Mitohy Ireo Fandoroana Tena Any Tonizia

Ny 12 Martsa, nandoro ny tenany tany amin'ny arabe Habib Bourguiba tao Tunis, i Adel Khadri, lehilahy 27 taona mpivarotra sigara an-dalambe. Araka ireo nanatri-maso, nihoraka i Khadri hoe: “Ity ilay lehilahy tanora mivarotra sigara noho ny tsy fananan'asa,” alohan'ny nandoroany ny tenany. Nindaosin'ny fahafatesana androany maraina tany amin'ny toeram-pitsaboana ny may any Ben Arous i Khadri.

Mitatitra [fr] ny bilaogy iraisana Nawaat :

Le jeune vendeur à la sauvette qui, désespéré par ses conditions de vie, s’était immolé, est décédé mercredi à l’aube, dernière illustration en date des tensions sociales en Tunisie auxquelles le nouveau gouvernement devra faire face une fois investi. “Il est mort aujourd’hui à 5 h 30 du matin des suites de ses graves brûlures“, a dit Imed Touibi, le directeur du Centre des grands brûlés de Ben Arous (banlieue de Tunis) où le jeune homme de 27 ans, Adel Khadri, était hospitalisé.

Very fanantenana amin'ny toe-piainany, nindaosin'ny fahafatesana ny mangiran-dratsin'ny Alarobia teo ilay tanora mpivarotra an-dalambe nandoro ny tenany. Fanehoana farany ny fahenjanana ara-tsosialy ao Tonizia, izay tokony hatrehan'ny governemanta vaovao vantany vao mipetraka izy. “Maty androany maraina tamin'ny 5.30 noho ny halalin'ny fahamaizany izy”, hoy Imed Touibi talen'ny Toby Fitsaboana Ireo Tratran'ny Fahamaizana lalina ao amin'ny Ben Arous (zanabohitr'i Tunis), izay nitsaboana ilay tovolahy 27 taona.

Mitatitra [fr] ny isan'ireo fandoroana tena tany Tonizia ny tompon'ny bilaogy Massir Destin, izay manononona ny radio tsy miankina Mosaique FM:

Oh mon Dieu!!!
Le nombre d'immolations par le feu en Tunisie:
2 en 2010
91 en 2011
63 en 2012
11 en 2013
Source Mosaïque fm. Mais on n'a pas précisé le nombre de décès.

Andriamanitro ô!!! Ny isan'ireo fandoroana tena taty Tonizia:
2 tamin'ny 2010
91 tamin'ny 2011
63 tamin'ny 2012
11 tamin'ny 2013
Loharano: Mosaique FM. Fa tsy nitatitra ny isan'ireo maty izy ireo.

Emergency services arrive  at Habib Bourguiba Avenue to transfer Khadri to hospital. Image via Alqarra TV facebook page

Ny 17 Desambra 2010, i Mohamed Bouazizi, mpivarotra voankazo an-dalambe avy any Sidi Bouzid no nandoro ny tenany rehefa nohazonin'ny mpitandro filaminana ny entany. Namelona ny resaka rariny sosialy sy ireo hetsi-panoherana ho an'ny demokrasia tany Sidi Bouzid ary koa eraky ny firenena iray manontolo ity hetsiny noho ny fahaverezam-panantenany ity, izay nanery ny mpitondra mpanao didy jadona Zeine el Abidin Ben Ali handositra ho any Arabia Saodita 18 andro taty aoriana. Na izany aza, 24 volana taorian'ny nitsoahan'i Ben Ali, mbola mandalo fahasarotana ara-tsosialy sy toekarena goavana ihany i Tonizia, namafisin'ny krizy politika nohalalinin'ny famonoana ilay mpitarika ny mpanohitra Chokri Belaid ny 6 Febroary. Fiakaran'ny vidin'entana, salanisa 16.7% -n'ny tsy fisian'asa ary ny fahasamihafana eo amin'ny faritra no mamaritra ny fiainan'ireo Toniziana, indrindra ireo vondrona tsy manan-koraisina, vao mainka sarotra. Tsy ny olana ara-bola ihany no nianjady tamin'i Khadri, fa araka ny nambaran'ny rahalahiny [fr] dia nanana olana teo amin'ny lafiny fahasalaman'ny vavoniny ihany koa izy nefa tsy nanana vola hitsaboana tena.

Manoratra [fr] i Benoît Delmas, mpanao gazety mipetraka any Tunis:

Adel Khadri est-il mort pour rien ? La question semble indécente mais elle est suscitée par le silence politique qui a entouré l’annonce de cette immolation. Laquelle renvoie inévitablement au point de départ de la révolution tunisienne lorsque Mohamed Bouazizi, un vendeur à la sauvette de fruits et légumes, s’aspergea d’essence et s’immola à Sidi Bouzid, le 17 décembre 2010. Avant et après Bouazizi, d’autres cas similaires furent notés. La mort, au petit matin, d’Adel Khadri devrait interpeller toute la société tunisienne. Un pays qui n’offre aucun espoir à sa jeunesse est un pays qui s’étiole, s’effondre. Il ne s’agit pas d’exiger des remèdes miracles mais de demander à la classe politique, majorité ET opposition, de bien vouloir travailler pour le bien commun, l’intérêt national, le peuple. Les chicaneries politiciennes qui polluent toutes les vieilles démocraties ne sont pas d’une urgence absolue pour un pays qui vit librement depuis seulement deux ans et deux mois.

Dia ho tsy misy dikany ve no nahafaty an'i Adel Khadri? Mety ho kidaladala ilay fanontaniana, nefa vokatry ny fahanginan'ny mpanao politika izany, manoloana ny fanambarana ny fandoroany tena. Tsy azo ihodivirana ny famerenan'izany ny fanovàna Toniziana ho any amin'ny teboka fiaingàna, rehefa nameno lasantsy sy nandrehitra ny tenany i Mohamed Bouaziz, mpivarotra voankazo sy àna-maitso, ny 17 Desambra 2010. Taloha sy taorian'ny [fandoroan-tenan'i ] Bouazizi, tranga sahala amin'izany no voarakitra. Tokony ho antso ho an'ny fiaraha-monina Toniziana rehetra ny fahafatesan'i Adel Khadri tamin'ny mangiran-dratsy. Ny firenena izay tsy manome fanantenana ho an'ny tanora ao aminy, dia firenena mihamalazo sy mihamirodana. Tsy resaka fangatahana fanafody mahagaga izany, fa kosa antso ho an'ny sokajy politika, ny mpitondra SY ny mpanohitra, hiasa ho amin'izay mahasoa ny rehetra, ny tombotsoan'ny firenena sy ny vahoaka. Tsy zavatra maika ho an'ny firenena izay vao roa taona sy roa volana izao no niaina tanatin'ny fahalalahana , ireo firaisana tsikombakomba politika izay mandoto ny demokrasia taloha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.