Fianakaviana Breziliana Very Trano Noho Ny Fiadiana Ny Ho Tompondakan'ny Baolina Kitra

Ampahany amin'ny fandrakofana manokan'ny Agência Pública ny #CopaPública [pt] ity lahatsoratra ity, izay nosoratan'i Andrea Dip, ary navoaka voalohany ny 26 Jona 2012, tamin'ny lohateny  Nody An-trano Tamin'ny Fotoana Nanimbàna ny Tranony Indrindra i Elisângela : Jereo ny Minidoc [pt]

Tsy tao an-trano i Elisângela rehefa tonga tsy nisy fampandrenesana ireo manam-pahefana handrodana ny tranony tany amin'ny havoanan'i Pavão-Pavãozinho any Rio de Janeiro.

Namoha ny varavarana ny zananivavy 17 taona ary nisy nilaza fa harodana izao dieny izao ny tranony. Nikorapaka niantso ny mamany io zazavavy io:

Tem vários homens da Prefeitura aqui na porta; eles estão dizendo que vão derrubar a nossa casa.

Feno lehilahy maro avy any an-tanàn-dehibe tonga eto am-baravarana; milaza izy ireo fa handrodana ny tranontsika.

Nihazakazaka niverina an-trano i Elisângela, niezaka nifanaraka tamin'ireo lehilahy, nangataka andro hikarohana trano, nefa tsy nisy vokany.  Tanatin'ny ora vitsivitsy, potipotiny sisa no tavela. Tamin'ny voalohandohan'ny 2011 no nitranga izany toe-javatra izany. Hatramin'ny androany, tsy nisy nanome onitra na toerana hipetrahana i Elisângela. Tsy maintsy lasa nipetraka tany amin'ny raibe sy renibeny ilay zananivavy, raha mbola mikaroka trano vaovao kosa i Elisângela.

Elisangela Olha Destruição. Foto: Agência Pública / Crédito: Henrique Zizo

Mijery ny toerana nisy ny tranony narodana i Elisângela. Sary: Agência Pública / Credits: Henrique Zizo

Ilay fanadihadiana bitika “Isika no Lova: ny Tantaran'i Elisângela” (“O Legado Somos Nós: A História de Elisângela”) no voalohany amin'ireo fitohizanà lahatsary ‘portraits’ novokarin'ny  fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Witness, izay niara-niasa tamin'ny  Komitim-Bahoaka“Rio Copa e Olimpíadas mifandray amin'ny Fiadiana ny Tompondakan'ny Baolina Kitra Eran-tany Sy Ny Olaimpika , amin'ny fitantaràna ny tantaran'ireo niharan'ny fandroahana an-keriny tany Rio de Janeiro, mifandray mivantana na ankolaka amin'ny Fiadiana ny Tompondakan'ny Baolina Kitra 2014 sy ny Olaimpika 2016. Priscila Neri, avy amin'ny Witness, manazava fa feon-dakolosy hafa amin'ny voalazan'ny mpitantara izany, izay milaza fa mizotra tsara araka ny lalàna sy ny resaka mitohy amin'ireo vondrom-piarahamonina ny zavatra atao rehetra.

Elisângela No Pavão Pavãozinho. Foto: Agência Pública / Crédito Henrique Zizo

Elisângela any Pavão Pavãozinho. Sary: Agência Pública / Credits: Henrique Zizo

Raha ny mikasika an'i Elisângela manokana, ny porofon'io fandroahana io tamin'izany fotoana dia ny hoe anatinà faritra saropadin'i Pavão-Pavãozinho no misy ny tranony, nefa trano vitsivitsy ihany no narodana ary, araka ny Komitim-Bahoaka”Rio Copa e Olimpíadas” mifandray amin'ny Fiadiana ny Tompondakan'ny Baolina Kitra Eran-tany Sy Ny Olaimpika, tsy mbola nisy olona tonga nanala ireo korontana tavela akory. Eo anelanelan'ny roa amin'ireo faritra afovoany indrindra an'i Rio io vohitra io: Ipanema sy Copacabana.

Araka ny antontan-taratasy [pt] navoakan'ny Komitim-bahoaka “Rio Copa e Olimpíadas”, mikatsaka ny hampiasa ny resaka risika ara-jeografika sy ara-potodrafitrasa ny tanàna handroahana fianakaviana maherin'ny 300 avy ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny Pavão-Pavãozinho:

Até o momento a Prefeitura não apresentou o laudo que comprove o risco e nem discutiu com a comunidade a possibilidade de realização de obras para garantir a segurança dos moradores.

Hatreto dia mbola tsy nanolotra taritra ara-teknika izay manaporofo ny filazana risika ary tsy mbola noresahina  tamin'ireo vondrom-piarahamonina ny mety hisian'ny asa fanamboarana ny tanàna hiantohana ny fiarovana ny mponina.

Mbola araka io Komitim-bahoaka “Rio Copa e Olimpíadas” io ihany, nilaza ireo manam-pahaizana nanoratra tatitra teknika mikasika ireo faritra tahaka ny Pavão-Pavãozinho fa vitsy kokoa ny vola lany amin'ny fanaovana asa fanamboarana mba hamerana sy hanamafisana io hantsana io, ho fisorohana ny risika hilatsahana anatin'ny hantsana, raha oharina amin'ny vola mety ho lany amin'ny famindràna toerana an'ireo fianakaviana mipetraka ao amin'io faritra io.

Jereo ilay fanadihadiana fohy :

Ny bilaogy #CopaPública [pt] dia hetsiky ny fanaovan-gazetim-bahoaka iray izay mitatitra ny fiantraikan'ny Fiadiana ny Tompondaka Eran-tany 2014 eo amin'ny mponina Breziliana, sy ny fanetsehana azy ireo hanohitra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.