Afomanga Nahavoa Tsy Ampy Taona sy ny Etikan'ny Media ao Bolivia

Nahafaty olona, rehefa nahavoa sy namono zazalahy 14 taona ny afomanga nalefa nandritra ny lalao football [es] iray tao Bolivia. Mba hitantarana ny voina dia nampiasa ny pejy facebook-n'ilay zazalahy ny mpitati-baovao, ka niteraka ny adihevitra hoe mifanaraka amin'ny etika, na hoe ara-dalàna ve ny mampiasa sarin'olona mbola tsy ampy taona avy amin'ny tambajotra sosialy.

Nanohana ny ekipa San Jose, ekipa football avy ao an-tanànan'i Oruro any Bolivia ilay zazalahy tamin'ny 20 Febroary 2013. San Jose was playing against Nifampitàna tamin'ny Corinthians, ekipa Breziliana malaza i San Jose  ary miaro ny tompondaka Copa Libertadores 2012, fifaninanana lehibe indrindra ho an'ny ekipa any Amerika Latina.

Dimy minitra taorian'ny fanombohana dia nahatafiditra baolina ny Corinthians. Na dia voarara any amin'ny kianja filalaovam-baolina fandaka aza ny afomanga dia mbola noraisin'ny mpanohana sasany tamin'ny alalan'izany fitaovana izany io baolina tafiditra io, ka nisy niantefa tany amin'ilay zazalahy 14 taona mpanohana Boliviana ny pitiny. Nolazain'ny media tao an-toereana [es] fa nahazo ny fitsaboana ilay zazalahy, saingy maty noho ny ratrany raha mbola teny an-dalana ho any amin'ny hopitaly.

Nanomboka nanaraka akaiky ny toe-draharaha ny media tao an-toerana sy iraisampirenena rehefa nisy mpanohana ny Corinthians maro nosamborina; mbola misy vitsy voatazona vonjimaika ao amin'ny polisy ary mety hotsaraina.

Tomislav Konestabo / Shutterstock.com

Tomislav Konestabo / Shutterstock.com

Nohitsian'ilay mpiserasera Mario Duran (@mrduranch) [es] fa nampiasa ny sarintavan'ilay niharam-boina tao amin'ny Facebook ny fampitam-baovao tao an-toerana mba hitantarana ny voina. Nanadihady tamin'ny alalan'ny Twitter i Duran raha toa ka mifanaraka amin'ny etika sy ny maoraly ary ny lalàna izany famoahana [sary] izany:

@mrduranch: una duda, medios de prensa pueden publicar fotos de menores de edad? #bolivia

@mrduranch: Fanontaniana, afa-mamoaka sarin-tanora tsy ampy taona ve ny gazety? #Bolivia

Samy manana ny fijeriny ny mpiserasera, indrindra fa ny mpanao gazety. Namoaka valiny vitsy i Mario Duran ao amin'ny bilaoginy Palabras Libres [es].

Namaly ny fanontanian'i Mario avy hatrany i Fabiola Chambi (@fabiolachambi) [es], mpanao gazety mazoto an-tserasera:

@fabiolachambi:@arquitecta @mrduranch No es ético, falta a la moral y habla mal del medio y de su proceder.

@fabiolachambi: @arquitecta @mrduranch Tsy mifanaraka amin'ny etika, mifanohitra amin'ny maoraly ary mampiseho fomba ratsin'ny media.

Miteny i Ruben Atahuichi (@RDAtahuichiL) [es], tonian-gazety lehibe iray ao amin'ny firenena:

@RDAtahuichiL@mrduranch Dependiendo de la connotación: si afectan su integridad o los ponen en riesgo, no

@RDAtahuichiL@mrduranch Miankina amin'ny zava-misy: raha manosihosy na ahiana hanimba azy dia tsia.

Maneho hevitra avy amin'ny fijerin'ny lalàna i Mario Duran taty aorina:

@mrduranch: @gezn no es legal, no porque esta en internet puedes usar imagen de individuo sin consentimiento cc @sniferl4bs

@mrduranch: @gezn Tsy ara-dalàna, tsy hoe hita tao amin'ny aterineto ity dia manome alalana anao hamoaka ny sary tsy nahazoana alalana cc @sniferl4bs

Nijery ny lohahevitra avy amin'ny fomba fijery hafa kosa i Mauricio Quiroz (@MichoQuiroz) [es], mpanao gazety hafa:

@MichoQuiroz@RDAtahuichiL @mrduranch Si la imagen no denigra al menor pueder ser empleada. La imagen en cuestión es de contexto.

@MichoQuiroz@RDAtahuichiL @mrduranch Azo atao ny mampiasa ny sary rehefa tsy manaratsy azy. Mifanaraka amin'ny [vaovao] ilay sary voalaza.

Niditra tamin'ny adi-hevitra ihany koa i Cesar Galindo (@CesarGalindQNMP), mpanao gazety manana ny lazany sady mpanentana amin'ny fahitalavitra, tamin'ny filazana hoe:

@CesarGalindQNMP: @mrduranch @jesus_alanoca Sin duda todos caemos en tentación sin importar las consecuencias pero la ética es un código q esta en la sangre

@CesarGalindQNMP: @mrduranch @jesus_alanoca Tsy isalasalana fa tratran'ny fakam-panahy daholo isika rehefa tsy jerena ny vokany, saingy lalàna ao amin'ny ran'ny mpanao gazety ny etika

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.