LAHATSARY: Ao Bolivia, Mitantara Fohy Ny Fiarahamonina Ao Aminy Ireo Vehivavy Teratany

MPitarika amin'ny vondro-piaraha-monina teratany ao Cochabamba, Bolivia  i Marisol, izay voatery hifindra tao an-tanàna mba hitady zavatra mahasoa sy tsaratsara kokoa tahaka ireo vehivavy indizeny maro. Iray amin'ireo vehivavy maneho ny heviny ao amin'ireo andian-dahatsary fanadihadiana avy amin'i Periodismo Humano [es] momba ny vehivavy ao amin'ny fiarahamonina Boliviana izy. “Ianao vehivavy sady teratany no mahafadiranovana indrindra eto ,” hoy izy.

Nitantara  ny zava-misy ireo vehivavy natao fanadihadiana manerana ny nosy fa ananan-trosa ny fananana krômôzôma X anankiroa ao Bolivia. Tsy dia nandia fianarana firy ny vehivavy ary tsy dia mampidi-bola firy, ary na nahitana fitomboana aza ny fandraisan'anjaran'ny vehivavy eo amin'ny sehatra politika, mbola mitolona amin'ny tokony hihainoana ny fanehoa-keviny ireo vehivavy mpitarika ao Bolivia.

Mario Munera Rodríguez, mpanao gazety sy nanatontosa ilay andian-dahatsary, nanoratra hoe [es]:

El dibujo social en el que se enclava la mujer boliviana viene dado por el contraste de, por un lado lo que allá definen como agringados o personas que desean imitar los estilos de vida (a ojos de) capitalistas y por el otro el de aquellas y aquellos que tienen raíces y se niegan a dejarlas atras.

Ny maodely sosialy nahatonga ny vehivavy Boliviana tsy dia misongadina dia noho ny fifangaroana etsy andaniny, eo amin'izay faritana fa agringados na ireo te-haka tahaka ny fomba fiainana kapitalista (amin'ny fomba fijeriny), ary etsy ankilany eo amin'ireo izay manam-piaviana ary mandà tsy hiala amin'izany (fiaviana) kosa.

Miresaka momba ireo tovovavy sy ny fidirany an-tsekoly kosa ny lahatsary faharoa [es]. Hoy i  Munera nitatitra tao amin'ny lahatsary:

Según el INE [Instituto Nacional de Estadistica] 2001 en Bolivia, la tasa de analfabetismo de mujeres es de 19,35 por ciento, mientras la tasa de analfabetismo masculinos es del 6,94 por ciento. En el campo el analfabetismo femenino es del 37,91 por ciento, en contraposición al masculino que es de un 14,42 por ciento.

La educación de la mujer es muy importante. La escolaridad alcanzada por las mujeres influye directamente en las condiciones de salud, nutrición y supervivencia de los hijos. Asimismo, incide en la mortalidad materna.

Araka ny voalazan'ny INE (Ivon-toerana Nasionaly misahana ny antontanisa) tamin'ny 2001 tao Bolivia, 19,35% ny tahan'ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra ho an'ny vehivavy, ary 6,94% kosa ny tahan'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ho an'ny lehilahy eny ambanivohitra. Ao andrenivohitra kosa dia 37,91% ny tahan'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ho an'ny vehivavy ary 14,42% ny lehilahy.

Zava-dehibe ny fampianarana ny vehivavy. Miantraika mivantana amin'ny taham-pahasalamana, ny sakafo sy ny fivelomanan'ny ankizy ny fampidirana ny vehivavy an-tsekoly. Miantraika amin'ny fahafatesan'ny vehivavy miteraka ihany koa izany.

Nilaza i Sonia, mpahay fiarahamonina nohadihadiana tao amin'ny lahatsary fa “manabaty vehivavy tanteraka ny fampianarana ao Bolivia. Raha ny tena marina, tsy omena lanjany ny tovovavy.”

Amin'ny lahatsary fahatelo, nanararaotra ny fandraisan'anjaran'ny vehivavy amin'ny politika [es] i Munera.  Ahitana ity fomba fiteny ity ny lahatsoratra hita ao amin'ny lahatsary:

“Muchas han tenido que usar la violencia para hacerse respetar, para ponerles el límite al hombre”

“Maro ireo voatery mampiasa herisetra mba hohajaina, sy hanisy fetrany eo amin'ireo lehilahy.”

“Los hombres piensan que las mujeres son para que se recreen incluso en estas circunstancias, de compañeras en la política”

“Mihevitra ny lehilahy fa fialam-bolin'izy ireo ny vehivavy, na dia amin'izany toe-javatra izany aza, voakasika ihany koa ireo mpiara miasa amin'ny sehatra politika.”

“Se busca a las mujeres para alistarlas dentro de los partidos políticos postulantes al gobierno y tratan de cumplir con el 30% de participación de las mujeres, pero nominalmente”

“Mitady vehivavy  hampiasana amin'ny politika sy ho kandidà amin'ny governemanta ireo lehilahy ary angamba miezaka hanatratra 30% amin'ny fandraisan'anjaran'ny vehivavy, fa saingy amin'ny alalan'ny fanendrena ihany.”

“Todavía los hombres toman las decisiones y las mujeres tienen sólo que levantar la mano”

“Mbola ny lehilahy no manapa-kevitra fa mananga-tanana fotsiny ny vehivavy.”

“El gobierno han cooptado a muchos de los intelectuales y pensadores de izquierda que nos decían sobre por dónde debíamos ir”

“Niara-nidinika tamin'ireo avara-pianarana sy ideology (mpisaina) maro sy mpandinika avy amin'ny ankavia amin'izay ilaina andehanana ny governemanta.”

“Quienes hemos estado cuestionando la política del gobierno, no de manera destructiva y quienes no somos de derechas, hemos sido las organizaciones de mujeres”

” Ireo  nanontany momba ny politikan'ny governemanta, tsy amin'ny fomba mandrava sy tsy avy amin'ny antoko ankavanana dia ny fikambanam-behivavy”.

Farany, amin'ny lahatsary faha-efatra sady farany [es], nanipika i Munera fa “70%-n'ny herisetra ara-nofo sy manabanty vehivavy momba ny hetraketraka nitranga tao amin'ny firenena.” Tamin'ireo andianà fanadihadiana, nanazava ny toe-javatra iainan'ireo vehivavy iharan'ny herisetra ataon'ny lehilahy monina ao Bolivia ny mpandrindra, ny mpahay fiarahamonina ary ny mpahay momba ny toe-tsaina.

Faranan'ireo andianà sary fotsy sy mainty ny lahatsary, saingy nolazaina teny amboalohany fa: “Tsy misy lehilahy te-handray anjara tamin'ny fanatontosana ity lahatsary fanadihadiana ity.”

Niara-niasa tamin'ny fanomezana dikan-dahatsoratra tamin'ireo lahatsary i Azucena Ramos, Jaime Fraire, Libanez, Maggie S, sy i Molly Allison-Baker.
Tamin'ny teny espaniola no nandefasana ity lahatsary ity tany am-boalohany tamin'ny volana marsa 2012.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.