Venezuela: Fihetseham-po Voalohany Tamin'ny Fahafatesan'i Hugo Chávez

Tamin'ny 5 Marsa 2013, no nandrenesan'izao tontolo izao ny fahafatesan'ny [mg] filohan'i Venezuela, Hugo Chavez Frias.

Araka ny filazan'ny TeleSur [es], Ny Filoha Lefitra Nicolás Maduro no “nanao fanambarana tamin'ny radio sy ny televiziona avy any amin'ny Hopitaly Miaramila Carlos Arvelo ao Caracas (renivohitra), toerana nilazany androany 5 marsa tamin'ny 4:25 folakandro fa maty ny komandy sady filoha.'”

Taorian'ny fandresena azony nandritra ny fifidianana tamin'ny 7 Oktobra 2012, dia nandeha nankany Cuba hodidiana sy hanaovana fikarakarana ara-pitsaboana hiadiany amin'ny homamiadana i Chavez. Niharatsy ny toe-pahasalamany ary tsy hita tamin'ny fampitam-baovao indray izy hatramin'ny volana desambra.

Ao amin'ny Twitter ianao afa-manaraka ny hevitry ny mpiserasera amin'ny fanarahana ny teny hoe Murió Hugo Chávez [es, Maty i Hugo Chávez], Nicolás Maduro, ary ny tenifahatra #MuereChávez [es, nodimandry i Hugo Chávez].

Raha mijery ny ideolojia anti-imperialista nampalaza azy ilay mpanoratra Kolombiana Hector Abad (@hectorabadf) [es] dia izao no nosoratany:

@hectorabadf: Lo cierto es que Chávez sí inoculó el chavismo por toda América Latina.

@hectorabadf: Ny marina dia notsindronin'i Chávez ny shavisma nanerana an'i Amerika Latinina

Mandritra izany fotoana izany, maneho ny fiaraha-mioriny avy any Venezuela i Nelson Bocaranada (@NelsonBocaranda) [es] :

Miles marcharon en apoyo al presidente Chávez en enero, mientras seguía bajo tratamiento en Cuba. Foto de Jesus Gil, copyright Demotix

Diaben'olona anarivony ho fanohanana ny Filoha Chávez tamin'ny Janoary 2013 raha mbola notsaboina homamiadana any Cuba izy. Saripikan'i Jesus Gil, copyright Demotix

@NelsonBocaranda: Hugo Chávez Frías 1954-2013. Paz a sus restos y nuestro sentido de pésame a sus familiares y seguidores.

@NelsonBocaranda: Hugo Chávez Frías 1954-2013. Fiadanana ho an'ny sisa tavela aminy ary maneho ny fiaraha-miory lalina ho an'ny fianakaviany sy ny mpanaraka azy.

Nampiseho ny fahatalanjonany tamin'ny asa vitan'i Hugo Chávez i Mauricio Rodríguez (@MauricioRG28) [es] :

@mauricioRG28: Hombre sin tiempo ya eres eterno.Has entregado todo a la construcción de una patria incluyente y justa. Por eso, Comandante,tu pueblo te ama

@mauricioRG28: Ry lehilahy mahahoatra ny fotoana efa maharitra mandrakizay ianao. Nomenao avokoa ny zava-drehetra hanorenana firenena anjakan'ny rariny sy tsimanavaka. Noho izany ry komandy dia tia anao ny vahoaka.

Mankasitraka i Arturo Cazal (@ArturoCazal) [es]:

@ArturoCazal: Qué puedo decir. Seguiremos adelante. Luchando, amando… Gracias comandante Chávez

@ArturoCazal: Inona no azoko lazaina. Handroso hatrany izahay. Hiady, hitia…Misaotra anao ry Komandy Chávez

Heverin'i Roberto Juan Carmona (@SelenioE) [es] ho tsimetimaty i Chávez :

@SelenioE: Chávez es eterno, Chávez no estará nunca en una tumba.

@SelenioE: mandrakizay i Chávez, tsy ho ao am-pasana mandrakizay i Chávez.

Ary i Andreína Miárquez (@mintina) [es] miresaka momba ny fisamahana nataon'i Chávez:

@mintina: Lo único que deseo es que Hugo Chávez se lleve con él todo el odio que sembró. Adiós.

@mintina: Faniriako fotsiny ny hitondran'i Hugo Chávez ny fifankahalàna nentiny. Veloma.

Mieritreritra i Lourdes (@lourdes_g) fa izao no fotoana hanohanan'ny Venezoelana ny fireneny:

@lourdes_g: This is your chance…take to the streets and take back your country!

Fotoana izao ho anareo… midìna an-dalambe ary tohano ny firenenareo!

Nisioka ihany koa ny filoha Peroviana teo aloha Alejandro Toledo (@atoledomanrique) [es]:

@atoledo: Es la hora de la Democracia y del pueblo venezolano. Descanse en paz, Presidente Chávez.

@atoledo: izao no ora ho an'ny demokrasia sy ho an'ny vahoaka Venezoelana. Mandria Am-Piadanana, President Chávez.

Miantsy ho amin'ny fampiraisana i Henrique Capriles (@hcapriles) [es], solontenan'ny mpanohitra Venezoelana:

@hcapriles:En momentos difíciles debemos demostrar nuestro profundo amor y respeto a nuestra Venezuela!Unidad de la familia venezolana!

@hcapriles: Tsy maintsy mampiseho ny fitiavantsika lalina sy ny fanajantsika an'i Venezuela -ntsika isika mandritra ny andro sarotra! Firaisankina ho an'ny fianakaviana Venezoelana!

Ary i RJ Gómez [es] manoratra ao amin'ny Facebook:

Ojala que ahora El y el pueblo de Venezuela puedan tener paz.

Manantena aho fa handry fehizay i Chávez sy ny vahoaka Venezoelana amin'izao fotoana izao.

Manasa ny mpiserasera hifanaja i Yrivalera (@Yri_27) [es] rehefa maneho ny heviny ry zareo.

@Yri_27: #MuereChávez y la gente burlándose. ¿Qué importa si no eras Chavista? Es un ser humano y merece respeto.

@Yri_27: Nifamazivazy i #MuereChávez [Maty i Chávez] sy ny vahoaka. Iza no hiraharaha raha tsy chavista ianao? Olombelona izy ary mendrika fanajana.

Farany, maro ireo filoha Amerikana Latinina no nampiseho ny fiaraha-miory tamin'ny alalan'ny Twitter.

Juan Manuel Santos (@JuanManSantos) [es], Colombia:

@JuanManSantos: Lamento profundamente la muerte del presidente de Venezuela Hugo Chávez Frías. Nuestras sinceras condolencias… http://twiffo.com/1JJy

@JuanManSantos: Malahelo tokoa aho amin'ny fahafatesan'ny filoha Venezoelàna Hugo Chávez Frías. Maneho ny Fiaraha-miory… http://twiffo.com/1JJy

Ollanta Humala (@Ollanta_HumalaT) [es], Però:

@Ollanta_HumalaT: Adiós Comandante y amigo Hugo Chávez. Mis sentidas condolencias a su familia y a todo el pueblo venezolano.

@Ollanta_HumalaT: Veloma ry Komandy sady namana Hugo Chávez. Fiaraha-miory avy ao am-po ho an'ny fianakaviany sy ny vahoaka Venezoelàna.

Nilaza i Evo Morales, filohan'i Bolivia, fa “tena mihorakora-pifaliana mihitsy izao ireo mpanankarena vitsy an'isa, ny ampira,” araka ny filazan'ny CNN México (@CNNMex) [es]. Ny filohan'i Argentine Cristina Fernández nanambara ny fisaonam-pirenena [es], ka eny amin'ny atsasaky ny andry no ihofahofan'ny saina. Ary i Sebastián Piñera, avy ao Chile, nanambara [es]: “Nanana fahasamihafana izahay, saingy nianatra nitia ny fanolora-tena sy ny angovo nentin'i Hugo Chavez hiadiana ho fiarovany ny heviny aho”.

Raha nomena baiko [es] hahahenika an'i Venezuela ny miaramila sy ny polisy, nifampizarana an-tserasera kosa ny hevitra an'arivony, maro no mifantoka any amin'ny fiovana ho avy amin'ny demokrasian'ny firenena. Ny gazety El País avy any Colombia indray namoaka ny diam-piainana multimedia [es] ahitana ny toe-javatra 36 nanamarika ny fiainan'ny Filoha Chavez, tondroina ho mpitarika ny sosialisman'ny taonjato faha-21.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.