Tohana Ara-Miaramila Maleziana Hanafihana Ireo ‘Mpampihorohoro’ Ao Sabah

Lehilahy marobe avy any Filipina, mirongo fiadiana, no niditra avy any atsinanan'ny fanjakan'ny Sabah ao Malezia, ao Borneo ny 9 Febroary 2013 teo. Ampahany avy amin'ny ‘royal army’ izy ireo - tafik'ilay nisora-tena ho Soltana ao Sulu, Jamalul Kiram III, izay milaza fa mpandova ny satroboninahitra maha-soltana ao Sulu.

Hatramin'io, lasa olana ara-politika sy diplaomatika ny raharaha ho an'i Malezia sy Filipina, noho ny fisian'ny fifampitifirana niteraka faty olona teo amin'ny mpitandro filaminana Maleziana sy ireo mpihoko. Tanaty fampitam-baovao ho an'ny gazety, nilaza ny Minisitra Maleziana misahana ny Raharaham-Bahiny fa ‘raisin'i Malezia ho toy ny mpampihorohoro ity vondrona ity taorian'ny habibiana sy herisetra nataony namonoana ireo olon'ny tafika Maleziana, roa tao Lahad Datu ary enina tao Semporna, Sabah.’ Nangataka fampitsarahana ny ady ireo mpihoko, saingy nolavin'ny Praiminisitra Najib Razak, izay nitaky azy ireo hitolo-batana tsy arahana fepetra.

Map of Sabah and the standoff in Lahad Datu. Photo from Wikipedia

Sarintanin'ny Sabah sy ny lalan-tsokina ao Lahad Datu. sary avy ao amin'ny Wikipedia

Hentitra ny tenin'ny Maleziana momba ilay olana, amin'ny fiaraha-mijoro amin'ny faniriany hanosika ireo mpanani-bohitra ho any ivelan'ny fireneny, toa an'i Jan:

Taninay ity, fiandriananay ary ny maha-izahay anay. Voalohany dia namono ireo mpanao asa fanompoam-pirenena teto aminay ireo mpanani-bohitra raha mba tsara fanahy taminareo ihany ny governemantanay hatrizay. Fetr'andro roa no nomena ary dia niziriziry nanao di-doha ihany ianareo. Tohanako ny fanapahankevitry ny Praiminisitro hamotika azy ireo amin'ny herinay rehetra. Tsy mpanindrahindra an'i Najib na nifidy ho an'ny antokony aho, saingy izy no PM-ko ary tohanako ny fanapahankeviny momba ity olana ity. Ary ninoa aho fa maro tamin'ny Maleziana, raha tsy izy rehetra mihitsy aza angamba, no nanohana ny fanapahankeviny, tsy ijerena resaka antoko politika

Lim Kit Siang, politisiana avy amin'ny mpanohitra, dia niantso ny Maleziana rehetra hjoro hanohana ny fomba fandraisan'ny Praminisitra an-tànana ilay olana:

Mendrika ny fanohanan'ny Maleziana rehetra ny fijoroan'ny Praiminisitra Datuk Seri Najib Razak amin'ny tokony hilavoan'ireo mpiadin'i Sulu lefona tsy arahana fepetra.

Ny Maleziana rehetra, avy amin'ny foko rehetra, ny finoana, faritra na fironana politika rehetra no miray feo amin'ny fanomezana fanohanana feno amin'izay fepetra rehetra ilain'ny governemanta sy ny mpitandro filaminana hamaranana ity iray volana lavabe niadiana tamin'ny mpihokon'ny Sulu ity.

Monyet King fa tena mba efa ampy izay ny fanehoana fandeferana, sady nidera ny tafika Maleziana mitam-piadiana:

Firenena nandray fanabeazana isika ary tamin'ny fomba matianina tanteraka no nanaovan'ny miaramilantsika ny asany. Medrika ho deraina ny fandeferana naseho nandritra ny roa herinandro voalohany. Nanao izay nety ry zareo. Raha tokony hihazakazaka hitifitra ireo “mpanani-bohitra”, nomeny fotoana ampy tsara ireo mpanani-bohitra mba handao na hitsahatra. Raha takatrareo ny tantara sy ny toe-draharaha sosialy sy politika any amin'ny fari-dranomasina Sulu sy Celebes, dia ho fantatrareo fa sarotra kokoa ny teo-draharaha mampifandrirotra mandritra ny fotoana maharitra. Tsy vahaolana tsara indrindra ny fitifirana olona. Na dia manome tsiny ny miaramilantsika ho “modaka loatra” aza ny Maleziana maro, nanao ny mety ry zareo tamin'ny nidirany tamin'ny resaka diplaomatika aloha. Rehefa tsy nahomby ny ara-diplaomatika, vao namoaka ny resaka fmpiasana hery ry zareo.

Mahabe resaka manokana ilay olana satria isan-taona dia mandoa vola be tsy hita noanoa amin'ireo mpandova ny maha-Soltana ao Sulu ny governemanta Maleziana, fandoavam-bola raisiny ho toy ny ampahany fandoa tsikelikely amin'ny vidin'ny ao Sabah, raha ireto mpandova indray mihevitra izany ho toy ny hofany. Filipina koa mitaky fizakana ny tanin'i Sabah.

The Nutbox dia manamafy fa tokony hohenoina ireo eritreritry ny vahoaka ao Sabah:

Tsy hoe ampahan-tany kely aminà tanin'olon-tsotra i Sabah fa faritany izay anana'ireo mponina ao zo ny mamaritra ny hoaviny. Raha toa ny Kaomisiona eo ambany fiahian'ny Firenena Mikambana nahita hoe satria naniry ho ampahan-tany ao anatin'i Malezia (toy ny federasiona iray) ireo vahoaka ao Sabah tamin'ny 1963, dia tokony ho hampametra-panontaniana ny governemanta Filipiana sy Indoneziana izany, ny zava-misy dia mbola mijanona hatrany ho safidin'i Sabah ny ho ao anatin'ny federasiona Malezia-Singapore-Sarawak ary na ny vahoaka ao Sabah aza amin'izao fotoana dia mihevitra ny tenany bebe kokoa ho, na Sabahans (entina milaza ny olona avy ao Sabah), na Maleziana fa tsy hoe Filipiana na Sulu.

Tao amin'ny Twitter, marobe ny Maleziana naneho hevitra tahakahaka an'izay :

@nazerim Na eo aza ny tsy fahombiazana tsinjo amin'ireo politisiana, matoky 100% ny miaramilantska aho amin'ny famahàna ity olan'ny fananiham-bohitra eto Sabah ity

@LisaSurihani Tena mahatezitra mafy ireo zava-mitranga mampivarahontsana ao Sabah. Ny tsy firaharahiana sivily amin'ny fampiasàna fitaovam-piadiana mavesatra sy ny fandatsahan-drà. Ho anao ireo vavaka asandratro ry Sabah :'(

@ernamh Manana tahirin'entona maherin'ny 12.000 lavitrisa metatra torateo i Sabah. Dia ianao manontany ny antony mahatonga ny fianakaviana Kiram & Filipina hahita ilay faritra ho manintona ve?

@kawansetia Mila mahafantatra i Jamalul Kiram III fa tsy ilainay ny fampitsaharana ny fifampitifirana. Ny tianay dia ny hivoahan'ireo Sulu mpanao asa fampihorohoroana ireo hiala lavitra an'i Sabah #LahadDatu

@fadzmie Mitsabaka aty amin'ny firenena ve ianao dia ankehitriny ianao indray no hitny fepetra? Hoy ry zareo aty Sabah hoe Palui Kau Ini.

@syahredzan Tena tsy misy mihitsy marika milaza fa te-hofehezin'i Kiram III na i Filipina ny vahoakan'i Sabah. Noho izany, amiko, izay no izy.

@AnasZubedy 1Malaysia (Malezia-tokana) dia midika fa raha misy lafy iray, na kely aza, tafihan'ny ratsy saina, ny firenena iray manontolo no ho tonga hiaro azy. Dari Perlis hingga ke Sabah 🙂

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.