Mandray Ny Gadona Afrikana Ny Karnivaly Breziliana Any Salvador

Lanonana lehibe indrindra eto ambonin'ny tany, manintona mpizahatany  an-tapitrisa  mandritra ny andron-danonana ny Fetibe (carnaval) any Brezila. Noho ny halehibeazan'ilay lanonana dia nozaraina tamin'ny toerana telo tao an-tanànan'i  Bahia, Salvador ny nanaovana azy: Pelourinho, Barra-Ondina (Dodo) ary Campo Grande-Avenida (Osmar).

Mpizaha tany antsasakà tapitrisa no andrasana, mitondra ny lohahevitra hoe ‘Black Carnivals’ na ‘Fetiben'ny Mainty’ ny fetiben'i Pelourinho amin'ity taona ity, izay hatao ao amin'ny kianja Monisipaly sy Sé, hatrany amin'ilay toerana malaza Pelourinho ny sehatra fototra. Ity farany ity, tanaty toerana manan-tantara, no nalaza, nahafinaritra ary tsara fikarakaràna indrindra.

Ilay Fetibe nentim-paharazan'i Pelourinho dia hahavory fanentanana amin'ny karazanà gadona isan-karazany, toy ny samba, reggae, amponga maroanaka ary ny gitara Bahiane ( lohahevitry ny Fetiben'i Salvador ho an'ny taona 2013). Ireo rehetra ireo, mazava loatra, dia manana fiaviana Afrikana.

Party revellers enjoying carnival in Pelourinho. Photo by Carlo Alcantar on El Cabong website (used with permission).

Ireo mpankafy lanonana mankafy ny fetibe tao Pelourinho. Sary avy amin'i Carlo Alcantar tao amin'ny tranonkalan'ny El Cabong  (ampiasaina miaraka amin'ny fahazoana alàlana ).

Fantatra amin'ny maha-fototry ny kolontsaina Bahiane azy, Pelourinho no tanànan'ny Afro carnival ‘blocks’ (tarika) [pt] maro avy any Salvador, toa an'i Ile Aye malaza, Filhos de Ghandi (zanaka lahin'i Ghandi) ary Olodum. Ny fiarovana ny kolontsaina Afro-breziliana no antom-pisian'ny fetibe any Bahia, izay mitondra ny taratry ny kolontsaina Afrikana sy ny adin'ireo izay voahilika ho anjorom-bala ao amin'ny fiaraha-monina. Entanin-kafaliana ny vahoaka ao anatin'ny fidoboky ny feo mahafinaritra sy mahasambatra ary ny feo izay mandrakotra an'i Pelourinho, maniry te-hifandray amin'i Bahia, tanin'i  Dorival Caymmi sy Jorge Amado ireo mpizahatany.

Niorina tamin'ny 1974, ny ‘blocks’ (tarika) Ilê Aiyê ary izy no tarika lehibe amin'ny fetibe Afrikana.  Satria ny hanome lanja ny kolontsaina mainty hoditra no tanjony, ka tsy ekeny ny fisian'ny fotsy hoditra ao anatin'ity tarika ity ary tompon'andraikitra izy ireo tamin'ilay antsoina hoe  ‘re-africanisation’ , na femerenana indray ny Fetiben'i Salvador hanana endrika Afrikana,  tonga hatramin'ny fitondràny ireo  fitaovana avy amin'ny  kolontsaina Afrikana amin'ny fihaingoana ataony,  toy ny  ‘atabaques’, ‘timbale’ ary ny  ‘repiniques’,  amponga velesina amin'ny tànana izay manome azy feo mampahatsiahy an'i Afrika.

Jereo ity  lahatsarin'i Ile Aye, miara-miasa amin'i Criolo, ilay mpanao rap avy any Sao Paulo, ao anatin'ny tetikasa ‘ What block is this?’  na ‘ Tarika inona ity? ‘ ity, hevitra avy amin'i Petrobras izay mihevitra [pt] ny ‘ hampifanatona ny mozika sy ny tontolon'ny block Afro avy ao Salvador  amin'ny tontolon'ny pop nasionaly’. Natao tany amin'ny distrikan'i Liberdade, any Salvador ity fampisehoana ity :

Misy toerana ve eto an-tany izay manana Candomblé [fivavahana Breziliana manam-pihaviana avy any Afrika] arahan'ny olona efa ho 10.000 mihaingo milahatra manaraka ny arabe ? Salvador afaka manao izany. Ny tarika AfoxéFilhos de Gandhy (Zanaka lahin'i Gandhi) [pt] , noforoninà mpibata entana 33 tamin'ny 1949, izay nijery sarimihetsika iray momba ny fiainan'ilay Indiana mpitarika ary nanapa-kevitra ny hanorina tarika ho fahatsiarovana azy. Nitombo ny lazan'ny oroka atakalo vakana voahangy mandritra ny lanonana, ary tahaka ny hoe izany no tena tanjon'ity tarika ity. Candomble tsy misy ifandraisany loatra amin'ny fivavahana izany, izay mitondra ny agogôs [fitaovam-pikirakirana mozika Ganeana] sy ny atabaques [amponga velesin-tànana Afro-Breziliana] mba hankalazana ny Orishás [fanahy na andriamanitra amin'ny finoana Yoruba] mivantana ho any amin'ny vahoaka , miaraka amin'ny fahatsiarovana ny fandriampahalemana notorian'i Mahatma Gandhi.

Image of Filhos de Gandy from Facebook (used with permission)

Sarin'ny  Filhos de Gandy avy amin'ny Facebook (nahazoana alàlana vao nampiasaina)

Amin'ny alàlan'ny amponga, no ifotoran'ny mozikan'ny tarika Olodum, toy ny  ‘ijexá’ [pt], ny samba, ny  ‘alujá’, ny reggae ary ny ‘forró’, ankoatry ny hafa. Ny fitambàrana ireny gadona samihafa ireny, afangaro amin'ny samba sy  ny reggae, miaraka amin'ny fahaiza-mamorona amin'ny fampiasana ireny singa ireny, no fototry ny mozikan'ny Olodum, izay, nanjary fakan-tahaka ho an'ny taria maro mpanakanto ao an-toerana sy iraisam-pirenena, toa an-dry Jimmy Cliff, Michael Jackson, Paul Simon, Leci Brandao, Zig Marley ary ireo maro hafa, ao anatin'izany ireo ao anatn'ny Fetben'i Bahia. Mampiseho ny sasany amin'ireo hira tsaran'ny tarika Olodum ity lahatsary manaraka ity :

Manodidina ny 130 ny tarika izay hanafàna mandritra ny fetiben'i Pelourinho. Namoaka lahatsoratra momba ny famerenana nataon'ny tarika Muzenza i Estefano Diaz ao amin'ny bilaogin'i Salvador, tamin'ny 30 Janoary. Nanaitra ny fitiavan'ireo Bahiane sy ny mpizahatany hijery ny fidoboky ny ampongan-dry zareo teny amin'ny làlana izay hanaovany ny filaharana miaraka amin'ny fihaingoana : ‘ Feo tonga lafatra, mahafinaritra’ izay no hamintinany ny tenin'ny iray amin'ireo Frantsay mpizahatany nifanena taminy nanaraka ilay filaharana.

O Pelourinho é um grande fomentador da cultura. Este espaço é uma referência para nós do Muzenza e é sempre muito especial fazermos nossos ensaios aqui”, define Jorge dos Santos, presidente do Muzenza. “Nós não temos repertório definido, vamos sentindo a resposta do público e tocamos os grandes sucessos como ‘Guerrilheiros da Jamaica (Mama África)’, ‘A Terra Tremeu’, ‘Brilho e Beleza’, dentre outros”, finalizou Jorge.

Lehibe amin'ny ‘famokarana’ kolontsania i Pelourinho. Tàhaka (modely) ho anay avy any Muzenza ity sehatra ity, ary fotoana manokana ho anay hatrany ny fanaovanay famerenana aty hoy i  Jorge dos Santos, filohan'ny Muzenza. Ary nolazain'i Jorge ihany koa fa ‘ tsy manana filaharan-kira voafaritra mialoha ry zareo, fa miandry ny ako avy any amin'ny vahoaka ary dia milalao ireo hira malaza toy ny ‘Guerrilheiros da Jamaica (Mama Africa) (mpiadin'i Jamaika)’, ‘A Terra Tremeu’ (Mihorohoro ny Tontolo), ‘Brilho e Beleza’ (Tselatra sy Hatsaràna ), sy ny maro hafa ’.

Ao anatin'ny ‘ Folo taona ho an'ny  kolontsaina Afrikana’  atao any Salvador ny lohahevitra hoe  ‘Black Carnivals’. Toy ny Fihaonana Voalohany ho an'ny Kolontsain'ny  Mainty [pt], ny fifidianana ny lohahevitra ho an'ny fetiben'i Pelourinho dia voafehy ao anatin'ny Folo taona iraisam-pirenena ho an'ireo manana razambe Afrikana any Salvador, araka ny nanondroan'ny Firenena Mikambana azy taorian'ny  Fihaonan'ny Ibero-Amerikana ao anatin'ny Taona Iraisam-pirenena ho an'ny Taranakà Afrikana (Afro XXI), natao tamin'ny 2011. Fotoana niadian-kevitra momba ny resaka fanavankavahana sy ny sosialy, ny toekarena ary ny zava-misy ara-politikan'ireo vahoaka mainty hoditra maneran-tany ankehitriny io fotoana io.

Nomena ny anarana hoe ‘ Renivohitra Ibero-Amerikana ho an'ny taranaka Afrikana’ ny renivohitr'i Bahia nandritra ny Afro XXI. Ho an'ny Talen'ny CCPI,  Arany Santana, ‘ny lohahevitry ny fetiben'i Pelourinho dia mifanaraka amin'ny fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana, miaraka amin'ny zava-misy marina  any Salvador sy ny politikan'ny kolontsainy izay tohanan'ny Secult, tahaka ny Black Gold Carnival. Fotoana tena mety hanasongadinana ireo asa ireo ao anaty fepetra tsara ilay fetibe, mahatonga ny fankatoavana ny fananganana ny maha-izy azy an'i Salvador ho toy ny tanàna faharoa betsaka mainty hoditra indrindra maneran-tany’ (ivelan'ny tanibe Afrikana) araka ny ambaran'i Arany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.