Dihy Karinavaly Samba Mandritra Ny Mondialy Ao Brezila

Anisan'ny fitantarana manokana amin'ny #CopaPública ity lahatsoratr'i Mateus Coutinho ity, izay navoaka voalohany tamin'ny 8 Febroary 2013, tamin'ny lohateny hoe Carnaval e Copa, será que dá samba?

Manoloana ny fandroahana an-katerena sy ny fifaninanana tombotsoa politika amin'izao fahatongavan'ny fifaninanana Tompon-daka Manerantany FIFA 2013 ao Brezila izao, nifamaly momba ny fandresena dihy samba ireo vondrona mpankafy fety voakasiky ny Karinavaly ao Belo Horizonte, Brezila.

Tamin'ny volana Janoary, nanangana marchinha [ara-bakiteny hoe “diabe bitika” karazana mozika natokana amin'ny Karinavaly] ny vondron'olom-pirenena mba hampatsiahy izay tena mahazo tombotsoa amin'ny tompon-daka manerantany. “Imagina na Copa” (Alaivo An-tsaina Ny Amboara), nosoratan'i Daniel Iglesias, Matheus Rocha sy Guto Borges, no nandrombaka ny Fifaninanana Marchinhas faharoa tao an-tanàna .

Carnaval em Belo Horizonte. Foto: Agência Pública

Karinavaly tao Belo Horizonte. Sary: Agência Pública

Nampahafantarin’ [pt] ny sampan-kolontsaina Cria Cultura, ny Fifaninanana Marchinhas  Mestre Jonas, ho fahatsiarovana ireo mpiangaly mozika avy ao Belo Horizonte – natsangana izany ho famelomana indray ny dihy karnavaly taloha, miaraka amin'ny fifaninanana fitafy sy saron-tava ary dihy ataon'ny vahoaka. Tamin'ny fikarakarana fandihizana no nanolorana ny loka ka marchinhas 12 no nofantenin'ny Komity mpikarakara ny Fifaninanana ary ireo mpitsara no nifantina ireo telo tafakatra farany.

Nisafidy tamin'izy telo tafakatra ny mpijery, loka 5.000 reais (eo amin'ny 2.520 dolara Amerikana) eo no loka azon'izay voalohany, ary 3.000 reais kosa ho an'ny faharoa, ary 1.000 reais ho an'ny fahatelo. Tamin'ny taon-dasa, ny nandrombaka ny marchinha dia i Na Coxinha da Madrasta [pt] (Sakafon'ny rafozam-bavy (fandrahoana akoho), sakafo malaza, fihinana amin'ny fetibe), niteraka resabe nahavoarohirohy ny Filohan'ny Kabinetra Monisipaly Belo Horizonte Leo Burguês [pt] izany sy ny reais an'arivony nolaniana tamin'ny fikarakarana ny lakozian'ny rafozam-baviny.

Foto: Agência Pública

Sary nozarain'i Agência Pública

Anjaran'ny Amboara iraisam-pirenena indray amin'ity taona ity, araka ny fanazavan'i Brisa Marques, mpanao gazety sy mpitantara ny fifaninana:

O público começou a gritar o nome da marchinha antes mesmo de ir a votação do júri.

Nanomboka niantso mafy ny anaran'izay marchinha ny mpijery na dia efa nosafidian'ireo vaomiera (mpitsara) manokana aza.

Alaivo an-tsaina ny Amboara iraisam-pirenena

Mikasika ny fandroahana nateraky ny fanamboarana sy ny tombotsoan'ireo mpanao politika ao an-toerana amin'izao fifaninanana tompon-daka izao, nanomboka lasa vazivazy teo amin'ireo mpinamana ny tonon-kira, araka ny fanazavan'i Daniel Iglesias, iray amin'ireo mpamorona ilay hira

Estávamos de bobeira em casa e o Matheus disse que queria fazer uma marchinha sobre a Copa, aí já falei ‘imagina na copa’ e fomos escrevendo a letra.

Milalao sy misangisangy ao an-trano fotsiny izahay raha nilaza tampoka i Matheus fa te hanangana marchinha momba ny Tompon-daka izy, avy eo nilaza aho hoe “alaivo an-tsaina ny amboara” ary nanomboka nanoratra tononkira izahay avy eo.

Misy tokontany filalaovam-baolina eo akaikin'ny trano fonenan'i Daniel sy Matheus, toerana mety hananganana hotely ho an'ny Amboara iraisam-pirenena. Hoy i Matheus naneho hevitra:

É bizarro pensar que por causa da Copa vão destruir um campinho para fazer hotel.

Hafahafa ny mihevitra fa noho ny Amboara iraisam-pirenena, hosimban'izy ireo ny tokontany kely mba hananganana hotely

Nahatalanjona ireo mpikambana ao amin'ny Komity ao an-toerana dos Atingidos pela Copa ny fandresen'ny marchinha. Mpikambana ao amiin'ny Komity Fidelis Alcântara nanambara hoe:

Foi uma surpresa muito marcante, inclusive porque no começo do Comitê [em 2010] as pessoas achavam que era exagero nosso, e hoje já vemos a população entendendo melhor os impactos da Copa

Tena tsy nampoizina mihitsy ity fandresena ity, indrindra fa tamin'ny fampahafantarana ny Komity [tamin'ny 2010] nihevitra ny vahoaka fa be resaka fotsiny izahay, ary ankehitriny, hitanay sahady fa fantatry ny vahoaka tsara ny fiantraikan'ny Amboara Iraisam-pirenena

Enoy ny hira #imaginanacopa, avy amin'i Daniel Iglesias, Matheus Rocha, sy Guto Borges:

Derrubaram minha casa
Por um erro de arbitragem
Ai meu deus, essa copa do mundo
É uma puta falta de sacanagem!

Beagá não sai ganhando
Nem se for pra repescagem
Se o filho da babá é dono da bola
Vou levar minha pelada pra Contagem

Se na praça não pode vender pipoca
#imaginanacopa
Se o Laécio tá fechado com a Coca
#imaginanacopa
Se na Guaicurus só ta dando poliglota
#imaginanacopa
Se o burguês pira nas mina de pi… Ôpa!
#imaginanacopa
Se no rádio essa música não toca
#imaginanacopa

Noravan'izy ireo ny tranoko
‘Noho ny fahadisoam-pitsarana
Andriamanitra ô, ity Amboara Iraisam-pirenena ity
Tena tsy misy dikany
Tsy handresy akory ny vahoaka eto
na dia hamerina hilalao aza
Raha ny zanakalahin'ny mpitaiza azy no mpanjakan'ny baolina [ fanoharana ny Ben'ny tanàna Mário Lacerda]
Handray anjara amin'ny lalao lavitry ny rehetra aho
Raha tsy afaka hividy pôkatsaka intsony ao an-kianja isika
#alaivoantsainanyamboarairaisam-pirenena
Raha niara-niasa tamin'ny Coca i Laécio [fanoharana ny Senatora Aécio Neves]
#alaivoantsainanyamboarairaisam-pirenena
Raha manome ireo mpahay tenim-pirenena maro fotsiny i Guaicurus [faritra afovoany]
#alaivoantsainaamin'nyamboarairaisam-pirenena
Raha lasa adala amin'ireo vehivavy miaraka amin'ny di.. i Burguês [tanànan-dehilahy] angamba! [fanoharana ny loza mikasika ireo tia firaisana ara-nofo maro]
#alaivoantsainanyamboarairaisam-pirenena
Raha tsy alefan'ny onjam-peo ity hira ity
#alaivoantsainanyamboarairaisam-pirenena

Nanampy tamin'ny fandikàn-teny tamin'ny tonon-kira #ImaginaNaCopa i Paula Góes. Fisantarana an'andraikitra amin'ny asa fanaovan-gazety an'olo-tsotra ny bilaogy #CopaPública [pt] izay mitatitra ny fiantraikan'ny Fifaninana Tompon-daka Manerantany 2014 eo amin'ny vahoaka Breziliana –ary koa ny fanentanana azy ireo

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.