Shina: Mitaky Fitovian-Jo Amin'ny Fanambadiana Ireo Ray Aman-dRenin'ny Ankizy Gay

Ray aman-dreninà gay ( lehilahy mifankatia) sy lesbienne ( vehivavy mifankatia) maherin'ny 100 avy any faritra samy hafa any Shina no nandefa taratasy misokatra any amin'ny solontenan'ny Kaongresim-Pirenen'ny Vahoaka any Shina mangataka amin'ny governemanta hanao ny fanambadian'ny mitovy fitaovam-pananahana ho ara-dalàna.

Nampian'ireo Ray aman-dreny, Fianakaviana ary ny Naman'ireo Lesbienne sy Gay any Shina ny famoahana ilay taratasy, izay milaza ny fahasahiranan'ireo gay sy lesbienne any Shina sy ny fitaintainana aterak'izany ho an'ny ray aman-drenin'ireo ankizy gay. Manodidina ny mitovy fananahana (homosexuel) 60 tapitrisa no monina any Shina, ary eo ho eo amin'ny 4 isan-jaton'ny mponina, araka ny voarakitra ao anatin'ilay taratasy :

我们的孩子有些跟同性伴侣已生活了近10年,他们相互照应,相亲相爱,却不能在另一伴生病需要手术时合法签字。身为同性恋者的家长,我们时常感到焦虑,因为不能合法结婚,我们孩子在领养下一代、生病手术签字、继承伴侣财产、甚至买房等各方面都受到不同程度的影响。

Efa ho nandritra ny 10 taona ny sasany amin'ny zanakay no niaina niaraka tamin'ny vadiny. Mifankatia sy mifampikarakara izy ireo, saingy tsy mbola voasoratra ho isan'ny fianakaviana ara-dalàna rehefa marary sy mila fandidiana ny iray. Mazana izahay no miasa saina momba an'io. Mametraka azy ireo amin'ny toeran-tsarotra ny tsy maha-ara-dalàna ny fanambadian'izy ireo rehefa mihevitra ny hanangan-jaza, amin'ny fanaovana sonia ny fandidiana ny ankilany, fandovàna izay maty, na hividy trano.

Nivoaka ny vaovao momba ilay taratasy taorian'ny tsy nanomezana alàlana ny fisoratam-panambadiana ho anà vehivavy lesbiennes roa tamin'ny tamin'ny fiandohan'ny herinandro tany Bejing.

Nanomboka teo dia nanjary lohahevitra mafana tao amin'ny tranonkala Sina Weibo, fanoratana bilaogy kiritika any Shina ny resaka fanambadiana gay. Nahitàna ady hevitra  22.994.467 ny fikarohana ny teny hoe  “gay marriage” ny tolakandron'ny 27 Febroary 2013.

A lesbian couple holding a sign that says "we want to get married." (A screenshot from youku)

Lesbienne (vehivavy mifankatia) mitàna ny soratra hoe : “te-hivady izahay.” (Dikasary avy amin'ny youku)

Voalahatra hatao amin'ny 5 Martsa 2013 izao ny fivoriana fanao isan-taonan'ny Kaongresim-irenen'ny Vahoaka. Na dia tsy mbola nisy nanao fanamarihana aza ireo solontenan'ny mpivory hatreto, maro amin'ireo Shinoa manampahaizana no mihevitra fa mahavelom-bolo ny fahitàna adihevitra misokatra momba io resaka io.

Nanadihady i Yuan Yulai, mpisolovava [zh]:

看来,中国确实已经不是原来的那个中国。

Tsy tahaka ny taloha intsony i Shina.

Izao no nosoratan'i Lian Peng, mpanao gazety malaza [zh]:

看到@新华视点 发的呼吁关注同性恋群体的微评,以及@头条新闻 将南都“百余名同性恋父母致信人大代表呼吁修改婚姻法”推为首条,感觉很温暖。中国同性婚姻之路任重道远。不管你是否赞同,要知道性取向不依人意志为转移的,对于别人的不同要学会尊重、理解和包容,这样的社会才是真正自由和宽容的社会。

Tsikaritra tao amin'ny Vaovaon'ny Weibo Xinhua ny fampitandremana ny vondrom-piarahamonina gay, ary naverin'ny Sina news indray ilay “taratasy misokatra” ho vaovao malaza. Heveriko fa fambara tsara izany. Lavitra ny làlana mbola hizorana amin'ny fanambadiana gay, nefa, na ekenao na tsia, dia tokony ho fantatrao fa ny firehana ara-pananahana dia tsy miova araka ny sitrapon'ny olona iray, ho an'ireo izay tsy mitovy amintsika, dia tokony hianatra hanaja, hahafantatra ary handefitra isika, io karazanà rafi-piarahamonina io dia tena malalaka sy feno fandeferana.

I Li Mu, mpanao gazety Shinoa iray miaina any Kanadà kosa dia tena manantena vokatra tsara  [zh]:

同性婚姻合法化,在中国只是时间问题。

Ho eken'ny lalàna ny fanambadian'ny mitovy taovam-pananahana any Shina, rsaka fotoana no sisa.

Na izany aza, nanakiana mafy ny fanambadiana gay ireo sasany mpiserasera amin'ny aterineto. I Lu Qi, tonian-dahatsoratry ny tranonkalanà tantara, dia nanentana  ny fanakanana ny fanambadiana gay :

中国早在商周时期就已有禁止“比顽童”(同性恋)的律法,同性恋的发展表明人类社会的发展和稳定受到严重危害。在中世纪欧洲,凡是同性恋者均会被处以极刑。如今在我国,随着男女比例的日益加大,同性恋现象的日益严重,立法禁止同性恋已经是迫在眉睫的大事。禁止同性恋、让父母不再蒙羞是我们的呼唤。

Na dia tany aloha be tamin'ny fanjakan'i Shang sy Zhou aza, dia efa nisy lalàna nanohitra ny fanambadian'ny mitovy taovam-pananahana ( homosexuel). Hita fa manelingelina ny fiarahamonina ny firoboroboan'ny homosexuel. Henjana ny sazin'ny homosexuel taloha ela be tany Eoropa fahagola. Ankehitriny, eto amin'ny tanintsika, miaraka amin'ny fanalalahana ny fampifandanjana ny lahy sy ny vavy sy ny firoboroboan'ny vondrom-piarahamonina gay, dia tena maika ny hanaovana lalàna mandrara ny fanambadiana gay. Antso ataonay ity handraràna ny fanambadiana gay ary tsy hahatsiaro ho menatra intsony ny ray aman-dreny.

Tsy voalohany izao no niresahana teny ambony latabatra ny fanambadiana gay any Shina. Tany am-piandohan'ny 2007, nisy fanadihadiana nataonà mpandinika momba ny fitaovam-pananahana (sexologue) Li Yinhe izay naneho fa any amin'ireo tanàna salantsalany -sy ireo tanàn-dehibe ao Shina dia maherin'ny 80 isan-jato no mino fa noforonina hitovy ny homosexuel sy ny heterosexuel (fiarahan'ny tsy mitovy taovam-pananahana). Tamin'ny volana Martsa 2012, ray aman-dreninà Shinoa homosexuel 10 no nanoratra ho amin'ny vondrona mpanolotsaina momba ny lalàna sy ireo mpisolovava ara-politika any Shina mba hamoahana lalàna manameloka ny fanavakavahana ireo gays.

Ny vinavina nataon'ilay sexologue Zhang Beichuan dia milaza fa homosexuel manodidina ny 10 tapitrisa  no manambady heterosexuel any Shina, ary eo ho eo amin'ny 80 na 90 isan-jaton'ny lehilahy gay no efa nanambady na mety hanambady vehivavy heterosexuel.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.