Tondraka Keniana Ny Birao Fandatsaham-bato Na Nisy Herisetra Aza Ny Andro Nifidianana

Nahalatsaka ain'olona 13 raha kely tao Kenya ireo mpitaky fizakan-tena nirongo antsy lavalela raha an-tapitrisa kosa ireo olona nirohotra marobe teo amin'ny tantara mba handrotsaka ny vaton'izy ireo tamin'ny 4 Martsa 2013 nandritra ny fifidianana solombavambahoaka iray izay tena nobanjinina tokoa taty Afrika hatramin'ireo  fifidianana tamin'ny 2007 niafara tamin'ny fifandatsahan-drà teo amin'ireo foko samihafa.

Herisetra mitsitaitaika tetsy sy teroa no nanamaloka ilay fifidianana izay azo ambara ho nizotra am-pilaminana ihany, ny voalohany ho an'ity firenena ity teo ambanin'ny lalam-panorenany vaovao tamin'ny 2010. Amin'ireo mpirotsaka hofidiana no hisafidianan'ny mpifidy izay ho filoha, mpikambana ao amin'ny parlemanta, governoram-paritra, loholona, solontenam-paritra ao amin'ny antenimiera, ary solontenan'ny vehivavy avy amin'ny faritra.

Andrasana hivoaka amin'ny 11 Martsa 2013 ny vokatra ofisialy.

Maro no manahy ny mbola mety hiverenan'ny herisetra nipoaka taorian'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin'ny 2007. Olona maherin'ny 1.100 no maty ary 600.000 no nafindra toerana taorian'ireny voka-pifidianana nifandroritana sy niteraka korontana teo amin'ny foko samihafa ireny.

Ny sampan'ny Vovonam-pirenen'ireo Mpiaro ny Zon'Olombelona ao Kenya (@nchrdkenya) dia nitatitra fa toa hoe niditra an-keriny tany an-tranon'olona ireo lehilahy mirongo fiadiana ary nangalatra kara-pifidianana tamn'io andron'ny fifidianana 2013 io [tsy afa-nanamarina io tatitra io ny Global Voices]:

@nchrdkenya: Nambara fa lehilahy 50 avy amin'ny fari-piadidian'i Starehe, nirongo  “pangas” sy poleta 2 no niditra an-keriny tany an-tranon'olona ary nangalatra kara-pifidianana sy finday. #kenyadecides

@Nairoboy shares this photo onf Twitter asking, "If this woman, as old & frail as she is, came out to vote, what's your excuse?" Photo source:   @Nairoboy

@Nairoboy mizara ity sary ity ao amin'ny Twitter sady manontany hoe, “raha ity vehivavy ity, na dia antitra & marefa aza izy, tonga nifidy, inona no fialantsininao?” Loharanon-tsary: @Nairoboy…..

Saingy na teo aza ny tahotra ny hisian'ny herisetra vaovao indray, nandeha nifidy ireo mpifidy an-tapitrisa :

@WanjiruMachari1: #KenyaDecides #Elections2013 miandry ny fepetra farany hikatonany sisa ireo biraom-pifidianana sasantsasany ao #Nakuruare. nahità mpifidy hatramin'ny 80% mahery

Ny vinavina tany am-piandohana dia nanondro fa mety hanintsana ny zava-bita avo indrindra tamin'ny fitsapankevi-bahoaka momba ny lalam-panorenana tamin'ny 2010 raha ny tahan'ny fandraisana anjara, araka ny tonian-dahatsoratry ny National Media, Charles Onyango-Obbo (@cobbo3) :

@cobbo3: ny taha avo indrindra tamin'ny latsabato natao tao Kenya dia ny fitsapankevi-bahoaka momba ny lalam-panorenana tamin'ny 2010; 72.2%. ny #KenyaDecides 2013  mety hahatratra 80% mihoatra!

Ireo mpifidy, izay marary ny sasany, dia nandeha an-tongotra kilaometatra maro mba hampiasa ny zo demaokratika ananany :

@SEREKII: Tsy mbola nahita fikirizana tahaka izany aho tany an-tsiraka! Ny nenitoako izay mararin'ny fahatapahana lalan-drà dia nandeha an-tongotra 2 km mba hifidy #kenyadecides

@wndiwa: Nandeha 100 km ireo Morans mba hifidy tao wamba #KenyaDecides

@MoritzCOTR: Mahazendana, nijoro nitandahatra nandritra ny ora 10 ny ankamaroan'ireo Keniana, tsy nisy nifamono izany #Shocked http://www.independent.co.uk/news/world/africa/at-least-15-reported-dead-in-kenya-election-day-violence-8518677.html

Voalazan'ny tatitra fa laharana lavabe no teny amin'ireo biraom-pifidianana nahitàna ireo mpifidy sasany voatery niandry ora maro nialohan'ny nahafahany nandrotsaka ny vatony. Vehivavy iray no nihetsi-jaza ho teraka talohan'ny nandrotsahany any vatony :

@Toili12: vehivavy iray no nihetsi-jaza ho teraka teo am-pilaharana hifidy tao  amin'ny foibem-pifidianana  Sekoly Ambaratonga Fototra tao Kariobangi talohan'ny handatsahany ny vatony #KenyaDecides

@nochiel: Elabe ny fifidianana, nandreraka ary tena mandany hery. Sady koa, ny ankamaroanay no niandry ora 5 vao tafiditra tao amin'ny trano fifidianana #KenyaDecides

@Da_Dunx_Mugi: Raha nandany 90 min aho vao nahavita in-15 mandingana, mba firy minitra no ho laniko hahefako dingana in-500-600 hafa?! #KenyaDecides

@japho1: Tsy mbola nilahatra mihitsy aho hatrizay hatramin'ny nanombohako nifidy tamin'ny taona 2002.#KenyaDecides

Kanefa, ireo mpifidy sasany toa an-dry Harry Karanja (@startupkenya) tsy mba nandany fotoana tamin'izay filaharana velively :

@startupkenya: Isaorana ny rehetra tamin'ny fifidianana aloha be, satria noho ianareo dia tsy ampy iray minitra akory ny fitambaran'ny niandrasako #KenyaDecides

Nitoetra ho manatena ny tsara hatrany i Njambi Kiburio (@NjambiII) mikasika ny fifidianana :

@NjambiII: @cnnbrk [CNN Breaking News] manam-baovao ho anreo i Kenya. Mangetaheta vaovao ratsy ianareo, ary tsy hahita eto. #KenyaDecides

Notsindrian'ny sasany tamin'ireo mpisera ety anaty aterineto fa ireo vahiny mpampahalala vaovao dia nifantoka fotsiny tamin'ireo vaovao ratsy. @Owitie mpampiasa Twitter dia nanoratra fa afaka mitatitra ny tantaran'izy ireo manokana ny Kenyana :

@Owitie: Ireo “mzungus” [olona fotsy] vitsivitsy antsoina hoe “wabeberu” [imperialista] dia mila mahatsapa fa tahaka ny #KenyaDecides dia afaka mitantara ny vaovaonay izahay no sady mitantara ny tantaranay.

Ian Cox (@IanECox), tomponà fandraharahana madinika, dia nisaintsaina ny mety hisian'ny Uhuru Kenyatta, izay miatrika fiampangàna any amin'ny fitsarana heloka bevava iraisampirenena noho ny herisetra taorian'ny fifidianana 2007, mandresy amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena :

@IanECox: Manontany tena aho ny amin'izay ho fihetsiky ny mpampahalala vaovao iraisampirenena raha toa ny #kenyadecides mandany an'i Uhuru.. ireto Keniana dombo ireto.. sns  sns .

Ny sasany nidera ny zava-bitan'ny Kaomity Mahaleotena Misahana ny Fifidianana sy ny Sisintany ao Kenya. Kabochi Gakau (@Kaytrixx), mpampiala voly, dia nanamarika fa tsara rindra ilay kaomity miohatra amin'ny tamin'ny fifidianana 2007:

@Kaytrixx: Tsy maintsy lazaiko anefa, tsara rindra ny IEBC, tsara lavitra noho ny fifidianana farany teo. Mangarahara. #Peace254 #KenyaDecides

@thisiskenyan: Olona 18 sisa dia anjarako… dona kely ho an'ireto zalahy avy amin'ny “iebc” miasa toy ny misy “turbo” ireto! #Kenyadecides #mugugagreenedition

@Olashmartine: 10ora 7 min mba hifidianana! tsara loatra ry IEBC tena nanao ezaka be tokoa ianareo #kenyadecides #KEpolls2013

Ny hafa indray niditra tamin'ny hanihany momba ny fifidianana:

@keruanna: Ary dia nangeren'ny vorona ny tenanay. Amin'ny manarana, biraom-pifidianana tsy misy hazo no hofidiako #Kenyadecides

@dnahinga: Heveriko fa mba tokony hitarin-dry zareo ihany koa ny ora fivohan'ireo trano fisotroana.#KenyaKwanza Tsy te-hanandrana indray ireny filaharam-be ireny izahay #KenyaDecides

@mwamishitemi: Azoko amafisina fa ny “saranga salantsalany” no tena nandeha nifidy. Ireo mbola any anaty biraom-pifidianan'ny twitter any, manana 15 minitra ianareo #kenyadecides

@FelixDonBash: Heveriko fa ny androany no hamotika ny zava-bita tsara indrindra amin'ny fandefasana sary amin'ny bitsika TwitPics tendrena  rantsan-tànana#KenyaDecides

@ngatia_sammy: ireo “morans” Samburu [mpiady Samburu Maasai] dia nandeha 104 km hamonjy biraom-pifidianana, nitaky ny horasina voalohany ry zareo mba hahafahan'izy ireo  miverina mamahana ny biby fiompiny #kenyadecides

Farany, nandefa firariantsoa sy fitiavana avy amin'ny Twitter ireo sakaizan'i Kenya :

@tmsruge: Mandefa fitiavana kely ho an'i Kenya izao dieny izao. Maneho amin'ny tany MANONTOLO ny fandehan'ny fandraisana anjara demaokratika. Alefa ry rahalahy malala, alefaaa!!

@RDustinLong: Mirary soa ho an'ireo Keniana namako rehetra amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenen-dry zareo androany. #kenyadecides

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.