Fifidianana Tao Ekoatera: Voafidy Ho Filoha Indray i Rafael Correa

Tamin'ny Alahady 17 Febroary 2013, olom-pirenena Ekoateriana 11.6 tapitrisa no nandeha nandatsa-bato, nanatontosa ny zony hifidy. Nofidiana tamin'izany andro izany, ny filoham-pirenena sy ny filoha lefitra, solontena 137 avy ao amin'ny Antenimieram-pirenena sy solontena dimy avy ao amin'ny Antenimiera Andean. Tsy nahitana olana ny fizotry ny fifidianana izay nanomboka tamin'ny 7 maraina ary nifarana tamin'ny 5 hariva.

Quito

Sary avy amin'ilay mpisera Flickr, Presidencia de la República del Ecuador (CC BY-NC-SA 2.0).

Na dia izany aza, nitatitra ny gazety El Comercio [es], fa araka ny filazan'i  Domingo Paredes, Filohan'ny Vaomieran'ny Fifidianana, nisy ny fikasana hanitsakitsaka ny rafitra, rafitra hampiasaina handrafetana ireo vaovaom-pifidianana ao amin'ny firenena.

Momba ny valim-pifidianana, nanome vaovao tamin'ny alalan'ny tenifahatra #EleccionesEC [fifidianana ao Ekoatera] ny mpisera Twitter, izay ahitana ireo valim-pifidianana tsy ofisialy nanomboka tamin'ny 5ora hariva.

Ohatra, FRANCO FERNANDEZ S. (@francofer1), izay nanambara fohy hoe:

 

@francofer1: Según exit poll de medios privados Correa 58.8% Lasso 20.0% Lucio 5.7 Noboa 3.3 #EleccionesEC”

@francofer1 [es]: Araka ny valin'ny fitsapa-kevitra notontosainà media tsy miankina iray, Correa 58.8% Lasso 20.0% Lucio 5.7 Noboa 3.3 #EleccionesEC”

Tuesman Castillo (@tuesman), injenieran'ny elektronika sy ny fifandraisan-davitra avy ao Loja, nitatitra momba ny fanisam-bato tao amin'ny biraom-pifidianana faha-16 ao Loja:

@tuesman: 108 para #Correa contra 78 para #Lasso en #mesa16 #loja #parroquiasucre

@tuesman [es]: 108 ho an'i #Correa manoloana an'i #Lasso 78 ao amin'ny #mesa16 [biraom-pifidianana 16] #loja #parroquiasucre [Sucre parish].

Avy any ivelany,  Patricia Villarruel (@PattyVillarruel) nilaza hoe:

@PattyVillarruel: 8 de cada 10 votantes se habrían inclinado por la candidatura de @MashiRafael en Madrid. Son datos provisionales de escrutinio #EleccionesEC

@PattyVillarruel: 8 amin'ireo mpifidy 10 no nifidy an'i @MashiRafael [anaran'i Rafael Correa ao amin'ny Twitter] tao Madrid. Angom-bato vonjimaika izany. #EleccionesEC

Nandritra izany, Jacques J. Lara MD (‏@JacquesJLR), nanontany hoe:

@JacquesJLR: Señores revolucionarios, para cuando la consulta popular, para que después de los 4 años, el Mashi siga en el poder? #EleccionesEC #RC [Rafael Correa]

@JacquesJLR [es]: Ry namana lehilahy revolisionera, rehefa haka ny hevi-bahoaka ianareo, na rehefa afaka 4 taona, mbola ho eo amin'ny fitondrana foana ve i Mashi? #EleccionesEC #RC

Manoloana izany valim-pifidianana tsy ofisialy izany, nifidy tamin'ny fomba demokratika ny vahoaka tamin'ny fahalanian'ny Filoha Rafael Correa ho filoham-pirenena indray, ary hitàna izany toerana izany indray izy mandritra ny efa-taona manaraka.

Kanefa, nisy ireo vahoaka no tsy faly. Tahaka an'i Ally Narvaez (@AllyNarvaez), izay nilaza tamim-piesoesoana hoe:

@AllyNarvaez: Fracaso Ecuador fracaso..!! aguantar 4 años mas de imponencia…!! “Bravo..!” #EleccionesEC

@AllyNarvaez: Tsy fahombiazana ao Ekoatera, tsy fahombiazana…!! Amin'ny fanohizana ny jadona efa-taona manaraka…!! “Arahabaina..!” #EleccionesEC

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.