Bangladesh: Mankao Shahbagh Avokoa ny Lalana Rehetra

Ao Shahbagh, mandray andraikitra ny tanora ary nampitsahatra ny resaka politika tamin'ny andro fahaefatry ny hetsika. Mpanao fihetsiketsehana an'arivony no manohy mibodo ny arabe fiolanana midadasika indrindra ao andrenivohitr'i Bangladesh, ao Dhaka mba hitaky sazy farany izay henjana indrindra ho an'i Abdul Quader Mollah, lehiben'ny antoko Islamista sy ho an'ireo olon-kafa voampanga tamin'ny heloka an'ady nandritra ny tolom-panafahana 1971.

Niandry 42 taona izy ireo mba hitsarana ireo voampanga, maro amin'izany no mpanao politika miaraka amin'ny antoko Islamista Jamaat-e Islami, nilaza ireo mpanao fihetsiketsehana fa tsy hihemotra mandra-panasaziana ireo meloka.

Rehefa andro Zoma sady andro tsy iasana, vahoaka marobe no andrasana hamonjy ny fihetsiketsehana. Famoriam-bahoaka goavana tarihin'ireo tanora no hotontosaina ao Shahbagh amin'ny 3:00 hariva. Tambajotra Bilaogera sy Mpikatroka, Mpikatroka ara-kolontsaina sy Fikambanana tanora no hitarika ny famoriam-bahoaka goavana. Tsy azo atao ny teny filamatra/kabary politika. Niangaviana ireo fikambanana politika mba tsy hilanja sora-baventy ara-politika. Nanasa ireo mpianatra avy amin'ny sekoly sy ny kolejy ny mpikarakara mba ho tonga hamonjy ny hetsika.

Alefan'ireo tanora mpikatroka toa an'i Shourov Hassan, Mahmudul Amin ary i Fahim Mahmud  mivantana ny fihetsiketsehana ao Shahbagh. Afa-manaraka ny fandefasana mivantana eto ianao.

 

একটি মোবাইল ফোন দিয়ে লাইভ স্ট্রীমিং হচ্ছে। ছবির জন্যে কৃতজ্ঞতা - মাটির মানুষ।

Fandefasana mivantana ny hetsika amin'ny fampiasana finday. Sary avy amin'i Matir Manush

Matir Manush nanoratra tao amin'ny Facebook:

এই হচ্ছে সেই ডিজিটাল চোখ, যা দিয়ে শাহবাগ এর আন্দোলন দেখছে দেশ-বিদেশের ২৫০০ এর ও বেশি মানুষ…

Izao no fijery nomerika, olona maherin'ny 2500 no miara-mijery ny fihetsiketsehana ao Shahbagh.

Ny tambajotra bilaogera sy mpikatroka no tompon-kevitra tamin'ity fihetsiketsehana sy fitroarana tamin'ny Talata 5 Febroary atoandro ity, taorian'ny fanambarana ny didim-pitsarana sy ny sazy an-tranomaizina mandrapaha-faty ho an'ilay lehiben'ny Jamaat-e-Islami, Abdul Quader Mollah. Indreto sombiny tamin'ny hetsika tao Shahbagh (nahazoana alalana avokoa ny sary rehetra):

Ocean of People in Shahbagh.

Vahoaka marobe ao Shahbagh. Sary avy amin'i Aninda Kabir Avik

Torch protests in Shahbagh. Image by Sharat Chowdhury

Hetsika hazavana tao Shahbagh. Sary avy amin'i Sharat Chowdhury

Slogan demanding capital punishment.

Teny filamatra eny amin'ny arabe mitaky ny sazy farany henjana indrindra. Sary avy amin'i Abdul Aleem Khan

Sit in protest in Shahbagh width=

Protests in Sylhet city. Image by Jamil Cowdhury.

Fihetsiketsehana tao an-tanànan'i Sylhet. Sary avy amin'i Jamil Cowdhury.

Candle Light Protests.

Hetsika fandrehetana labozia. Sary avy amin'i Sharat Chowdhury

Indreto fihetseham-po sasany tao amin'ny Twitter:

#Shahbag Tonga namonjy ny hetsika ireo vahoaka avy amin'ny saranga rehetra. Mpanankarena-Mahantra-Ankizy-Tanora-Mpitolona fahiny-Mpanao fanatanjahatena. #Bangladesh izany.

— Prithvi Shams (@Prithvi_Shams) 8 Febroary 2013

Taorian'ny taompolo 4 mahery nanjakan'ny mpanolana sy ny mpamono olona nokaramain'ny minisiteran'ny governemanta, hoy izahay hoe ampy izay. #shahbag #Bangladesh #71

— Tahmima Anam (@tahmima)
8 Febroary 2013

Afa-manaraka ny hetsi-bahoaka ianao amin'ny fampiasana tenifahatra #Shahbagh এবং #Shahbag.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.