Filazana Ny Fisokafan'ny Fifaninanana Hahazoana Famatsiam-bola Bitika Vaovao An'ny Rising Voices Amin'ity 2013 Ity

Manana sosokevitra aminà tetikasa mety hanampy ny vondrom-piarahamoninao ao an-toerana ve ianao amin'ny alalan'ny fampiasàna ny mediam-bahoaka hitantarana ny tantaran'izy ireo manokana? Mila famatsiana ara-bola sy fanohanana ve ianao hanatanterahana izany hevitra izany?

Hatramin'ny 2007, nikatsaka ny hanampy ireo olon-tsotra, vondron'olon-tsotra, tambajotra, ary ireo fikambanana nanolo-tena hanampy ireo vondrom-piarahamoniny ao an-toerana handray anjara bebe kokoa ao anatin'ny tontolon'ny aterineto ny Rising Voices. Amin'ny alalan'ny fanomezana famatsiana ara-bola sy fiahiana ireo tetikasa madinika maneran-tany,  nanohana tetikasa 35 hikendrena ny mediam-bahoaka ny Rising Voices, any amin'ireo vazantany efatry ny glaoby. Nanampy ireo mpitarika tao an-toerana hitondra feo vaovao sy vitsy mpisolotena eo amin'ny resadresaka dizitaly eran-tany ireo tetikasa ireo, mba hitantarany ny tantarany manokana na hanazavana ireo olana goavana eo amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo.

SEHATRA FIADIAN-KEVITRA VAOVAO

Atomboka amin'ilay andiany 2013 amin'ny famatsiana ara-bola bitika, namolavola sehatra fiadian-kevitra vaovao ny Rising Voices izay ahafahan'ireo mpampiasa azy mizara ampahibemaso ny heviny miaraka aminà vondrom-piarahamonina midadasika kokoa. Manokatra fahafahana tsara kokoa hikaroka tsikera sy manampy amin'ny fanamorana ny fifandraisana eo amin'ireo vondrona anatinà faritra mitovy na mifantoka aminà olana mitovy io fizotra misokatra io. Mahatsapa izahay fa hanana vokany tsara eo amin'ny vondrom-piarahamonina eran-tany io fomba fizarana hevitra vaovao io, izay mizara tanjona iraisana, dia ny tontolon'ny aterineto ifandrimbonana tanteraka sy ahitàna  karazana maro kokoa.

Mbola hanome fanohanana bitika miiisa hatramin'ny dimy amin'ny lelavola $USD 2,500-4,000 izahay amin'ity indray mitoraka ity, ho an'ireo mpandray anjara voaray ka nampiseho hevitra mafy fototra sy mazava mikasika ny fomba hanomezana fanofanana sy fanohanana mitohy ho an'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamoniny ao an-toerana. Hiara-hizotra amin'ny fianakaviamben'ny tetikasan'ny Rising Voices ireo tetikasa tohanana ireo ary hasongadina tsara manerana ny tambajotran'ny Global Voices.

TOROLALANA

Ny Rising Voices dia mikaroka sosokevitra ho anà tetikasa izay mizara ny andraikitray hitondra ny feo avy amin'ireo vondrom-piarahamonina vaovao, sy ireo vondron-teny zara raha misy mpisolotena eo amin'ny adihevitra eran-tany aty anaty aterineto, avy amin'ny alalan'ny fampiasàna ny mediam-bahoaka mpandray anjara. Tokony ny fanolorana atrikasa fanofanana momba ny mediam-bahoaka ho an'ny vondrom-piarahamonina nokendrena no ataon'ilay tetikasa laharam-pahamehana, sy fanohanana ary fiahiana tena ilaina mitohy. Iangaviana ianao hijery ny lisitr'ireo tetikasa tohanana an-dàlana sy ireo taloha hangalanao ohatra ho an'ireo tetikasa natsangana teo aloha.

Mety ahitàna ireto ambany ireto ireo ohatranà tetikasa:

  • Fikarakaràna “toby fanofanana” momba ny mediam-bahoaka miaraka amin'ireo mpitoraka bilaogy ao an-toerana manana traikefa mba hanofana sy hiahy ireo mpandray anjara avy amin'ireo vondrom-piarahamonina zara raha voasolo tena, izay hiafara amin'ny tambajotra fanohanana ao an-toerana.
  • Miasa miaraka aminà vondrom-piarahamonin'ireo vazimba teratany mba hanabe sy hamporisika ireo taranaka vaovao hanomboka hampiasa ny Twitter hifandraisana amin'ny hafa ho fomba iray hitahirizana sy hanandratana ny tenin-drazany ao anaty aterineto.
  • Miara-miasa aminà tranomboky ao an-toerana manana efitrano misy solosaina hanasàna ireo mpikambana ao amin'ilay vondrom-piarahamonina mba hiady hevitra mikasika ireo olana misy ao an-toerana sy ireo vahaolana, ary hanofana azy ireo amin'ny fomba famoronana bilaogim-bondrona hitondràna ireo resadresaka ireo eo anoloan'ny vondrom-piarahamonina midadasika kokoa.
  • Fikarakaràna andiam-pitsangantsanganan'ny vondrona mpaka sary any amin'ny toerana izay ahafahan'ireo mponina miaraka mandrakitra ny fiainana anatin'ny vondrom-piarahamonina misy azy sy mamorona fampirantiana sary ao amin'ny Flickr.
  • Fampianarana ireo mponina ao an-toerana hitahiry sy hanamboatra ireo rakipeo ao amin'ny Audacity ho anà podcast-n'ny vondrom-piarahamonina izay afaka hampiakarina ao anaty aterineto, sy zaraina amin'ireo tobinà radio ao an-toerana hiparitahany lavitra kokoa.

Tsy voafetra amin'ireo ny hevitra mikasika ny tetikasa, ary mampirisika anao izahay hamorona, nefa tsy hivoana amin'ny zava-misy anatin'ny sosokevitra halefanao. Jereo ireo Fanontaniana Be Mpametraka Matetika ho fahalalana fanampiny ho anao.

Raha handray anjara, manainga anao hitsidika ny pejy “Fanolorana Sosokevitra”, izay ahitanao fanontaniana fohy afaka hanoloranao ireo hevitrao momba ny tetikasanao. Marihana fa misy fetrany ny isan'ny litera (fa tsy ny isan'ny teny) isaky ny valim-panontaniana iray.

FIZOTRY NY FANDRAISANA ANJARA

Hanaraka ity fandaharam-potoana manaraka ity io fifaninanana io:

Fihodinana voalohany – manolotra ny sosokeviny hiaingana ireo mpandray anjara avy amin'ny alalan'ilay sehatra fiadian-kevitra ao anaty aterineto. Vantany vao navoaka io sosokevitra io, manasa ireo mpandray anjara izahay hizara ny sosokeviny amin'ny tambajotrany, ho fomba iray hangatahana tsikera sy fandraisana anjara avy amin'ny hafa. Marihana fa afaka misafidy ny hitàna ny sosokeviny ho azy manokana ireo mpandray anjara raha misy ahiahy mikasika ny fiarovana.

Hodinihan'ny kaomity ahitàna mpikambana avy ao amin'ny fianakaviamben'ny Global Voices ireo volavolanà tetikasa rehetra, isan'izany ireo tetikasa bitika notohanana teo aloha.

Fara-fametrahana ny fandraisana anjara ny Zoma 1 Martsa 2013 amin'ny 23:59 GMT

Fihodinana faharoa – Hifidy vitsy ho amin'ny famarànana ny kaomity mpifantina, izay hasaina hanolotra volavolanà tetikasa lava kokoa sy amin'ny antsipiriany kokoa ary ahitàna ny vola enti-miasa, ny fe-potoana sy ireo fanampim-panazavana avy eo. Manana safidy ihany koa ireo mpiatrika ny dingana famaranana ireo hanolotra “multi-media” fanampiny, tahaka ny lahatsary novokarin'ny mpampiasa na sary hanampiana ny kaomity hanapa-kevitra farany.

Hambara ny 31 Martsa ireo mpandresy (mety hiova arakaraka ny isan'ireo sosokevitra hodinihana).

Aza misalasala mametraka fanontaniana amin'ny alalan'ny famelàna tsikera na fandefasana mailaka avy ao amin'ny Taratady Fifandraisana.

Ho aminao anie ny vintana!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.