Atahorana Ny Fisondrotam-bidin'ny Tapakila Noho Ny Nandravàn'i Shina Ny Ministeran'ny Fitaterana An-dalamby Novesaran-trosa

Nanapa-kevitra i Shina ny handrava ny ministeran'ny fitaterana an-dalamby matanjaka saingy bokan-trosa tao aminy mba hampakàrana ny fahafahan'ny governemanta miasa tsara sy hiadiana amin'ny kolikoly, hetsika iray izay ahiahian'ny maro amin'ireo Shinoa mpampiasa ny aterineto ho midika fisondrotam-bidin'ny tapakila atsy aoriana atsy.

Hivaky ho roa ilay ampihimamba goavana, ny fahefàna ara-pitantanana dia ho eo ambanin'ny Ministeran'ny Fitaterana. Orinasa iray kosa no hapetraka hampiodina ny raharaham-pitaterana ara-barotry ny lalamby Shinoa.

Namela trosa be mitentina 2.66 trillion yuan (420 lavitrisa dolara US ) ny Ministeran'ny Fitaterana an-dalamby, ary tsy mbola nanapa-kevitra ny amin'izay fomba ho entina miatrika izany ireo manampahefana, hoy i Wang Feng, tale lefitry ny Kaomitim-Pirenena Momba Ny Fanarenana ny Seha-Panjakana tamin'ny 11 Martsa 2013. Izay fanapahan-kevitra izay no “havela ho an'ny dingana manaraka,” hoy izy.

Efa ela ilay ministera no lasibatry ny fiampangàna azy ho manao kolikoly sy toerana anjakan'ny tantara ratsy. Tamin'ny 2011, niteraka tsy hafaliana tety anaty aterineto ny fifandonan'ny fiarandalamby roa haingam-pandeha. Tamin'ny 2012, nametra-panontaniana mikasika ilay tranonkala nampiasa loha azy ireo,  fanaovana famandrihana tapakila, ny Shinoa, izay nandanian'ny ministeran'ny fitaterana andalamby vola mitentina 300 tapitrisa yuan (47.8 tapitrisa dolara US) ny nanangànana azy, hatramin'ny fanaovana lahatsary fampahafantarana azy izay nandaniana 18.5 tapitrisa yuan (2.94 tapitrisa) ny famokarana azy.

Noharabain'ireo media Shinoa ny fandravàna ilay ministera. Nanao fanmarihana ny China Daily hoe:

China's state-owned Jiangsu TV  reports about the scrap of the railways ministry(A screenshot on youku)

Nitatitra momba ny fitaovana efa antitry ny Ministeran'ny Fitaterana andalamby ny televizionam-panjakana Jiangsu TV (dikasarin'ny fàfana youku)

Ilay drafitra vao avy navoaka ho fanta-bahoaka momba ny fanavaozana ireo masoivohon'ny Filankevi-Panjakana dia mety tsy ho midadasika sy handeha lalina araka ny niheveran'ny sasany azy, saingy na miaraka aminà sarintsarim-pifanarahana ‘fisoloan-toerana’ aza, dia efa mba hetsika mendrika ho arahabaina izany.

Na izany aza, niteraka [zh] firaradrarahanà valinteny tsy mahita afa-tsy ny lafiny ratsy ilay hetsika, tao amin'ny Sina Weibo, sehatra Shinoa malaza amin'ny fitorahana bilaogy kiritika. Maro no nanahy fa resaka fanondrotana vidinà tapakila amin'ny fiarandalamby io.  Iray amin'ireo mpampiasa tranonkala i “Su Qun” no nanoratra hoe [zh] :

苏群: 铁道部变成公司,对老百姓或许并不是什么好事。。。过去的问题只是买不到票,将来可能会变成买不起票。。。铁路寡头没有私营公司竞争,又有经营压力,就会想方设法把2万亿旧账转嫁到车票上。。。过去有行政铁笼,一没了束缚,就成森林之王,和石油公司一样。

Hivadika ho orinasa ny Ministeran'ny Fitaterana an-dalamby, izay zavatra tsy dia ho tsara loatra… Fahiny, ny olana dia hoe tsy afaka nahazo tapakila fotsiny isika, fa angamba amin'ny hoavy, mety tsy ho vitantsika  ny hividy iray amin'izany… Tsy hiatrika fifaninanana aminà orinasa tsy miankina ilay orisana hisahana ny fitaterana an-dalamby, nefa hiatrika tsindry ara-toekarena ry zareo. Hanandrana fomba samihafa ry zareo handefasana an'ilay trosa be 420 lavitrisa dolara ho any amin'ny tapakilan'ny fiarandalamby. Efa nahazatra an-dry zareo ny nifangaroharo tamin'ny mpitantana. Efa tantara sisa izany ankehitriny. Ry zareo izao no lasa mpanjakan'ny ala, tahaka ireo orinasan-tsolika ihany.

Nampiakoako izany i Laoxu  [zh]:

老徐时评: 铁道部最后一任部长盛光祖讲,票价是偏低的今后将按照市场规律办事。你们不是总嚷嚷要撤了铁道部吗,又一个牛 逼闪闪的垄断性国企即将诞生,从此将放开手脚去追逐市场利润…

Ny minisitra farany tao amin'ny Ministeran'ny Fitaterana An-dalamby, Sheng Guangzu, dia niteny fa ambany ny saran-dàlana. Amin'ny hoavy, hanitsy ny saran-dàlana hifanitsy amin'ny fepetran'ny tsena ry zareo. Ianareo ry zalahy no nitaky ny hitsaharan'ny Ministeran'ny Fitaterana An-dalamby; ankehitriny teraka ny ampihimamba mamiratry ny orinasam-panjakana. Atsy ho atsy dia horaofiny daholo ny tombontsoa eny amin'ny tsena…

“Wuyue Sanren” nikevitra [zh] fa tetika fotsiny ilay hetsika mba hanilihana ilay trosa be misavovon'ny ministera:

五岳散人: 铁道部被合并取消这事儿大概我算是明白了,这招叫做金蝉脱壳。一旦取消合并之后,是政治上、舆论上的负资产会消失,部委都没了,骂人都找不到主语;经济上市场化,抛掉债务转成商业行为,等于切割不良资产。高,真他妈高。

Takatro ny antony nandravàna ny Ministeran'ny Fitaterana an-dalamby. Io tetika io no antsoina hoe “fandosirana amin'ny tetika tsara rindra”. Vantany vao rava, hanjavona ireo fitakiana ara-politika sy avy amin'ny fanehoan-kevitry ny daholobe. Satria efa tsy eo intsony ny ministera, tsy misy na iza na iza hahita zavatra hokianina intsony. Ny fandraisana lalan-jotra mitodika amin'ny tsena sy fametrahana ny trosa ho andraikitry ny orinasam-barotra iray dia mitovy amin'ny famotipotehana ireo renivola tsy mamokatra. Tetika tena mampihaiky io.

Lu Zhengwei, mpahay toekarena, dia nanamafy [zh] ihany koa fa ny trosa midangana dia hery manosika ho amin'ny fanavaozana:

鲁政委: 铁道部已成历史,有关部门誓言市场化改革,所有这一切的推手,其实是高负债使 然:"甩包袱""嫁丑女"一直是中国30多年来的改革推进逻辑。那么,让下个十年的政府改革动力,预计也只能来自财政赤字的爆棚。还是20世纪初的熊彼特 有远见:财政,是理解一切制度变迁的关键。

Hery manosika ho amin'ny fanavaozana ny Ministeran'ny Fitaterana an-dalamby ny trosa miavosa. Nanjary tantara be ny Ministeran'ny Fitaterana an-dalamby. Voatery tsy maintsy miditra amin'ny fanavaozana mitodika amin'ny tsena ireo departemanta voakasika, ka ny rehetra amin'izany dia natosiky ny trosa miavosa avokoa. “Manambadia vehivavy ratsy tarehy” no lojika tao ambadik'ilay fanavaozana nandritra ny 30 taona. Noho izany, ny hery manosika ny fanavaozana ny governemanta ato anatin'ny folo taona ho avy dia andrandraina ihany koa ho avy amin'ny fipatitahan'ny fatiantoky ny fitantanam-bola. Tahaka an'i Joseph Alois Schumpeter [mpahay toekarena] tany am-piandohan'ny taonjato faha-20 ihany, izay niteny hoe : ny Fitantanam-bola no fanalahidin'ny fahatakarana ny fiovan-drafitra rehetra.

Xiao Feng, mpanao gazety ao amin'ny New Weekly [zh] no namintina hoe [zh] :

肖锋 : 新铁路总公司背2.6万亿巨债,势将宣布新一轮涨价。这应和了“改革=涨价”的老路子。以改革之名,行涨价之实,医改如此,教改如此,房改如此,撤并铁道部亦如此。如此如此。

Hibaby trosa goavana mitentina 2.66 trillion yuan(420 lavitrisa dolara US ) ilay orinasam-pitaterana an-dalamby vaovao, izay hitondra mankany amin'ny fisondrotan'ny vidin'ny tapakila. Io no endrika tranainy indrindra amin'ny  “fanavaozana = fanondrotam-bidy”. Amin'ny anaran'ny fanavaozana, ny tena raharaha dia ny fisondrotam-bidy, tahaka izay ny fanavaozana ny resaka fitsaboana, ny fanabeazana ary ny trano fonenana. Tsy misy hafa amin'izay koa ny fanaparitahana ny Ministeran'ny Fitaterana an-dalamby.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.