Misaona ny Mpanoratra Frantsay Stéphane Hessel ny Mafana fo Eran-tany

Nodimandry tamin'ny alin'ny 26 Febroary 2013 lasa teo ny mpanoratra, mpisolovavan'ny zon'olombelona, sady mpitolon'ny Fiaretana (“résistance”) Frantsay, Stéphane Hessel, nanome aingam-panahy tamin'ny fahadisoam-panantenan'i  Eoropa sy Etazonia ka nitarika ho amin'ny fikarakarana fanoherana ny bokiny nahalafosana betsaka indrindra sy haingana mikasika ny fanandratana ny fandriampahalemana. 95 taona izy izao.

Tonga fanta-daza eran-tany i Hessel tamin'ny famoahana tamin'ny 2010 ny bokikely “Indignez-vous!” (Fotoan'ny fahatezerana!), izay niparitaka haingana – nahalafo dika 4,5 tapitrisa tamina firenena 35 isan'izany i Sina ary nadika tamin'ny teny 34 izany. Nanjary fototry ny fanoherana eran-tany ny hetsika, isan'izany ny Hetsiky ny hatezerana tany Espana sy ny hetsika Bodoy maneran-tany.

Taorian'ny vaovao mikasika ny nahafatesany, olona maherin'ny 500 no naneho fanajana azy tao amin'ny Place de la Bastille any Paris. Diaben'ny fandriampahalemana no nomanina ny 7 Martsa 2013, ny andron'ny nandevenana azy.

Lehilahy izay milaza zavatra mavesa-danja amin'ny teny tsotra, nitady ny hanapariahana ny fisainana tsara ho amin'ny sokajin-taona tsy misy nofinofy i Hessel. Tena ilay endrika Eoropeana ireny mihitsy izy, hatramin'ny nahaterahany tany Berlin, ny fahazazany tany Paris, ary hatramin'ny ny fitsidihana farany Eoropeana nataony nanolotra sy nitsikera ny bokiny “Fotoanan'ny hatezerana”. Nilaza i Hessel fa hitany ny dikan'ny hoe maha Eoropeana tao amin'ny Fonjabe ankalamanjana tao Buchenwald, izay nandefasana azy tamin'ny 1944 noho ny hetsika fanoherana:

Cette expérience m’a ouvert politiquement. Nous étions là, solidaires, à partager un douloureux quotidien entre des milliers d’Européens. Il y avait là un brassage, une génération qui a inventé un monde nouveau dans son opposition au nazisme.

Nanaitra ahy teo amin'ny lafiny ara-politika ity traikefa ity. Anjatony maro izahay, samy Eoropeana, no nizara fijaliana mavesatra sy nifanohana. Fifangaroana maro no tao, sokajin-taona izay nanangana tontolo vaovao noho ny fanoherana ny Nazisma.

Nankalaza an'i Hessel ny mpampiasa aternieto eo amin'ny pejy FacebookPar millions rendons hommage à Stéphane Hessel” (Iray tapitrisa maneho fanajana an'i Hessel).

Nanjary lasa masoivoho niaraka tamin'ny Firenena Mikambana izy, ary niasa tamin'ny fanampiana ny fampandrosoana, nanao ny ady hoan'ny zon'olombelona ny tolona ataony isan'andro. Fa taorian'ny fisotroan-drononony tamin'ny taona 1983 no niady ny ady lehibe sy goavana indrindra izy. Voaantso hiaro ny zon'ny vahiny tsy manan-taratasy any Frantsa izy tamin'ny taonan'ny 1990, nahasarika ny saina izy noho ny fiarovany ny fahafahan'ny vahoaka hamaritra ny fahafaha-manapa-kevitra ho aviny, teo amin'ny Sahrawi sy ny Palestiniana. Nanazava ny fomba fijeriny [fr] tamin'ny Gazety boky Philosophie izy:

J’ai le sentiment d’appartenir à l’histoire des Juifs, d’autant que la Shoah m’a touché de près. Je me suis enthousiasmé pour le sionisme et la création d’Israël. Mais je ne partage pas le repli d’une partie de la communauté juive. Je déteste l’entre-soi communautariste. Depuis 1967, je refuse la politique de colonisation et de territoires occupés par Israël. Gaza est une prison à ciel ouvert.

Tsapako ho ao anatin'ny tantaran'ny Jiosy aho, indrindra fa tena nahatohina ahy manokana ny Shoah. Nazoto aho mikasika ny Zionisma sy ny fananganana an'i Isiraely. Fa tsy miandany ny fihetsika mikombona anatin'ireo fiarahamonina Jiosy sasany kosa aho. Mankahala ny fitokana-monina tsy mifantoka afa-tsy amin'ny tenany ihany aho. Nitsipaka ny politikan'ny fanandevozana sy ny fakana an-keriny ny tanànan'Isiraely aho hatramin'ny 1967. Lasa fonja tafo lanitra i Gaza.

Ankehitriny, nahazo tsikera henjana taorian'ny nahafatesany  avy amin'ny Solontenan'ny mpanolo-tsainan'ny Rafitry ny Jiosy any Frantsa ny fomba fijeriny manohana ny Palestiniana [fr].

Nosoratany tamin'ny 2010 ny “Fotoanan'ny Hatezerana!”, bokikely misy pejy 32 manandratra ny firohotana tsy misy herisetra, izay nanjary loharanon'ny aingam-panahin'ny mahery fo aman'hetsiny maneran-tany [fr]:

Aussi, appelons-nous toujours à une véritable insurrection pacifique contre les moyens de communication de masse qui ne proposent comme horizon pour notre jeunesse que la consommation de masse, le mépris des plus faibles et de la culture, l'amnésie généralisée et la compétition à outrance de tous contre tous. A ceux et celles qui feront le XXI ème siècle, nous disons avec notre affection : CRÉER, C'EST RÉSISTER. RÉSISTER C'EST CRÉER.

Noho izany, andeha isika rehetra hanohana ny tena firohotana marina amim-pilaminana hanohitra ireo haino aman-jery, izay manolotra ny tanorantsika ny ambangovangon-javatra fotsiny, fankahalana ny osa sy ny kolotsaina, tsy fahatongavan-tsaina hoan'ny rehetra ary fifaninanana tsy misy indra fo miteraka ny fankahalana ny olon-drehetra. Hoan'ireo izay andeha hanangana ny taonjato faha21, no ilazantsika, miaraka amin'ny fo feno fitiavana: NY FANANGANANA DIA NY FAHARETANA. NY FAHARETANA DIA NY FANANGANANA.

Nihevitra i Hessel fa tokony hanosika ny tenany ho amin'ny tsaratsara kokoa ny fiarahamonina. Tamin'ny Desambra 2010, nilaza tamin'ny Le Monde des Religions (Tontolon'ny Finoana) [fr] izy hoe:

Nous ne sommes nous-mêmes que lorsque nous essayons de nous dépasser, lorsque nous ne nous contentons pas de l’acquis.

Tena maneho ny mahaisika antsika isika rehefa miezaka ny manao mihoatra ny vitantsika, rehefa tsy afapo amin'izay efa vitantsika isika.

Hain'i Hessel tsara ny fironan'ny sokajin-taona tanora ara-tsosialy sy ara-pisainana ary ny lalana tsara sokafan'ny fitaovana maoderin'ny fifaneraserana sy ny fampahalalam-baovao. Ny mety hahafahan'ny tanora mahery fo hanambatra ny firohotany [fr] no zavatra hitany:


Je constate avec plaisir qu’au cours des dernières décennies se sont multipliés les organisations non gouvernementales, les mouvements sociaux […] qui sont agissants et performants. Il est évident que pour être efficace aujourd’hui, il faut agir en réseau, profiter de tous les moyens modernes de communication.

Faly aho mahita hoe taorian'izay taompolo maro izay, maro ireo Fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana sy ireo hetsika sosialy no mihetsika sy mahomby […] Amin'izao fotoana izao, toa hita mazava ihany hoe raha te-hahomby isika dia mila mifandray ary tena mampiasa tsara ireo fitaovana rehetra amin'ny fifaneraserana.

Ary nanomboka hatreo, niantso ny tenany hoe “Ireo niharan'ny tsy rariny” ireo mpanao fihetsiketsehana any Frantsa, Espaina, Gresy, Italia ary Portiogaly, ary ho an'i New York kosa ny Occupy Wall Street dia mifanaraka amin'ny soratr'i Hessel. Nahita toerana manan-danja ihany koa ilay bokikely tao amin'ny firohotana vao tsy ela akory izay manohitra ny fitondrana didy jadona ao amin'ny tontolo Arabo.

Manome voninahitra an'i Hessel ny lahatsary napetraka tao amin'ny YouTube tamin'ny 27 Febroary 2013, miaraka ny famakiana ny antsony ho an'ireo sokajin-taonan'ny tanora amin'ny teny Anglisy, Frantsay, ary Alemana miaraka amin'ny lahatsarin'ny fihetsiketsehana manerana an'i Eoropa:

Any Espaina, nametaka anaran-diso an'i Hessel hoe “rain'” ny hetsika 15-M ny sasany, toerana izay nindraman'ny bokiny anarana, laza, ary vaovaon'ny haino aman-jery hoan'ny mahery foa izany mitondra ny anarana hoe “Los Indignados“. Mitsikera [es] ny rohy misy eo amin'i Hessel sy ny hetsika 15-M i Juan-Luis Sanchez:

La aportación más importante de Hessel al 15-M fue la de transmitir, con su edad y trayectoria política, un tipo de credibilidad que los grandes medios necesitaban para poder hablar de las movilizaciones en calle sin sentir que daban voz a lo que caricaturizaban como un latido antisistema. […] Su palabra, “indignación“, fue un regalo: un ejemplo perfecto para la nada y el todo a la vez. Para esa militancia inclusiva que usaba términos que no dejaran a nadie fuera.

Toy izao ny fandraisan'anjaran'i Stephane Hessel amin'ny hetsika 15-M, noho ny taonany sy ny hoavin'ny asany ara-politika, dia nomeny fahalalahana ny haino aman-jery foibe, mba hiteny mikasika ny ny hetsiky ny vahoaka nefa tsy hanana ny eritreritra hoe manome lanja ny zavatra ataony an-tsary mikasika ny onjan'ny fihetseham-po eo amin'ny fanoherana ny rafitra misy […] fanomezana ny teny hoe “hatezerana” : ohatra tena raitra mikasika ny zavatra rehetra sy ny tsy misy indray miaraka, ho an'ity hetsika miavaka ity izay mampiasa ny teny tsy mamela ny rehetra hilamindamina.

Antsoin'ny gazety boky Alemana diesseits.de hoe “ray ideolojikan'” ny fanoherana eran-tany ao amin'ny lohateny izy [de]:

Der 95-jährige Stéphane Hessel war der ideologische Vater der demokratischen Aufstände weltweit. Von Arabellion bis Occupy Wallstreet kamen die Menschen seiner Aufforderung nach Entrüstung und Einmischung

Tamin’ izy 95 taona, ray ideolojikan'ny fiokona fanohanana ny demokrasia izay nanetsika izao tontolo izao i Stephane Hessel. Hatrany amin'ny Lohataona Arabo ka hatrany amin'ny Bodoy Wall Street, namaly ny antsony avokoa ny olona ho amin'ny fitroarana sy  ny harisika amin'izany resaka izany.

Hommage des Indignés à Marseille- Photo anonyme partagée sur facebook Par millions rendons hommage à Stéphane Hessel

Fanajana ho an'ny “Iharan'ny tsy rariny” any Marseille. Sary nozaraina teo amin'ny pejy Facebook Iray tapitrisa maneho fanajana an'i Stéphane Hessel

Manoratra eo amin'ny bilaoginy [fr] iALL JUX :

Stéphane Hessel a réveillé l'esprit critique, le sens humain et la raison. Il a encore su initier le mouvement d'indignation politique qui se répand sur les continents en publiant un tout petit livre par le nombre de ses pages mais d'une puissance sans mesure par la portée de ses propos.

Nanaitra ny fisainana mpandinika i Stéphane Hessel, ny retsi-tsinapan'ny olombelona, ary ny fihevitra. Nametraka ny hetsika eran-tany mikasika ny tsy fankatoavana ara-politika ihany koa izy, tamin'ny alalan'ny famoahana boky: boky tena kely amin'ny havitsian'ny pejy, nefa manana nagovo mahery vaika ahitana vokany tsy azo refesina ny teniny.

Namaritra ny antony tokony hihainoana an'i Hessel ny Portiogezy Helena Araujo ao amin'ny bilaoginy 2 dedos de conversa [pt]:

Indignez-vous! Engagez-vous! – é a consciência do século XX que nos fala, a voz de um homem livre que atravessou o pior e o melhor que o século passado nos legou”

Mitezera! ary mirotsaha! – miteny amintsika ny feon'ny fieritreretan'ny taonjato faha20, ny feon'ny lehilahy afaka izay niaina tanatin'ny tsara indrindra sy ny ratsy indrindra nandritra ny taonjato izay nolovaintsika.

Rassemblement en mémoire de Stéphane Hessel à Bastille (Paris) le 27/02/2013- Photo de Célia Bonnin pour Par millions rendons hommage à Stéphane Hessel

Fitangoronana ho fahatsiarovana an'i Stéphane Hessel ao Bastille (Paris) tamin'ny 27/02/2013- Sary avy amin'i Célia Bonnin ho an'ny pejy facebok Iray tapitrisa ho fanajana feno an'i Stéphane Hessel

Maneho fisaorana i Rüdiger Bender eo amin'ny pejy Facebook Par millions rendons hommage à Stéphane Hessel [fr] (an-tapitrisa maneho fanajana an'i Stéphane Hessel):

Wir denken voller Dankbarkeit an Stéphane Hessel …dankbar für ein Leben exemplarischer Menschlichkeit und tapferen Engagements für die unantastbare und gleiche Würde aller Menschen … dankbar für seine Fragen und Anstöße und noch mehr für seine Ermutigung für uns und sein Vorschußvertrauen auf uns: dem gilt es nun gerecht zu werden.

Manana trosa isaorana an'i Stéphane Hessel isika…fisaorana ho an'ny fiainana misy ohatra mahaolombelona sy ny fandavan-tena feno fahavitrihana…fankasitrahana mikasika ny fanontaniana sy ny fahazotoana eny fa na mihoatra izany aza ka ho fandrisihana sy fampatokiana antsika: fotoana izao, anjarantsika izao ny mijoro hiatrika ny fanamby.

Nilaza i Sweekitt Carlson eo amin'ny pejin'ny Facebbok en Hommage à Stéphane Hessel [fr]:

Un résistant est mort, pas la Résistance!

Ny mpitolona no maty fa tsy ny Tolona!

Taratasy fanangonan-tsonia iray no nangataka ny hidirany ao Pantheon any Paris [fr] (toerana itahirizana ny Frantsay manan-danja maty):

Nous souhaitons ardemment que la pédagogie civique et la mémoire collective témoigne de l’importance de l’esprit de résistance. Parce qu’avec Stéphane Hessel, c’est une vie consacrée à l’intérêt général et au service d’une certaine idée de la France qu’il s’agit d’honorer.

Tena manantena mafy izahay fa haneho fijoroana vavolombelona amin'ny lanjan'ny fiaretana am-pahavitrihana ny pedagojia fanabeazana maha-olompirenena sy ny fahatsiarovan'ny daholobe azy. Satria ny an'i Stéphane Hessel, dia fiainana natokana ho amin'ny tombontsoa iraisana sy ny fanompoana amin'ny alalan'ny fiheverana sasany momba  an'i Frantsa no tokony omena voninahitra.

[Nosoratana niaraka tamin'ny fanampian'i Pauline Ratzé, Paula Goes, Katrin Zinoun sy Thalia Rhame ity lahatsoratra ity.]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.