Vehivavy Voalohany Indrindra Mpanao Politika, Mpanao Lalàna Mitoraka Bilaogy Ao Kambodza

Ho fankalazana ny Andron'ny Vehivavy Erantany amin'ity taona ity, ndeha hitafa amin’ Mu Sochua, vehivavy voalohany indrindra voafidy ho ao anatin'ny Parlemantan’ i Kambodza ary iray amin'ireo mpanao politika vitsy dia vitsy any Kambodza mampiasa tsy an-kiato ny media sosialy.

Misolo vava ny fanaovana ny olan'ireo vehivavy ho laharam-pahamehana  amin'ny fanaovan-dalàna i Sochua ary mpanakiana fanta-daza ny governemantan'ny Praiminisitra Hun Sen.

Raha ny marina, miatrika fanenjehan'ny governemanta izy ankehitriny noho ny fanambaràny tamin'ny 2009 izay nilazany fa hiampanga ny Praiminisitra noho ny fampiasany teny mandratra sy mandrahona taminy tanatin'ny fanambaràna nataony nandritra ny fitsidihany ny faritr'i Kampot tany Atsimo-andrefan'i Kambodza ny tenany. Kampot dia faritra parlemanteran'i Sochua. Na izany aza, nolavin'ny fitsaràna ny raharahany raha nekena kosa ny raharaha nampiakarin'ny mpifandrafy aminy. Mety hiatrika fitanana an-tranomaizina izy raha eken'ny Fitsarana Avo ny fanalany baraka ny Praiminisitra tamin'ny fitsikerany azy.

Mu Sochua was meeting women at a community meeting in a provincial area of Cambodia. Photo taken from Sochua Mu Facebook page.

Mu Sochua tanatin'ny fihaonana tamin'ny vondrom-piarahamonin'ireo vehivavy ao amin'ny iray amin'ireo faritr'i Kambodza. Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebook-n'i Sochua Mu.

Na dia eo aza ny raharaham-pitsarana azy, mbola manohy ireo tanjona politikany izy ary matoky ny fitomboan'ireo mpampiasa aterineto sy ny fiakaran'ny mediam-bahoaka izay heveriny fa hitondra hevi-baovao sy fijery vaovao eo amin'ny lafiny politika. Tamin'ny alalan'ny fanadihadiana amin'ny mailaka, nizara ny fomba fijeriny mikasika ny politika sy ny media sosialy i Sochua.

1. Inona no nandrisika anao hanao politika?

Taorian'ny nahenoako ny Vadin'ny Filoha tamin'izany fotoana, Hillary Clinton niresaka momba ny “zon'ny vehivavy amin'ny maha-zon'olombelona” sy ny hery ilain'ny vehivavy entiny mitondra fiovàna mivaingana sy mifanome hery amin'ny filàn'ireo vehivavy hitàna fahefana sy ho tonga mpanao politika.  Izany dia nandritra ny Fivoriambe Eran-tany faha-4 Momba ny Vehivavy. Rehefa niverina avy any Beijing aho, nomena ny toeran'ny Mpanolotsaina ny Praiministra voalohany aho. Teo no nanombohako nirotsaka tanatin'ny antoko politika ary hatramin'izay dia mavitrika foana anatin'ny antoko politika.

2. Nanomboka oviana ianao no nitoraka bilaogy? Ahoana no hitsinjaranao ny fotoananao?

Tamin'ny Facebook sy ny fananako ny bilaogiko manokana, 2 taona lasa izay. Taty aoriana kely vao nisy ny Twitter. Eo amin'ny 2 ora isanandro eo aho ny fotoana laniko ao amin'ny media sosialy ary manao izany ho 95% an'ny fotoanako satria heveriko fa zava-dehibe izany hifaneraserana mivantana amin'ny mpankafy sy ny namana. Heveriko ihany koa fa fomba matotra hifaneraserana izany satria raisiko ho raharaha manokana ny politika. Matetika aho mikaroka momba ireo fotokevitra resahako. Indraindray aho maka ny sariko manokana.

3. Ianao irery no mpanao politika mihazona bilaogy any Kambodza. Inona no nandresy lahatra anao hitoraka bilaogy?

Noho ny fahalianako amin'ny fifandraisana, amin'ny famakiana, amin'ny fanoratana ary amin'ny fitiavako te-hahalala bebe kokoa. Ary mazava ho azy, ny fitiavako hahazo vato sy hahazo dokam-barotra ary fanohanana ho an'ny sehatry ny antokoko.

4. Misondrotra ny fampiasàna media sosialy any Kambodza. Ahoana ny fomba handraisan'ny media sosialy anjara eo amin'ny asa politikanao?

Tanora ny mpamaky ary tena manan-danja be izany, sady manana fahafahana hitondra fomba fijery vaovao eo amin'ny politika sy ny fivoarana ny tanora. Mahazo dòm-berina sy valinteny tsara avy amin'ireo tanora aho ary indrindra fa ireo tanora aty an-toerana. Tena valin-kasasarana tsara izany ary mampifofotra. Heveiko fa fizotra demokratika izany, misokatra sy malalaka lavitry ny tahotra sy ny fanalam-baraka. Nefa mahazo mailaka feno fankahalana ihany koa aho ary indraindray tena mirongatra sy ahitana fiampangana diso, nefa izany no tokony handrasan'ny olona mijoro manoloana ny vahoaka.

5. Ahoana no hanindrin'ny media sosialy ny politika ao Kambodza? 

Mitombo isanandro izany. Manantena hahita vehivavy namana sy mpankafy maro hafa aho. Mpanao politika fanta-daza aho ary ho an'ireo namana sy mpankafy, ny firesahana amiko dia fambara iray fa miova ny politika. Mitondra hevi-baovao, fomba fijery hafa ny media sosialy satria natao ho an'ny fivoarana izy. Mitondra fahasamihafana sy hanery antsika handefitra ireo hevitra betsaka kokoa, fomba fijery hafa, ary fahasamihafana maro. Izay samy tsara daholo ho an'i Kambodza.

6. Aiza no ahitanao ny tenanao afaka dimy taona?

Mbola ao anatin'ny politika ary antenaina ho eo amin'ny toeran'olon-kendry kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.