Tsy Manana Governemanta Intsony i Bolgaria, Mitohy ny Fitokonana

Tamin'ny Alahady 24 Febroary, Bolgariana an'alina no nitokona nanohitra ny kolikoly, ny halafon'ny fanaovana raharaha ara-panjakana ary ny fahantrana. Voalaza ary fa ny tanàna amorontsirak'i Varna no Renivohitry ny Fitokonana: olona mihoatra ny 40.000 no tonga nivory teo tamin'ny Alahady. Olona teo amin'ny  15.000 no nitokona tao Plovdiv. Na dia sarotra aza no namantatra ny tena isa marin'ireo mpitokona tamin'ny 24 Febroary, loharanom-baovao avy amin'ireo mpikatroka mafàna fo no nilaza fa mihoatra ny 200.000 ireo mpitokona nanerana ny firenena.

Tao Sofia, ny teny faneva dia hoe: “Ndao Dorana ireo Mpanao Ampihimamba!”; “Balkàna, mifohàza! Ho amin'ny tena demokrasia!”; “Faràno ny nofinofy, hetsi-bahoaka isan'andro!”; “Isika, Bolgara, Tiorka, Romana, Arimeniana – Samy olom-pirenena #Bolgara isika! Tsy maintsy mijoro isika hanohitra ny fanaovana fitaovana ara-politika!”

The Feb. 24 protest in Sofia. Photo by Ruslan Trad.

Ny fitokonana 24 Feb. tao Sofia. Sary avy @ Ruslan Trad.

Indro misy lahatsary mikasika ilay fitokonana tao Sofia, izay nalain'ny mpanoratra izao lahatsoratra izao:

Nifanindry tamin'ny lanonana fanandratana an'i Neofit ilay fitokonana tao Sofia, ilay Patriarka vaovao vao avy voafidy ao amin'ny Fiangonana Orthodox Bolgara; nikatso ny tanàna, tsy nisy ny fitateram-bahoaka, afa-tsy ny fiarandàlamby ambanin'ny tany. Fotoana fohy taorian'ny nanandratana azy, nivoady ny hivavaka ho amin'ny fandriampahalemana sy ny firaisam-pon'ny vahoaka Bolgara ilay Patriarka Neofit. Nahafaly azy ireo izany fihetsika maneho fanohanana ny fitokonana izany, etsy andanin'izany voahorakoraka ny Filoha Rosen Pleveliev, raha nitodika tamin'ireo vahoaka marobe tao Sofia.

Niantso ireo vondrona politika ireo mpitokona mba tsy hanao fitaovana na hitsofotsofoka amin'izao fihetsiketsehana izao. Tany amin'ny filaharana tao Veliko Tarnovo, noroahan'izy ireo mihitsy aza ireo olom-boafidy maromaro avy amina antoko politika [bg; video]. Stanislava Stefanova nanoratra [bg] hoe:

Tsy mbola azon'izy ireo ve fa tsy misy toerana ho azy ireo aty amin'ny fitokonam-bahoaka???? Tsy mbola mazava foana ve fa tsy mila azy ireo isika???

Taorian'ny fialàna tampoka nataon'ny governemantan'i Boyko Borisov tamin'ny 20 Febroary, izay nitranga taorian'ny fitokonana tany aloha nanjary nahery vaika, nampiantso fivoriana  ireo mpikatroka mafàna fo amin'ny hetsi-panoherana  ka nifanaraka ny amin'ny lisitry ny fangatahana: tsy azo foanana ny Parlemanta; tokony hanendry governemanta teknisiana ny Filoha fa tsy birao manokana handefasana ireo raharaha andavanandro no atao; manomana volavolan-dalàna handraisan'ireo olom-pirenena anjara ka hanome eo amin'ny 50%n'ny isan'ny olon-tsotra isaky ny andrim-panjakana; tokony averina amin'ny fanjakana ny 51%n'ny petra-bolan'ireo orinasa ao amin'ny sehatry ny angovo; hakatona ireo orinasa lehibe Bolgara momba ny angovo, BEH, ho fanadiovana ny sehatry ny angovo; tokony atao ny fiantsoana ho amin'ny Fivoriambe Nasionaly ka amin'izany no hananganana rafi-panentanana iray ho an'ny solombavam-bahoaka.

Lada Dimitrova nanoratra [bg] taminà tsikera iray mikasika ireo tahirin-tsarin'ny hetsika tamin'ny 24 Feb. tao amin'ny pejin'ny “Saprotiva” (“Fanoherana”):

Tsy mahaliana ahy ny hahafantatra ny hoe iza no ho mpitarika eo, fa ny miaina ao anatin'ny fahamendrehana no zava-dehibe amiko!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.