Ho an'ny Sariitatra Rosiana, Mirotsaka ny Tainkintana

Ny maraimben'ny 15 febroary, dia nandoro ny habakabaky ny tanànan'i Chelyabinsk ary mety ho nidona tamin'ny tany ny tainkintana iray. Amin'izao fotoana [15 feb] izao dia mbola mitady [ru] izay toerana nianjeran'ilay tainkintana ny fitondram-panjakana Rosiana, fa ny zavatra azo antoka dia niteraka feo malaky dia malaky niteraka fahavakisam-baravaram-pitaratra sy zavatra hafa izany. Nialoha ny filentehan'ny masoandro, nitatitra ny mpitantana ao Chelyabinsk Oblast fa manakaiky [ru] ny arivo ny olona naratra, izay saika avy amin'ny fahavakisam-pitaratra avokoa, ary nahitana ankizy 204 tamin'izany.

Heniky ny mpankafy lahatsary ihany koa ny YouTube. Maro ny sombin-tsary no manasongadina ny taorian'ny fidabohana avy hatrany, dia ny dian-tsetroka nihantona maharitra teny amin'ny lanitra. Noho ny Rosiana maro mampiasa fakantsary fafana fanaraha-maso ao amin'ny fiarakodiany (noho ny antony fiantohana amin'ny ankapobeny), dia maro ihany koa no nanana mivantana tamin'ny fianjeran'ny taikintana. Ny maraimbe ary dia efa namoaka [ru] ango-tsary tao amin'ny bolongana LiveJournal ilay mpibilaogintsary malaza Ilya Varlamov.

Na dia teo aza ny fahapotehina sy ny ratra vokatr'ilay voina tamin'io andro 15 febroary io, dia kinga kokoa tamin'ny famazivaziana sy ny fanaovana hafatra mampihomehy ny mpiseran'ny RuNet. Raha ny fanaovana sary nataon-tanana ho famonjena voina no fanao mahazatra manoloana ny voina, dia hita fa mampitamberina ny vazivazy fanaon'ny Rosiana kosa ny tainkintana nianjera tao Chelyabinsk, noho ny lazan'ity ambonivohitra ity sy ny fanesoana azy fa fadiranovana sy mahantra ao amin'ny firenena. Ny hatsikana momba an'i Chelyabinsk [ru] no manjaka indrindra eo amin'ny tontolon'ny hatsika Rosiana—hita ao amin'ny sombim-pandaharan'i Ivan Dulin ao amin'ny fahitalavitra Nasha Rosia [ru]. Iray amin'izany hatsikana izany ny hoe : “Sarotra tokoa ny fiaran-dalamby ambany tanin'i Chelyabinsk, mandeha ambany tany tsy misy tonelina izy io.”

Raha efa zara raha zava-baovao ilay vazivazy fanao, dia niezaka ny hamalifaly ny hafa amin'ny alalan'ny fanampohana mahomby [ru] ny mpisera RuNet. Misy, ohatra, kaonty sandoky ny minisitry ny raharaham-bahiny rosiana nisioka hoe [ru]:

Челябинский цинковый завод настолько суров, что берёт руду прямо из космоса

Mafy ny vifotsy avoakan'ny orinasan'i Chelyabinsk, mivoaka avy any an-danitra mivantana ny akora avy ao.

Noho ny fahatakarana ny natioran'ilay sombin-tantara sy ny fandehan'ny resaka, misy ny mpisera Twitter manely ny fomba filaza ho tahaka izao:

Челябинский дождь настолько суров… #метеорит

Mafy tokoa ny orana ao Chelyabinsk … #meteorite [tainkintana]

Misy koa ireo olona fanta-daza sasany mihasahisahy kokoa amin'ny fihevahevana. Anna Veduta, sekretera mpampita vaovaon'ilay bilaogera miady amin'ny kolikoly Alexey Navalny, namoaka indray ny e-karatra avy amin'i Navalny, izay mivaky toy izao [ru]:

Жители метеорита с ужасом наблюдали приближение Челябинска.

Nijery tamin-korohoro ny fanakaikezan'i Chelyabinsk ny mponin'ny tainkintana.

Ao anatin'ny fanaovana sangisangy zary tenany amin'ny volavolan-dalàna Rosiana handrara ny “fampielezan-kevitra fiarahan'olon-droa mitovy fananahana,” misy ireo mpisera Twitter mampiely [ru] vaovao tsy izy fa handany ny “fandrarana ny firesahana tainkintana” ny Domà, tahaka ny te-hiteny fa tsy mitombina tahaka ny fanaovana ho tsy ara-dalàna ny loza voajanahary ny fanoheran'ny governemanta ny pelaka.

Mitaraina amin'ny toerana misy ny firenena ny mpanao gazety Dmitri Olshansky, tamin'ny fanoratana [ru] tao amin'ny Facebook, ho “mahantra, Rosia mahantra, zavatra iray hatrany,” raha miresaka amin'ilay tatitra [ru] nataon'i Lenta.ru fa misy ny mponina sasany ao Chelyabinsk no namaky ny varavarany mba hanoloan'ny fanjakana izany satria hoe tra-boinan'ny tainkintana.

Ankoatra izany rehetra izany, nampiasa dia nampiasa ny dikantsarin'ny Adobe photoshop (mety ho nopiratena) ny mpiseran'ny RuNet ary namorona sary namboamboarina maro, na “fotozhaba” (ara-bakinteny “sary-sahona”) esoeson-tsarin'ny tainkintana nandritra ny famakivakiany ny lanitr'i Chelyabinsk. Misy ny sasany amin'izy ireny no tsy miresaka politika mihitsy (tahaka ilay fampihomehezana fa mitovy amin'ny Angry Birds ilay tainkintana na avy amin'ilay sarimihetsika nivoaka tamin'ny 1998 mitondra ny lohateny hoe Armageddon), ary ny hafa manala azy amin'i Vladimir Putin (sy ny machismo nampalaza azy) ary nisy tonga hatrany amin'ny mpikambana ao amin'ny Pussy Riot antsoina hoe Nadezhda Tolokonnikova aza.

Amin'ireo ambany ireto ny sasany izay tena niely indrindra, “fotozhaba” fialana voly tamin'ny nirotsahan'ny tainkintana tao Chelyabinsk.

An anonymous image widely circulated online.

Tatitra momba ny toetr'andro mampihomehy ho an'i Chelyabinsk. sarin'olona tsy fantatra anarana niely an-tserasera tokoa.

An anonymous image widely circulated online.

Putin mibaiko tainkintana. Sarin'olona tsy fantatra anarana niely tokoa tao amin'ny aterineto.

An anonymous image widely circulated online.

Nahatonga ny entana nampitondrana azy ihany ny “Sampan-draharahan'ny Paositra Rosiana”. Sary nataon'olona tsy fantatra anarana niely tokoa tao amin'ny aterineto.

 

The Chelyabinsk meteorite compared to the popular game Angry Birds. An anonymous image widely circulated online.

Ny tainkintan'i Chelyabinsk nampitahaina tamin'ny lalao malazan'ny Angry Birds. Sarin'olona tsy fantatra niely tamin'ny serasera.

An anonymous image widely circulated online.

Mpikambana ao amin'ny Pussy Riot mieritreritra “Ilay Virijiny Tsy Hita” , ary ahitana soratra manao hoe Chelyabinsk eo akaikin'ilay tainkintana hita amin'ny tokontanin'ny sary. Misy soratra mivaky toy izao ihany koa, “Vavaka voatapaka. Valiny tsy mazava loatra.” Miresaka momba ny “vavaka” nataon'ny Pussy Riot “prayer” hanozona an'i Putin. sary nataon'olona tsy fantarta niely tokoa tamin'ny serasera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.