Tokony Havela Ho Ara-Dalàna Ve Ny Toaka Any Libya?

Miady hevitra amin'ny tokony hamelana ho ara-dalàna ny toaka na tsia ao amin'ny fireneny ny mpiserasera Libyana – taorian'ny nahitana fa mihoatra ny 50 ny olona matin'ny toaka vita tao an-toerana efa simban'ny methane. Mbola misy olona hafa mihoatra ny 470 ihany koa no nampidirina hopitaly hotsaboana, ka nampafana ny adi-hevitra amin'ny tokony hanesorana ny fandrarana ny toaka hampanara-dalàna azy, mba hahafahana misoroka ny voina tahaka izao mbola hitranga.

Samy voarara avokoa na ny fisotroana na ny fivarotana toaka ao Libya fa misy fangaro vita ao an-toerana antsoina hoe bokha amidy any amin'ny varo-maizina. Araka ny Libya Herald:

Instances of people dying as a result of drinking bokha, often distilled from figs, or being blinded are not uncommon although rarely reported. There were several deaths last year.

Bokha is sometimes laced with methanol to increase its alcoholic content.

Tsy zava-tsy mahazatra na dia vitsy mitatitra aza ny fandrenesana olona matin'ny bokha, izay matetika voatanika avy amin'ny aviavy, na lasa jamba. Efa maro no maty tamin'ny herintaona.

Nampiana methanol matetika ny Bokha mba hampiakatra ny daozin'ny alikaola ao aminy.

Ao amin'ny Twitter i Khadija Ali no manoratra [ar]:

إذا كان هناك أي شيء لنتعلمه من الحوادث المثيرة للقلق مع الكحول هو أننا لا يمكن أن نستمر في الهروب من مشاكلنا #ليبيا

@KhadijaMAli: Raha misy ny zavatra tokony hakantsika lesona avy amin'ny voina izay miteraka adi-hevitra momba ny alikaola dia tsy afaka ny handositra amin'ny olantsika intsony isika

Hoy i Nairouz:

كارثة التسمم والموت بسبب الكحول كارثه وطنية دفع ثمنها الغالي شباب وشابات فى مقتبل العمر #ليبيا

@Rouznai: Loza eo amin'ny firenena zakain'ny tanora lahy sy vavy ny fanapoizinan'ny toaka sy ny fahafatesana avy amin'izany

Manampy i Mohamed Mesrati:

@MohamedMesrati: Among people who died by the poisoned alcohol in #Libya rebels fought against Gaddafi during the revolution! Shame!

Ao anatin'ny olona voapoizin'ny toaka sy matin'izany ny mpioko niady tamin'i Gaddafi nandritra ny revolisiona! mahamenatra!

Amin'ny resaka an-tserasera milaza fa tsy mifanaraka amin'ny lalàna Islamika ny fisian'ny dokotera sasantsasany mandà hitsabo marary vokatry ny fisotroan-toaka – ary mendrika ny ho faty ireo nisotro toaka. Momba izany resaka izany dia izao no filazan'i Mojahed Bosify:

الاطباء الذين رفضوا معالجة متسممي الكحول هم اطباء الموت وعار على المهنة ويجب فصلهم طال الزمن او قصر..#ليبيا #طرابلس #كحول

@mojahedbosify: Dokoteran'ny fahafatesana sy henatra amin'ny asany ny dokotera mandà tsy hitsabo ny marary voapoizin'ny toaka. Tokony horoahana ireny

Nanokatra kapoaka feno kankana i Rana Jawad raha nanontany hoe:

@Rana_J01: Is it time / is there social&political willingness to openly discuss alcohol consumption in #Libya? Wld legalising prevent deaths? Discuss..

Izao ve ny fotoana/ misy ve ny fahazotoana ara-politika sy sosialy hiresahana malalaka ny momba ny fisotrioana toaka eto Libya? Mety isorohana ny fisian'ny fahafatesana ve ny fampanarahan-dalàna azy? Alefaso ny adi-hevitra..

Izay novalian'i Suilman Ali Zway:

@ILPADRINO0: The Hypocrisy (whether it was religious or social) of our society will prevent us from having an honest open debate about the matter

Ny fihatsarambelatsihy (na ara-piarahamonina na ara-pivavahana) eo amin'ny mpiara-belona amintsika no tsy hahafahana miresaka amin-kitsimpo momba izany lohahevitra izany

Sy hanazavan'i Mohamed Eljarh:

@Eljarh: Majority in #Libya will refuse any form of legalization of alcohol consumption in #Libya even those who consume it & have always done.

Handà ny endrika rehetra fampanarahan-dalàna ny fisotroana toaka ny ankamaroan'ny olona eto #Libya eny fa na dia izay misotro azy sy efa nisotro izany matetika aza

Manolotra vahaolana i Omar Mukhtar:

@Libyan_Republic: Legalize alcohol. tax it and put these criminals out of business.

Ataovy ara-dalàna io. Asio hetra io fa ho very ny asan'ireo jiolahy ireo

Ny jiolahy lazainy amin'io siokany io dia ireo mpamokatra sy ireo mpaninjara (mpivezivezy mivarotra) ireo toaka bokha namboarina tao an-toerana.

Vakinteny lalina kokoa:

Namoaka lahatsoratra mizara toa momba ny toaka i Mohamed Mesrati tamin'ny volana lasa teo tao amin'ny gazety an-tserasera amin'ny teny Arabika  Al Kaf, izay hita ato sy ato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.