India : Fanambatambazan'i India Ny Vehivavy Amin'ny Tetibola Vaovao

Nifantoka tamin'ny fanambatambazana ny vehivavy ny Minisitry ny Fitantanam-bola Indiana tamin'ny lahateniny momba ny tetibola ho an'ny taona 2013-2014. Ireo fandaharan'asa mifantoka amin'ny vehivavy, fantatra ao amin'ny firenena amin'ny hoe “tetibolan'ny miralenta” izay nanokanana 971 lavitrisa ropia (18 lavitrisa dolara Amerikana)  -nisy fiakarana 10 isan-jato be izao raha ampitahaina tamin'ny taona lasa.

Nambaran'ny Minisitry ny Fitantanam-bola, P. Chidambaram ihany koa ny Fonds Nirbhaya 10 lavitrisa ropia (181 tapitrisa dolara amerikana) ho fiarovana ny vehivavy. Nampitondraina ny anaran'ilay vehivavy 23 taona niharan'ny fanolanan'ny jiolahimboto tany Delhi tamin'ny Desambra 2012, izay nahatonga hatezerana nanerana an'i India ny herisetra nanjo azy. Nataon'ny haino aman-jery ao an-toerana hoe ” Ilay Tsy Manan-tahotra” na Nirbhaya izy ary ny fahafatesany no nahatonga fiambenana sy hetsika ho an'ny zon'ny vehivavy nanerana izao tontolo izao.

Nanokana vola 10 lavitrisa ropia hananganana banky voalohany ho an'ny vehivavy rehetra any India ny tetibola , izay afaka hampisambo-bola ireo orinasa tantanan'ny vehivavy, hampiasa vehivavy maro, ary hanohana ny fampiasana vehivavy.

2,5 lavitrisa ropia hafa kosa (45 tapitrisa dolara Amerikana) dia hanafoanana ny karazam-panavahana sy hanampiana ireo vondrona marefo toy ny vehivavy tsy manam-bady sy mananon-tena.

P. Chidambaram, India's Finance Minister, with his deputy minister before heading to Parliament to table the budget of 2013-2014. Image by Ranjan Basu. Copyright Demotix (28/2/2013)

P. Chidambaram, Minisitry ny Fitantanam-bola Indiana, miaraka amin'ny mpanampy nialoha ny nandehanany hamelabelatra ny tetibola 2013-2014  tany amin'ny Parlemanta. Sary avy any amin'i Ranjan Basu. Fizakà-manana Demotix (28/2/2013)

Te-hamporisika ny tanora hirotsaka amin'ireo fandaharan'asa fiofanana momba ny fampandrosoana ihany koa ny governemanta. Ny sasany dia mahita fa fandrika natao hikendrena ny tanora mpifidy sy ny vehivavy mialohan'ny fifidianana amin'ny taona ho avy io tetibola vaovao io, satria ny 70%-n'ny mpifidy ao amin'io firenena io dia latsaky ny 35 taona. Omen'i Anil Padmanabhan, mpanao gazety, ao amin'ny lahatsoratry ny tranonkalan'ny fitantanam-bola Livemint ny heviny : 

Ny tena mahatalanjona koa dia ny fibahanan-toeran'ny politika amin'ny tetibola. Tsy nahoan'i Chidambaram ny vintana nahafahany nanarona ny fandaniana ao anatin'io tetibola io hanamboarany ny làlany ho any amin'ny fifidianana solombavambahoaka ho avy eo, tahaka izay efa nataony tamin'ny 2009 izay nitsipahany ny 60.000 ka hatramin'ny 70.000 ropia, famerenam-bola tamin'ny fampindramam-bola momba ny fambolena. Araka izany, dia naharesy lahatra ireo mpifidy mahazatran'ny antokon'ny Kongresy : ny mahantra, ny vitsy an'isa, ny olona sy ireo foko notsongaina, tamin'ny tsy fikitikitihana ny fandaniana mikasika azy ireo, sady koa nanintona ireo mpifidy vao misandratra avy amin'ny antoko toy ny tanora sy ny vehivavy.

Na dia izany aza, misy vondronà haino aman-jerim-behivavy sy olon-tsotra sasany tsy afa-po tamin'ny filazàna ilay vaovao momba ny tetibola. Lazain'izy ireo fa tsy ampy io vola natokana io ary toy ny fihetsika tsy mankaiza ilay fepetra noraisina.  Sahin'ny All India Women’s Progressive Association (AIPWA) ny nanao vava be tao anaty lahatsoratra tamin'ny bilaogy iray :

Raha ny marina, tokony hampiseho ny Governemanta fa mandray andraikitra amin'ny fiarovana ny vehivavy rehetra, amin'ny fanomezana tohana ara-bola avy amin'ny fanjakana ho fanazàrana mihetsika tsikelikely (réeducation) sy fitsaboana maimaim-poana ho an'ireo vehivavy sisam-paty taminà fanolanana sy fanafihana tamin'ny asidra. Ny Fonds Nirbhaya 1000 crore (10 lavitrisa ropia), dia vola fanampiana tsotra fa tsy avy amin'ny tetibola, ary tsy ampy mba handoavana ny lany tamin'ny fanazarana mihetsika tsikelikely sy ny fitsaboana ireo sisam-patin'ny  herisetra.

Hamafisin'ny AIPWA fa adidin'ny governemanta ny fiarovana ny zon'ny vehivavy. Noho izany, dia tokony ho betsaka ny vola atokan'ny tetibola hahafahan'ny mpitsara sy ny fitsaràna manafaingana ny fitsaràna, ary mba hikarakaran'ireo ivon-toeram-pitsaboana madinika any am-bohitra rehetra any ny filàna ara-pitsaboan'ireo vehivavy.

India's 82nd Union budget in parliament enhances the outlays for Scheduled Caste Welfare, farm credit, women development, health, and urban development sectors. Image of an Indian businesswomen by Tumpa Mandal. Copyright Demotix (28/2/2013)

Vehivavy mivarotra legioma avy amin'i Tumpa Mandal. Fizakà-manana Demotix (28/2/2013)

Noho ny fahatetehan'ny kolikoly sy ny soloky anatin'ny politika sy ny fitantanana any India, dia manahy ireo mponina sasany ny amin'ny fampiasana io vola io tsy ho araka ny tokony ho izy fa sao ho lasa any amin'ny kolikoly. Betsaka ireo mpampiasa Twitter no naneho ny fisalasalàny taorian'ny nanambaràna iny tetibola iny :

@auravsha (Aakanksha) : #nirbhaya fund?? antenaiko fa tsy hivadika ho vazivazy ratsy #nirbhaya izy ity… mbola miandry ny marina… toy izay mahazo fanatsiam-bola kidaladala amin'ny anarana sandoka.

@atulabhas (Atul Singh): Naleon'ny #IndianGovt. namorona ny tohana ara-bola #Nirbhaya toy izay lalàna sy filaminana. Hamerina ireo Sisam-patin'ny fanolanana ho anivon'ny fiarahamonina ry zareo fa tsy hampitsahatra ny fanolànana!

@jagthesav (Savitar Jagtiani): Ny fanontaniana lehibe izao dia ny hoe : ahoana no handaniana io vola io ? Iza? Ho an'iza ? Iza no hanara-maso ny hosoka & ahoana ny handrefesana ny tombontsoa ? #nirbhaya

Hanomboka hiasa ny Novambra 2013 ny banky ho an'ny vehivavy, ny sisa andrasana dia ny fanatanterahan'ny governemanta ireo fampanantenana hafa .

Vakiteny Anglisy nohamarinin'i Molly Allison-Baker.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.