Printsy Saodiana: “Tsy Milefitra Amin'ireo Vehivavy Midina An-dalambe Ny Lehilahy Manantsaina”

Nilaza ny printsy Saodiana androany fa tsy milefitra amin'ireo vehivavy midina an-dalambe [hanao fihetsiketsehana] ny lehilahy misaina. Taorian'izany fanambarana navoakan'ny governora lefitry ny faritany Al Qassim, Faisal bin Mishal izany, niharan'ny famoretana ny sit-in nokarakarain'ireo vehivavy mitaky ny fanesorana ny Minisitry ny Atitany tamin'ny Alatsinainy teo, tao an-tanànan'i Buraida, ao Arabia Saodita. An-jatony ireo mpanao fihetsiketsehana voasambotra ary olom-pirenena hafa koa nalefa eny amin'ny fitsarana fa nanampy sy nanohana ireo vehivavy.

Talohan'ny fisamborana azy ireo, nanatontosa lahatsary fijoroana vavolombelona izay antsoin'izy ireo hoe “heloka bevavan'ny Minisitry ny Atitany” ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana, izay mitantara ny zava-nitranga tamin'izy ireo tamin'ny sit-in teo aloha. Narakitry wa3iclub tao amin'ny Youtube ny zavatra tena misongadina tamin'izany lahatsary izany ary navoakany tamin'ny dikantsoratra amin'ny teny anglisy eto:

Ny ampitso marainan'ny fisamboarana ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 28 Febroary, lehilahy maherin'ny 160, vehivavy 15 ary ankizy enina, izay fianakavian'izy ireo avokoa ny ankamaroany no nanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny Biraon'ny Fanadihadiana sy ny Famotorana ao Buraida. Rehefa tsy nisy na inona na inona nitranga, dia nanapa-kevitra ny hatory nandritra ny alina teo izy ireo. Horonantsary tsy dia mahazatra mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana mihirahira amin'ny alina eo ivelan'ilay Birao: “Ry gadra, aza manahy. Antsika ny fahamendrehanareo, antsika ny rà anareo.” [ar]

Narakitry  Raed Abu Faisa tao amin'ny YouTube ity lahatsary manaraka ity:

Ny ampitso maraina, Zoma 01 Martsa, nohodidinina ary nosamborina ireo mpanao fihetsiketsehana. Hoy ny Amnesty International nitatitra:

Fara-fahakeliny, lehilahy sy vehivavy 176  no nosamborina vao maraimbe rehefa avy nikarakara fihetsiketsehana milamina teo ivelan'ny Biraon'ny Fanadihadiana sy ny Famotorana Heloka Bevava  ao Buraida, tanàna ao avaratry ny renivohitra Riyadh, ao amin'ny faritanin'i Qassim.

Vao maraimbe tamin'ny 3 Martsa, nihaona tamin'ireo mpitondra fivavahana am-polony sy olo-mana-kaja ao an-tanàna ny governora lefitry ny faritany Qassim, Faisal bin Mishal mba hiresaka momba ny toe-draharana. Marya al-Fahad, zanaka vavin'iray amin'ireo nanatrika ny fivoriana, nisioka hoe

الأمير : لا يرضى عاقل أن تخرج للشارع امرأة .. والدي : العاقل لا يدفع المرأة للخروج للشارع لذا ننهي القضية من جذورها . #اعتصام_بريدة

@_muora: Hoy ny printsy: “Tsy handefitra amin'ireo vehivavy midina an-dalambe ny tena lehilahy.” Hoy kosa ny raiko: “Tsy hanery ireo vehivavy hidina an-dalambe ny tena lehilahy. Tokony hovahana ny fototry ny olana.”

Fanampin'izany, voampanga sy nataon'ny polisy miafina fanadihadiana ny olom-pirenena lehilahy iray nitondra bodofotsy nandritra ny fihetsiketseham-behivavy tamin'ny 26 Febroary. Talohan'ny nisamborana azy, nandrakitra lahatsary manazava ny zava-nihatra taminy izy [ar]:

https://www.youtube.com/watch?v=OKQkMtAYiJ8

Mbola voatàna any am-ponja izy amin'izao fotoana [anoratana] izao. Araka ny filazan'ny mpikambana iray  Abdullah al-Saidi ao amin'ny Fikambanana miaro ny zo sivily sy ny zo ara-politika Saodiana:

هارون العقيل اعتقل لتقديمه بطانيات للمعتصمات واليوم سيحال للمحاكمة مع رفض طلبه توكيل محامي !

@abdulllah1406 Nosamborina i Haroon al-Aqeel satria nanome bodofotsy ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana ary androany hoentina eo anatrehan'ny fitsarana izy. Tsy navela haka mpisolovava izy.

Hoy izy naneho hevitra:

سنناضل للحصول على نسخة من صك الحكم الذي سيصدر على هارون العقيل ليوضع في متحف وتنظر إليه الأجيال القادمة

@abdulllah1406: Hitolona isika mba ahazoantsika dika amin'ny didim-pitsarana havoaka ho an'i Harron al-Aqeel ka afaka hapetatsika eny amin'ny mozea ho an'ny taranaka hoavy izany mba hojeren'izy ireo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.