Ekoatora: Tezitra Noho Ny Fahatapahan'ny Famatsian-drano Ny Mponina Ao Loja

Anaty fepetra amin'ny tany misahotaka ny faritanin'i Loja amin'izao fotoana izao: efa ho herinandro iray mahery, tanàna mpifanolo-bodirindrina efa ho 60 mahery no tsy manana rano madio fisotro, noho ny olana mianjady amin'ny fantsona goavana famatsiana rano. Naneho ny tsy hafaliany mikasika azy io sy ireo olana hafa any amin'ny faritra ny mponina ao amin'ilay faritany, tamin'ny fampiasana ny tenifototra #Loxaindignada sy #Lojaindignada [es, Loja tezitra].

Ny Agua Potable de Loja, orinasa misahana ny famatsiana rano, dia maka ny rano avy aminà loharano maro samihafa mba hamatsiana ireo mponina 180.000 ao amin'ny faritra. Amin'ny ankapobeny dia taterina amin'ny alàlan'ny fantsona goavambe ny rano ho any amin'ny toby iray fanadiovana; kanefa, ny rafitra iray manontolo mihitsy amin'izao fotoana no mihitsoka vokatry ny fahasimbàna [es] mahazo ilay rafitra famatsian-drano.

Ireo mpampiasa Twitter avy amin'ny lafy samihafa dia mametraka ilay fahaverezan'ny famatsian-drano ho avy amin'ny faharatsian'ny fitantanana ny ampahany ao amin'ny faritra iadidian'ny Ben'ny tanàna Jorge Bailón [es]. Manoratra i Pato Valarezo (@patovala) [es] mpihira sady mpanoratra, hoe :

JoseBolivarCalderon ‏ @jbcalderong “@ecuainm: #Loja: Más de 60 barrios no tienen agua potable, el problema lleva varios días sin solución.

Tanàna maherin'ny 60 no tsy manana rano fisotro, olana iray mbola mitoetra tsy nisy alaolana nandritra ny andro maro. Sary avy amin'i José Bolìvar Carderón @jbcalderong …..

 

@patovala: #Lojaindignada #Loxaindignada no entiendo como loja aguanta por tanto tiempo una administración municipal nefasta. Abre los ojos y reclama

@patovala: #Lojaindignada #Loxaindignada Tsy takatro mihitsy ny fomba nataon'i Loja niainana niaraka taminà fitantànana mahatsiravina tahaka izao nandritra ny fotoana ela. Mba sokafy ny masonareo dia manohera e

Etsy ankilany,  manoratra i Maluli (malufertan) [es] hoe :

@malufertan: como que si se solucionara inmediatamente los problemas de Loja con la salida del Alcalde!!

@malufertan: koa raha tsy hoe rehefa esorina ny ben'ny tanàna dia hivaha avy hatrany ireo olan'i Loja!!

Izay novalian'i Álvaro Castillo (@genesys33) [es] hoe :

@genesys33: @malufertan no se solucionan, pero debes dejar precedente, q las autoridades q no trabajan por la ciudad se las puede mandar a la casa

@genesys33: @malufertan Tsia, mety tsy hamaha azy ireny izany, saingy mila mihetsika ianao mba hahafahana manaisotra ireo manampahefana tsy miasa ho an'ny tanàna akory

Leonardo Javico L. (@leonardojavi) [es], mpanao gazety ara-panatanjahantena, dia mino fa tsy miasa loha amin'izay toetoetry ny tanàna akory ny ben'ny tanàna :

@leonardojavi: @LoxaIndignada sin agua, calles en pésimo estado y un Alcalde q no hace nada, hasta cuando…!!!

@leonardojavi: @LoxaIndignada tsy misy rano, simba tanteraka ny arabe ary tsy manao na inona na inona ny ben'ny tanàna. Mandra-pahoviana…!!!

Giovanni Carrión (@GiovanniCarrion) [es], mpahay toekarena, no maneho ny hatezerany noho ny tsy fisian'ny fhaiza-mitantana izay inoany fa efa niainan'ny tanàna nandritra ny valo taona naha-teo amin'ny fitondrana irao mpitantana ankehitriny.

@GiovanniCarrion: 8 años de una Alcaldía donde lo único que destaca es “la silla vacía”. Hasta cuando Padre Almeida!. #Loxaindignada

@GiovanniCarrion: 8 taona niarahana tamin'ny Biraon'ing Ben'ny Tanàna, izay ny hany zavatra miangana dia ny “seza foana”. Mandra-pahoviana, Padre Almeida!. #Loxaindignada

Jhuliana Moreno (@jhuly_ldu05) [es] dia leo amin'ny fandoavana vola aminà tolotra izay tapaka nandritra ny andro maro :

@jhuly_ldu05: #LoxaIndignada somos un país con riqueza fluviales y aquí comprando agua? no pago por servicios?

@jhuly_ldu05: #LoxaIndignada Firenena manankarena loharano isika, dia nefa mividy rano aho eto? Tsy nandoa ny faktiorako ve aho no omena tolotra toy ity?

José Bolívar Castillo (@chatojobol) [es], ben'ny tanàna fahiny tao Loja, dia miarahaba ireo mpisera ety anaty aterineto eo ambanin'ilay tenifototra #LojaIndignada sady manasa ny monina hanao izay handrenesana ny fitarainan-dry zareo

@chatojobol: Loja no soporta más una administración ineficiente y sin visión. Felicitaciones a la iniciativa #LojaIndignada. Todos debemos involucrarnos.

@chatojobol: Tsy hiaina zavatra tsy manjary, fitantanana tsy ampy fitsinjovana tahaka izao intsony i Loja. Arahabaina ny fandraisana andraikitra #LojaIndignada. Tokony handray anjara isika rehetra.

Ao anatin'ilay lahatsoratra “#Loxa indignados ? primero piensen estos tres puntos” [es] (“Tezitra i Loxa ? Voalohany indrindra, jereo ireto teboka telo ireto”), ilay bilaogera Carlos Correa [es] dia mifantoka amin'ny fiantraika mavesatra nentin'ny tenifototra #Loxaindignada :

Las quejas y protestas sobre el apocalíptico estado de la ciudad otra vez llegan a Twitter. Anoche y esta mañana hubo intensas discusiones, algo que seguramente ningún medio 1.0 local recogerá porque para ellos –en general– lo que pasa en las redes sociales no es noticia, perdiendo una oportunidad única de empezar a conversar.

Nahita ny làlany tety anaty Twitter indray ireo fitarainana sy hetsi-panoherana ny toe-draharaha mahatsiravina ao an-tanàna. Ny alina talohan'izao sy io maraina io dia nisy fifanakalozan-dresaka mafonja, zavatra izay azo antoka fa tsy hisy mihitsy handray azy amin'ireo media Web 1.0 ao an-toerana , satria ho azy ireo – amin'ny ankapobeny – tsy mba vaovao izay zava-mitranga ety anatin'ny tontolon'ny media sosialy, miaraka amin'izay dia diso fotoana iray tsy manam-paharoa tokony ho nahafahany nanomboka adihevitra ry zareo.

Ao anatin'ny teboka voalohany amin'ity fandalinany ity, i Carlos dia mibanjina ny fampiasana ireo tambajotra sosialy :

1. Capacidad de convocatoria en Twitter. Si quieres tener verdadero impacto es obvio que los resultados serán ínfimos cuando trabajas prácticamente sólo, crear masa crítica no es fácil. pero cuando ya existe es absurdo despreciarla.

2. Salir de la burbuja 2.0. Como un imperativo, no necesita de demasiadas explicaciones, aunque puedo escribir párrafos citando las dificultades para hacerlo realidad.

1. Ny tanjaky ny Twitter amin'ny famoriana olona. Raha te-hahita vokatra mivaingana ianao, dia mazava be fa tsinontsinona ny vokatra ho azonao raha miasa irery; tsy mora koa ny manetsika olona maro. saingy vantany vao mitranga izany dia hadalàna ny tsy hijerena azy.

2. Avoahy ny “2.0 bubble”. Ho toy ny baiko, tsy ilaina ny fanazavàna lavareny be loatra, na dia azoko atao aza ny manoratra andàlana maro momba ireo olana aterak'izany amin'ny famadihana azy ho tena zava-misy.

Ho an'ilay teboka farany, tsipihan'i Carlos fa izay rehetra fanesorana na fametraham-pialàn'ny birao avy amin'ny ben'ny tanàna izy tenany mihitsy, dia tsy hanampy velively an'i Loja hanatsara ny toe-draharaha ankehitriny mandritra ny fotoana maharitra :

3. Plan de acción propositivo. Se habla de revocatoria, pedido de renuncia y hasta de expulsión al actual Alcalde. Faltando un año para que se vaya, ¿creen de verdad que eso va a traer una solución definitiva a largo plazo?. Yo no lo creo. Tenemos propuestas y planes de acción, por ejemplo lean estos, aquí lo que sobra es pereza (clicacktivismo) y alcanfor, y mientras no entendamos que eso es nuestro defecto dominante social estaremos viviendo el Mito de Sísifo una y otra vez.

3. Drafitr'asa fandraisana andraikitra. Miresaka fipoahana ny olona, hitakiana ny fametraham-pialàn'ny ben'ny tanàna ankehitriny, hatramin'ny fialàn'ny biraony. Herintaona monja sisa tsy hahavitan'ny fitantanany, dia tena inoan-dry zareo ve fa tena hitondra vokatra maharitra izany, vahaolana indray mandeha tsy miverina? Tsy mino an'izany aho. Manana sosokevitra sy drafitr'asa izahay, vakio ireto [es], ohatra, zavatra tsy ilaintsika ny hakamoana (clicacktivismo [es]) sy ny fanemoran-dava, ary raha mbola tsy takatsika foana hoe io no tena kilema fototry ny sosialintsika, dia mbola hiverina hiaina ny Tantaran’ i Sisyphus isika, hatrany hatrany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.