Manafàna Ny Adi-hevitra Momba Ny Fanivaivàna Mpanjaka ny Raharaha Somyot

Taorian'ny nitazonana azy nandritra ny 21 volana sy ny tsy namelana azy hahazo fahafahana vonjimaika in-12 misesy dia nomelohin'ny Fitsarana Ady Heloka Bevava ao Bangkok ho nanitsakitsaka ny lalàna tamin'ny fanivaivana ny Manjaka ny mpikatroka Somyot Prueksakasemsuk. Tamin'ny mahatonian'ny gazety-boky Feon'i Taksin (noraràna tamin'ny 2010) azy dia voafelaky ny fanagadrana maharitra folo taona noho ny famoahana lahatsoratra ‘manompa’ ny fiandrianana i Somyot. Namoaka dika an-tsoratra amin'ny teny anglisy tsy ofisialy ny fehin'ny didim-pitsarana i Piangtawan Phanprasit:

Ahitana fanaratsiana, fanompana ary fandrahonana ny Mpanjaka ny votoatin'ny lahatsoratra maro navoakany. Fa ny famoahana, fampielezana ary ny fanapariahana ny lahatsoratra dia efa ahafaha-manondro ny fikasana hanaratsy, hanompa ary handrahona ny Mpanjaka ka efa manitsaka ny Fehezan-dalàna andininy faha 112. Ny famoahana lahatsoratra roa amin'ny fotoana roa samihafa dia efa manorina fanitsakitsakana roa samihafa.

Nampiraingiraingy ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona sy ny vondro-gazety lehibe izany didim-pitsarana izany ka niampangany avy hatrany ny didim-pitsarana ho toy ny famelezana ny fahalalaham-pitenenana.

Napetrak'i Bangkok Pundit ny rohy manamarika fa ity raharaha Somyot ity no fahatelo iampangana ny fanivaivana ny Mpanjaka nandritra ny volana lasa:

Eny fa na dia nihavitsy aza ny raharaha ary azo heverina ho taona “tsara” ihany ny 2012 raha jerena ny isan'ny olona voaheloka ho nanao fanivaivana Mpitondra, dia ity no fanintelony nitranga tamin'ny volana lasa. Nipongatra indray ankehitriny (farafaharatsiny) ny raharaham-panivaivana Mpanjaka. Fanivaivana ho nanompa na nanaratsy mpitondra fa tsy fandrahonana

Efa nisy ny fiovam-pihetsika manoloana ny fanivaivana ny mpanjaka tao anatin'izany dimy taona lasa izay. Saingy, araka ny hita amin'ny fanemorana ny fanitsiana ny lalampanorenana, dia akisaky ny fitondrana etsy ankilany avokoa ny raharaha mety hitarika fifanandrinana rehetra.

Students call for Somyot's release during a university football match. Photo from @anuthee

Mpianatra Miantso ny hamotsorana an'i Somyot nandritra ny lalao baolina fandaka tao amin'ny oniversite iray. Saripika  @anuthee

Mahalala ny dikan'ny hetsiky ny mpianatra manohitra ilay lalàna mampiady hevitra i Saksith Saiyasombut:

Mahatalanjona ihany rehefa ny mpianatra (na ny tanora amin'ny ankapobeny) no heverina ho tsy liana na mazoto loatra amin'ny resaka politika (tahaka ny taloha). Ary mitolona manokana amin'ny fijeriny momba ny fanivaivana mpanjaka ny ao amin'ny Oniversite Thammasat

Raha heverina ho tsy azo vinavinaina noho ny tsy fahazotoan'ny governemanta hanao izany ny isian'ny fiovàn-dalàna momba ny fanivaivàna mpanjaka – na dia manana ireo mpifidy azy ao amin'ny Mena Akanjo aza izy – ireo tantara rehetra ireo no mampiseho fa momba velona sy mandeha tsara ny adi-hevitry ny olona momba ny fanivaivàna mpanjaka (lèse majesté).

Ratch, izay manoratra ao amin'ny bilaogin'ny Mena Akanjo, dia te-hilaza fa mety hahazo amnistia (famotsora-keloka) avy amin'ny governemanta i Somyot:

Raha jerena ny fidiran'ny resaka politika amin'ity raharaha Somyot ity, dia manantena ny UDD fa azo ampiharina aminy ny volavolan-dalàna momba ny famotsora-keloka. Voalazan'ny drafi-pehezan-dalàna fa “ny olona rehetra izay voaheloka noho ny resaka politika rehetra hatramin'ny nisian'ny fifandonana ara-politika tamin'ny 1 Janoary 2006 ka hatramin'ny 31 Desambra 2012″ dia tokony avotsotra avy hatrany.

Manisika amin'ny hanaovana fanitsiana ny andininy faha-112 izay fariparitana matetika ho fepetra henjana indrindra manerantany eo amin'ny sehatra fanivaivàna ny ao amin'ny Cross Cultural Foundation:

Tokony hiezaka hanao izay hanitsiana ny Fehezan-dalàna faha-112 hifandraika kokoa amin'ny rafitra demokratika ary mifanaraka kokoa amin'ny adidin'i Thailand hanaja ny andininy faha-19 amin'ny Dina iraisampirenena momba ny zo ara-tsivily sy ara-politika. Tokony ahitsy hifanaraka amin'ny fahenjanan'ny fandikan-dalàna ny fanasaziana. Tsy ho tontosa ao anatin'ny fampiharana lalàna mavesatra loatra sy tsy mifanaraka amin'ny demokrasia ny fiarovana ny fitondram-panjaka.

Students protest against the controversial Lese Majeste law. Photo from Flickr page of Prachatai

Mpianatra manohitra ilay lalàna mampiady hevitra momba ny fanivaivàna ny mpanjaka. Sary avy amin'ny takelaka Flickr an'i Prachatai

Nadikan'i Holger Grafen tsy amin'ny fomba ofisialy ny kabarin'ny Dr. Tul Sittisomwong izay manohana ny fampiharana ny lalàna misahana ny fanivaivàna ny mpanjaka ao Thailand:

Isika ato amin'ny fiaraha-monina Thai no mihevitra fa tsy azo leferina izany olona manaratsy, manompa ary mandrahona mpanjaka izany. Ary isika no milaza fa avo kokoa noho ny taloha ny fanagadrana, 3 ka hatramin'ny 15 taona, ilazana ny havesany, miangavy tsy hanao izany.

Izao izany no izy. Tsy resaka raharaha Somyot ihany. Izay rehetra manaratsy, manompa na mandrahona ny mpanjaka, ny mpanjakavavy.

Nahoana, nahoana ny vahoaka na fiaraha-monina Thai no manaiky fa tsy resaka zon'olombelona io, tsy resaka fahalalaham-pitenenana.

Brad Adams, Talen'ny Human Rights Watch ao Azia, manazavazava ny didy ho fanapoahana ny zo hiteny malalaka:

Tahaka ny maka ny andraikitry ny fitarihana ny fiarovana ny fitondram-panjaka ka lasa manohintohina ny zo hiteny malalaka ny didim-pitsarana

Tarataratra ho mirona kokoa ho amin'ny fanitsiana ny lalàna momba ny fanivaivàna ny mpanjaka ny didim-pitsarana eo amin'ny raharaha Somyot miohatra amin'izay mety ho fahavoazana manjò ny fiandrianana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.