@asadabukhalil
: Tafaporotsaka ny anaran'ny papa vaovao: i George W. Bush. Arahabaina.

Ary nanamarika i Free Tunisian hoe :

فاليري سئلت عن هوية البابا الجديد فأجابت نازحة ” أكيد قطري … أنهم يشترون كل شيئ

@tounsiahourra: Valerie [mpamaky iray] nanontany ahy mikasika ny mombamomba ilay papa vaovao ka dia novaliako tamim-bazivazy hoe: “azo antoka fa ho Qatari. Voavidin-dry zareo ireo mantsy ny zavatra rehetra.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.