Kianin-dry zareo Senegaly Ny Fahafahana Vonjimaika Nomena An'i Béthio Thioune

Nahazo fahafahana vonjimaika ilay mpampianatra Korany Masina  Cheikh Béthio Thioune, voasambotra ny ampitson'ny namonoany anankiroa tamin'ireo mpianany tao Médinatoul Salam, andro vitsy monja taorian'ny nadefasana azy hitsabo tena tany Frantsa.Ity fanapahan-kevitry ny fitsarana ity niteraka fanehoankevitra mivaivay teny anivon'ireo teratany Senegaly izay mihevitra fa niraviravy tànana tamin'ity raharaha ity ny fitsarana.

Cheikh Béthio Thioune dia mpianatr'ilay khalife lehibe tamin-dry zareo ‘mourides’ izay efa nodimandry, Sérigne Saliou Mbacké, nantsoin'Andriamanitra tamin'ny Zoma 28 desambra 2007. Miaraka amin'ireo ‘talibés’ aman'aliny manodidina azy, izy no nanjary olona to teny eo anivon'ny firahalahiana ‘mouride’. Nitroatra anefa ireto ‘talibés’ mpiaraka aminy ireto taorian'ny nisamvorana azy sy ny namindràna azy avy any amin'ny fonjan'i Thiès ho any amin'ny fonja foibe ao Dakar, niteraka fanimban-javatra maro. Izy dia tanan-kavanan'ny Filoha Abdoulaye Wade izay notohanany nandritra ny fifidianana farany teo. Ity ny lahatsarin'i Marc-Andr2 Boisvert, mpanoratry ny Global Voices mikasika ireo hetsi-panoherana nokarakarain'ny Cheikh Béthio Thioune nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 2012 :

Ny minisitry ny fitsaràna, Aminata Touré, tao anaty fanambarana ho an'ny daholobe taorian'io fanapahankevitry ny mpitsara hanome fahafahana vonjimaika an'i Cheikh Béthio Thioune io, dia nanipika fa hisy ny fepetra fanarahamaso ara-pitsarana hiara-dàlana amin'io fanapahana io. Ao anatin'io filazàna io, nilaza ilay minisitra fa  malalaka i Cheikh Béthio Thioune, saingy voarara tsy mahazo mivoaka ny faritra raha tsy mahazo alàlana avy amin'ny mpitsara mpanao famotorana. Avy eo, avy hatrany aorian'ny fiverenany avy any Frantsa, toerana nipetrahany niysaboany tena, dia tsy maintsy manatitra ny pasipaorony ao amin'ny mpirtaki-draharahan'ny fitsarana izy. Farany, voarara tsy hahazo mikarakara na manatrika fihanoana na famoriam-bahoaka ny Cheikh Béthio Thioune, na manao fandraharahana na fanambaràna mifandray amin'ny raharaham-pitsarana mbola mizotra ankehitriny. Tsy maintsy mampandre ny mpitsara mpanao famotorana ihany koa izy raha sanatria miova adiresy fonenana.

 I Tall Janneh no manokatra ny adihevitrat ao amin'ny pejy Réhabilitons notre Sénégal (RNS) ao amin'ny Facebook / Ndeha havaozintsika ny Sénégal-ntsika :

Firenena masina i Sénégal, satria ny olom-pirenena iray antsoina hoe Béthio Thioune izay voaheloka noho ny heloka 5 loha : “Fikambanan-jiolahy, fitànana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alàlana, fandevenana tsy nakàna alàlana, fandraisana razana sy firaisana tsikombakomba aminà vono olona” dia vao avy nahazo fahafahana vonjimaika raha mitsena fandàvana fahafahana vonjimaika kosa ireo olom-pirenena hafa nanao heloka tsy dia henjana manao akory

 

Amafisiny ihany koa :

Ary ity fahafahana vonjimaika ity dia tohin'ny “fanbomezan-dàlana ara-pahasalamana” iray hahafahana mandeha any Frantsa hitsabo tena. Ka manontany tena aho noho izany raha toa ka nisy fifanarahana teo amin'ny Minisitry ny Fitsaràna sy i Béthio  ?

 

Tsy isalasalàna fa angamba natao hihomehezana na ho enti-manohana ity fahafahana vonjimaika mampiaka-peo ity, Ibrahima Datte manamafy fa :

i Sénégal no mpandresy.

 

Fa tsy niandry ela ny fanehoankevitr'i  Tall Janneh. Manontany azy izy :

Inona no azon'i Sénégal amin'izao fihetsiketsehan'ny fitsaràna izao ?

Ho an'i David El Bachir Diallo, manampy izy hoe :

 Ny mahaliana antsika izao dia ny tohiny.  Efa voamariky ny Senegaly sahady, efa nobantsilaniny sy noroahany ny fitondràna teo aloha, araka izany, inona no tohiny ara-pitsaràna ho entin'ity fitondràna vaovao ity amin'ny ady efa notarihan'ny vahoaka senegaly hatrizay?  Miandry fihetsika henjana hamaizana ny tsimatimanota ny senegaly.

Fa i Dame Ndiaye dia resy lahatra fa :

Fifanarahana io. Efa fantatra daholo izany.

Tall Janneh miverina mamelively :

Fa na ho inona na ho inona aloha dia efa tsara omana miaraka amin'ny fivahinianana any Frantsa mba hisorohana ny fitroaram-bahoaka mandra-pahalefin'ny hatezerana.

 

Miaraka amin'ny fomba fijery manakaiky ny esoeso, miditra an-tsehatra i Mohamed Coulibaly ary manidrom-paingotra ny mpitsara izay namoaka io fanapahana io :

Farafaharatsiny ilay mpitsara mba niverina nijery ireo zavatra iampangàna ary nanaisotra ny heloka noho ny fanaovana fikambanan-jiolahy satria mahamenatra ny sady ho enjehana noho izany nefa koa malalaka, na dia ora iray monja aza. Andalan'ny manao tari-dositra ny repoblika satria ny filohan-tsika tsy mahavita miantsoroka ireo adidy repoblikana, porofon'ny fitavozavozàny nandritra ny herintaona. Tsy maintsy manana fahamatorana sy fihenjanana ny filoha iray mba tsy hifotetaka, saingy tsy izany no fitsipika ho an'io filoha io izay nandamina ny zavatra rehetra tamin'ity sarintsarilm-pitsaràna amin'ny raharaha  Béthio ity.

Tall Janneh manamafy izay voalaza :

Aza gaga isika raha toa i Béthio hahazo fahafahana madiodio satria mety ho jamba ny fitsaràna. Ny raharaha O.J Simpson no ohatra iray amin'izany.

AL Diouf kosa somary henjankenjana kokoa :

Zava-tsy misy dikany. Tsy misy andrasana amin'io fitondràna mpamitaka sy mpihatsaravelatsihy io ! Efa be no nolalovantsika tamin'ireo mpandala ny fidehadehafana ireo. Saingy hadisoana kely tsy misy lanjany no tehatehafantsika, ka dia izay rehetra hetsiky ny ‘mackysphère’ dia nandeha nifanohitra amin'ny lalàna daholo sy/na ny maoraly, ary indrindra indrindra fa ny tombontsoan'ny vahoaka. Ny sisa azontsika atao dia ny manangana rindrina fitomaniana manerana ny firenena, mba mety hampitony angamba izay. 

Tsy maintsy ampahatsiahivina fa ilay mpampianatra Korany masina Cheikh Béthio Thioune, mpitari-dàlana ny Thiantacounes, dia nosamborina sy naiditra am-ponja taorian'ny famonoana ny roa tamin'ireo mpanaraka ny fampianarany Ababacar Diagne sy Bara Sow, nalevina tsy nahazoana alàlana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.