Tosika Orogoaiana Hisian'ny Fitaterana Maharitra

Tamin'ny Alakamisy lasa teo, 28 Febroary 2013, 200 ireo mpitondra bisikilety [es] nifamory teo anoloan'ny Lapan'ny Tanana tao Montevideo (Intendencia Municipal de Montevideo) mba hizara fanangonan-tsonia iray havantana amin'ny Ben'nyTanànan'i Montevideo, Ana Olivera sy ireo manampahefana mahefa ao an-toerana hitakiana ny hisian'ny faritra azo antoka ho an'ny bisikilety, toeram-piantsonana azo antoka ho an'ny bisikilety koa eny amin'ireo terana natao ho an'ny daholobe na an'ny tsy miankina, ary fanentanana hanabezana ireo mpitaingina bisikilety sy ireo hafa mpampiasa ny arabe.

Gabriel46936, mpampiasa YouTube, dia mizara ity lahatsary manaraka ity avy eny amin'ny hetsika:

Ilay fandraisana andraikitra, notarihan'ny vondrona  Facebook ‘Gente en Bicicleta Uruguay’ (ireo Olona Mitaingina Bisikilety Ao Orogoay) [es] sy ny ‘Ciclovida Urbana’ (Fiainana an-drenivohitra miaraka amin'ny kodiaran-droa) [es] ary nakarina ao amin'ny sehatra fanaovana fanangonan-tsonia Change.org [es], dia nanao izay hanangonana sonia maherin'ny 10.000 hatramin'ny andro voatondro no sady manohy manangona ireo mpanohana, efa nahatratra ho 10.400 tany ho any tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity.

Gathering of cyclists in front of the City Hall Montevideo, Uruguay, to demand bike lines. Image by Roger Tijman from Facebook (CC).

Fihaonamben'ireo mpitaingina bisikilety teo anoloan'ny Lapan'ny Tanàna tao Montevideo, Orogoay, hitakiana faritra natao ho an'ny bisikilety. Sary avy amin'i Roger Tijman nozaraina tao amin'ny  Facebook

Image by Gianluca Casanova from Facebook (CC). Child during demonstration in Montevideo, Uruguay.  Sign says: "Watch ooout! because I don't have a bike line. Critical Mass Montevideo"

Ankizy nandritra ilay hetsika tao Montevideo, Orogoay, nitazona soratra mivaky hoe : “Mba jereo ooo! satria tsy manana faritra natokana ho an'ny bisikilety aho. Critical Mass  Montevideo
Sary avy amin'i Gianluca Casanovanozaraina tao amin'ny  Facebook

Handing in the signatures to authorities. Image by Gente En Bicicleta Uruguay from Facebook (CC).

Manolotra an-tànana ilay fanangonan-tsonia ho an'ny manam-pahefana. Sary avy amin'i Gente En Bicicleta Uruguay nozaraina tao amin'ny Facebook

Ny olom-pirenena tsirairay, ireo vondrona mpirotsaka an-tsitrapo ary hatramin'ny orinasa aza [es] dia toa mahavita dingana mihoatra kely ny an'ny governemanta raha vao resaka fampidirana ny fitaovam-pitaterana maharitra toy ny bisikilety ho ao anatin'ny rafi-pitateran'ny tanàna. Efa an-taona maro ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana toy ny Urubike [es] ary ireo vondrona manana tanjona toy ny Bike Age (Bici Era) [es] sy ny rantsan'ny Critical Mass (Masa Crítica Montevideo) ao an-toerana [es] no nanao fanentanana momba ny bisikilety ho toy ny safidy iray amin'ny resaka fitaterana maharitra ho an'ny tanàn-dehibe, tamin'ny alàlan'ny fikarakarana tafatafa, atrikasa, ary hetsika fitaingenana bisikilety hanairana ny sain'ny mponina amin'ny ankapobeny.

Ny Drafitra Stratejika ho an'ny Fitaterana, ny Trano fonenana sy ny Foto-drafitrasa [es] nataon'ny Ministeran'ny Fitaterana sy ny Asam-Bahaka ho an'ny taona 2030 dia ahitàna ireto ao anaty tanjona lehibe telo:

[la] mejora de la calidad de vida de la población y protección de la seguridad pública

[mba] hanatsaràna ny kalitaon'ny fiainan'ny mponina sy ny fahazoana antoka ny fiarovana ny vahoaka

Ary ankoatra ireo tanjona manokana:

propender a un transporte sustentable, reduciendo sus impactos sobre la energia y el ambiente.

hikarakara ny fitaterana maharira, hampihena ny fiantrakan'izany amin'ny angovo sy ny tontolo iainana

Kanefa, ilay antontan-taratasy isy pejy 13, dia zara raha misafosafo ny resaka bisikilety fotsiny [es] ao amin'ny pejy faha-12 :

Fomentar el uso del transporte colectivo de pasajeros en el área metropolitana a través de un incremento de la calidad del mismo, con el objetivo de desincentivar la utilización del automóvil privado para los traslados diarios e impulsando itinerarios seguros para bicicletas y peatones

Ho fandrisihana ny fampiasàna ny fitateram-bahoaka amin'ny faritry ny tanan-dehibe amin'ny alàlan'ny fanatsaràna ny kalitaony, miaraka amin'ny tanjona ho fampihenana ny fampiasàna ny fiaran'ny tena manokana amin'ireo fivezivezena andavanandro sady mampiroborobo ny fametrahana faritra azo antoka ho an'ny bisikilety sy ny mpandeha an-tongotra

Taorian'ireo hetsika sy fikakiana tato ho ato, hiverina handinika ny drafitra lavitr'ezaka napetrany ho an'ny fitaterana ve ny governemanta? Araka ity lahatsary fanohanana ny hisian'ny faritra ho an'ny bisikilety ao Orogoay ity, ny rehetra mihitsy no mihevitra fa tokony ho izany mihitsy no atao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.