Gazety Nepali Manome Feo Ireo Vitsy An'Isa Odian-Tsy Hita ao Hong Kong

Nivoaka voalohany tao amin'ny inmediahk.net tamin'ny 21 Febroary 2013 tamin'ny teny Shinoa ity lahatsoratr'i Feifei ity. Nadikan'i Ronald Yick sy nampiarahana ny fitantarana ny zavamisy sansantsasany ka navoaka indray araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Manodidina ny 451.000 eo ho eo ny isan'ny vondron'olona vitsy an'isa monina ao Hong Kong amin'izao fotoana izao, ka mihoatra ny 63.000 amin'izy ireo no avy any Azia Atsimo (India, Pakistan ary Nepal), araka ny hita amin'ny fanisana mponina nataon'ny governemanta tamin'ny 2011 [pdf]. Tsy mahay teny shinoa ny akamaroan'izy ireo, ny teny anglisy no tena be mpiresaka indrindra ao an-tanàna. Tsy misy fampielezam-peo na fahitalavitra ho an'ireo fiaraha-monina vitsy an'isa ka sarotra ho azy ireo ny mahazo ny vaovao ao an-toerana sy mahalala ny zavatra ifantohan'ny olona. Mandritra izany fotoana izany, tsy dia mitodika any amin-dry zareo ihany koa ireo gazety be mpividy sy ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny.

Feo tsy re ao Hong Kong

Nanapa-kevitra ny hanodina ny fampitam-baovaony ho azy manokana ireo vondro-piaraha-monina vitsy an'isa sasantsasany, mamoaka vaovao ho an'ireo mpiray tanindrazana aminy ary mampifandray ireo vondro-poko isankarazany. Iray amin'ireo manana olona betsaka afa-mamelona ny famoahan-gazety manokany ny vondro-poko Nepali. Amin'izao fotoana izao  dia telo  ny isan'ny gazety Nepali ao Hong Kong. Iray amin'ireo ny antsoina hoe Ethnic Voice. Mivoaka isan-kerinandro, mitati-baovao amin'ny teny Nepali sy teny Anglisy, ary manana fantsona Fantsom-baovao YouTube. Manao atrikasa ihany koa ny Nepalis ary mandrisika ny Nepalis ho olo-tsotra tia mitati-baovao.

Pun Magar J. B., editor-in-chief of Ethnic Voices

Pun Magar J.B., Tonia lehiben'ny Ethnic Voice

Nahazo ny diplaoman'ny master eo amin'ny fanaovan-gazety tany Nepal i J.B., tonia lehiben'ny Ethnic Voice. Efa za-draharaha an-taonany maro amin'ny sehatry ny fampielezam-peo sy ny fahitalavitra izy. Herintaona izay, nisy namany nanasa azy hankany Hong Kong hanomboka ny Ethnic Voice. Miorina ao amin'ny distrikan'i Jordan ny gazety ary mampiasa ampahany manao ny fandikan-teny ao ny mpianatr'i Hong Kong. Ny Nepali ao an-toerana no lasibatra. Afa-mividy azy amin'ny 5 Hong Kong dollars (0,64 US dollars) avy amin'ny mpivarotra enta-madinika mihoatra ny 100 tazonin'ny avy amin'ny foko vitsy an'isa ry zareo. “Tsy hamaky vaovao zaraina maimai-poana ny Nepali. Tian-dry zareo kokoa ny mamaky izay novidiany,” hoy ny fanazavan'i J.B.

Maro amin'ireo Nepali no Gurkhas izay nanompo tao amin'ny vondro-tafika Britanika tao Hong Kong mandra-piverenan'ilay tany ho an'i Shina. Eny amin'ny faritra misy sy akaikin'ny toby no tenba ahitana ireo miaramila sy ny fianakaviany, saingy niely tany amin'ny distrika hafa ry zareo taty aoriana.

Gazety tsy miankina manome vahana ny fiovana ara-tsosialy

Mino i J.B. fa afa-mitondra fiovana ara-tsosialy ny gazety tsy miankina. Ho azy, lalana iray hampiroboka ny vitsy an'isa ho ao an-tsehatry ny fiaraha-monina ny fananganana fifampiresahana amin'ny alalan'ny famoahan-gazety. Nosoratana amin'ny teny Nepali aloha ny Ethnic Voice ary ahitana teny anglisy ihany koa. Nepali no ampiasaina hitaterana ny vaovao sy zavamisy mahakasika ny Nepali ao Hong Kong. Rehefa mahakasika ny politika ao an-toerana sy ireo vondron'olona vitsy an'isa ny vaovao dia atao amin'ny teny anglisy izany. Manatsara ny fifankahazoana izany fifandaminana izany.

Anelanelan'ny 1000 sy 5000 isan-kerinandro ny isan'ny gazety mivoaka isan-kerinandro. Efa nahasarika mpanao volamena hanao dokambarotra ao aza ny gazety. “Mieritreritra io orinasa io fa misy dikany ny zavatra ataonay, ka te-hanao zavatra ho an'ny vondro-piarahamonina izy. Raha nangataka ny hanaovany dokambarotra aho, fa vetivety ry zareo dia nanaiky,” hoy ny fanazavan'i J.B. Nahazo fankatoavana ankapobe avy amin'ny vondro-piarahamonina ny gazety. Nandritra ny tafatafa nifanaovanay tao amin'ny distrikan'i Jordan, maro ireo olona niato kely hiarahaba azy.

Grocery stores run by ethnic minorities are major distribution outlets for Ethnic Voices.

Mpivarotra enta-madinika tantanin'ny olona vitsy an'isa no teny toera-pampielezana ny Ethnic Voice

Efa nisy ihany fotoana vitsy dia vitsy nahafahan'ny governemantan'i Hong Kong, ny Shinoa tao an-toerana, ary ny vondro-piarahamonina vitsy an'isa nifanatri-tava tao an-tanàna. Niezaka ho rohy mpampifandray ny Ethnic Voice. Ohatra, minia mandefa gazety any amin'ireo birao politika ao an-toerana sy amin'ireo vondron'olona vitsy an'isa hafa i J.B. Nangataka tamin'ny tranom-bokim-panjakana aza izy hamandrika ny gazety mba hampitombo ny mpamaky azy, saingy tsy nahomby izany noho ny fahasarotan'ny fombafomba ara-panjakana.

Fitsaratsara-poana ataon'ny gazety amin'ny vondron'olona vitsy an'isa

Niteny i J.B. fa raha mitati-baovao momba ny firenena Aziatika Atsimo ny gazety ao an-toerana dia misy fahadisoana matetika vaovao noho ny tsy fahalalana ampy ananan'ny mpanangom-baovao ao an-toerana momba ny zava-misy. Vokatr'izany dia mora tratran'ny fijery diso mirona mankany amin'ny fanavakavahana ireo Aziatika Tatsimo aza ny vahoaka ao Hong Kong. Nahatadidy aza i J.B fa efa nisy gazety tao an-toerana indray mandeha nametraka teo amin'ny lohateniny hoe “fifandiram-poko” nefa fifandirana eo amin'olona roa ilay izy.

Navoitran'i J.B. fa tsy maintsy miasa mandritra ny ora maro dia maro ny ankamaroan'ny Nepali vao mahavo-tena, ka mifandraika amin'izany dia tsy taitra loatra amin'ny resaka politika ry zareo. Tena tadiavina vao liana amin'ny fandehan-draharaha sy ny politikam-panjakana ry zareo, na liana amin'ny fanentanana ny zon'ny vondron'olona vitsy an'isa. Tsy mahatsiaro loatra ny vondron'olona vitsy an'isa ny governemanta, raha tsy manam-pikasana loatra ny hifandrindra amin'ny fiaraha-monina ireo vondron'olona vitsy an'isa. Manantena i J.B. fa afa-mametraka seha-pikarakarana hanamoràna ny fandraisana anjaran'olona betsaka kokoa hampihenana ny fanavakavahana ny fiadidian'i Hong Kong . Manantena ihany koa izy ny hahita ny firaisan-kinan'ny Aziatika Tatsimo ka hiaro ny vondron'olona misy azy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.