Lalana Ao Slovakia: “Asiana Lavaka Sy Hitazana ny Fitomboan'izany”

Tamin'ity taona ity, ratsy dia ratsy ny toetry ny lalana ao Slovakia. Raha jerena, mbola ratsy kokoa noho ny tamin'ny taon-dasa.

Tamin'ny 28 Febroary, nanoratra [sk] ny gazety SME fa ao amin'ny faritra Košice, ao Atsinanan'i Slovakia fotsiny dia ahitana lavaka amin'ny arabe mirefy 37.000 metatra toradroa, kanefa mbola tsy tapitra akory ny ririnina. Nilaza i Zoltán Bartos, talen'ny Fitantanana ny Lalana ao an-toerana fa tsy afaka manamboatra [haingana] ireo lavaka amin'ny arabe ny sampan-draharahany, tokony hampahafantarin'izy ireo amin'ny takelaby fampitandremana izany. Vao haingana, nosimban'ireo saofera ireo takelaby mba hialana amin'ny onitra takian'ny polisy noho ny hafainganam-pandeha tafahoatra, na mba ahazoana onitra avy amin'ny mpiantoka azy ireo noho ny fahasimban'ny fiarany. Izany indrindra no antony nahatonga ireo mpiasa misahana ny arabe sy lalana naka sary ireo takelaby fampitandremana napetraka vao haingana.

Indreto fanehoan-kevitra sasany avy amin'ireo mpamaky ny SME.sk.

roman.com :

Manontany ny vidin'ny fanamboarana amin'ity lavaka amin'ny arabe ity aho.

ienko:

ary raha mividy takelaby tokana ireo mpiasan'ny arabe ary avy eo maka sary miaraka amin'izany eny amin'ny toerana 25 samihafa ?

Jirkohu:

Tsentsemana tsara ny lavaka ary atao maharitra mba hampanjavona izao zava-baovao izao.

Ján Divno:

Ao Soisa, izay misy toetr'andro mitovy, na toetr'andro ratsy kokoa -hafanana, ririnina, rano, oram-panala – tsy hahita lavaka tampenana eny amin'ny arabe ianao na dia iray aza! Tsy fantatro izay zavatra ataony, saingy tsy ahitana lavaka mihitsy ny arabe !

leomir:

Mitondra fiara amin'ny arabe feno lavaka aho, ary tampoka teo – lalana!

Taminà adihevitra hafa [sk], nanisa ireo mpampiasa arabe ao Slovakia fa €85,000 no voahangona isan-taona amin'ny haban-dalana sy hetra alaina amin'ny fiara isaky ny arabe iray kilometatra.

Ity lahatsary ahitana ny arabem-pirenena eo akaikin'i  Domaša ao Atsinanan'i Slovakia:

Maro ireo ohatra hafa mora tadiavina amin'ny alalan'ny fikarohana ny “výtlky 2013″ (“lavaka amin'ny arabe 2013″) ao amin'ny images.google.sk.

Ity vazivazy malaza avy amin'ireo olom-pirenena Slovaky tamin'io andro io:

Teratany anglisy iray nanontany Slovaky iray hoe: “Aiza amin'ny arabe no hitondrana ny fiara? Ankavia sa ankavanana?
Hoy ilay Slovaky namaly: “‘Manodidina ny lavaka, ry lahy antitra!”

Avy amin'i Diery.sk [sk] ity sary eto ambany ity, sarintany ifandrimbonana ahitana ireo lavaka amin'ny arabe ao amin'ny faritra andrenivohitr'i Slovakia, Bratislava, saingy amin'ny fiafaran'ity herinandro ity, hanome vaovao avy amin'ireo mpampiasa ny arabe eny amin'ny faritra hafa ao amin'ny firenena izy

How to recognize a drunk driver, in Austria and Slovakia. (Image by Diery.sk, used with permission.)

Ahoana no ahafantarana fa nisotro toaka ilay mpamily fiara – ao Aotrishy  sy Slovakia? (Sary avy amin'i Diery.sk, nahazoan-dalana.)

Tetikasa fanadihadiana momba ny lavaka amin'ny arabe [sk] navoakan'ny gazety Nový čas [New Time], nampiasa  ity fehezanteny malaza ity tamin'ny lohateniny:

Ataovy ny lavaka amin'ny arabe ary tazano ny fitomboan'izany…

Fanadihadiana vao haingana notontosain'ny RSS Daily, vaovao “parodia”( maka tahaka saingy amin'ny fomba maneso) nalaina avy amin'iray amin'ireo hadalan'ny Filoha Slovaky (mitantara betsaka momba izany ao amin'ity lahatsoratry GV ity), nilaza momba an'ilay solontena tsy misy ao amin'ny Fikambanan'ny Mpitantana Garazy Slovaky izay mihevitra fa tsy mba misy fandraisan'andraikitra amin'ny fanamboarana ireo lavaka amin'ny arabe ao an-tanàna sasany hany ka manakana ireo mpitondra fiara tsy hanamboatra ny hanamarina ara-teknika ny fiarany amin'ny fotoana mety

Matetika miteraka fahasimbana be amin'ny fiara ny kodiarana miala

Satria hafahafa kokoa noho ny zava-foronina ny zava-misy eo amin'ny fiainana, tahaka izany ihany koa ireo vaovao tena misy raha oharina amin'ny vaovao foronina, na vaovao diso. Tamin'ny taon-dasa, tsy naharitra intsony ilay mpanakanto Milan Capák noho ireo lavaka eny amin'ny lalana fandehanan'ny mpandeha tongotra ao an-tanànany ao Rožňava, Atsinanan'i Slovakia ka lasa nanamboatra izany tamin'ny fandaniany manokana izy, avy eo indray nanamboatra ireo lavaka tamin'ny arabe. Nanatontosa lahatsary fanadihadiana [amin'ny teny alemana] momba ny fisantarana andraikitra mahafatra-po nataon'i Capák ny fahitalavitra German ARD. Taty aoriana, na dia izany aza, nandefa taratasy [sk] ho azy ny kaominina, nangataka taminy mba hanatsahatra ny fanamboarana – satria teknolojia tsy sahaza no nampiasany ary tany tsy fananany no namboariny

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.