Fahanginan'i Ejypta Manoloana Ny Todra-drano Ao Sinai

Ravan'ny todra-drano i Sinai, taorian'ny orambe mivatravatra tao amin'ny faritra. Vitsy dia vitsy ny vaovao momba izany tao amin'ny aterineto, ary fahanginana tanteraka tao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra.

Tao amin'ny Twitter, Ibrahim Elgarhi nandefa sioka ho an'ny filohan'ny Ejipsiana Mohammed Morsi [ar]:

عاجل وانساني: فيه عشرات الاسر المحاصرة في سيناء في وادي فيران بعد ما عزلتهم السيول ومحتاجين اغاثة.. ملحوظة: سيناء دي تبع مصر يا ريس

@Ibrahim_Elgarhi: Vonjimaika sy ny vonjy voina: Am-polony maro ireo fianakaviana tratran'ny fahirano ao Sinai, ao amin'ny lohasaha Firan, tra-boina izy ireo noho ny tondra-drano ary mila fanampiana haingana dia haingana. Azafady, fantaro Andriamatoa Filoha fa tafiditra ao anatin'i Ejipta ny faritra Sinai

Manoloana ny fahanginan'ny fanampiana avy amin'ny manampahefana, nanangona fanohanana i Alyaa Gad ho hetsika avy amin'ireo mpiserasera:

ال١٤٠٠ أسرة المحاصرين بالسيول في سيناء نساعدهم ازاي؟ (انسوا الحكومة- مافيش حكومة)، احنا – احنا نقدر نعمل ايه؟

@AlyaaGad: Ahoana ny fomba hanampiantsika ireo fianakaviana 1.400 tratran'ny tondra-drano ao Sinai? (Adinoy ny governemanta amin'izany satria tsy misy governemanta). Inona no ataontsika?

Ary omaly, bilaogera Wael Abbas nisioka hoe:

1400 اسرة معزولة في جنوب سيناء وادي فاران بسبب السيول بدون اكل او كهرباء ولا يوجد اعلام او سياسين او احد يتحدث عنهم – الناس بعتولي استغاثة !

@waelabbas: Fianakaviana 1.400 no tra-boina ao Atsimon'i Sinai ao amin'ny lohasaha Firan noho ny tondra-drano. Tsy misy ny sakafo sy ny herinaratra ary tsy misy media na mpanao politika na olona miresaka momba izany. Nandefa SOS taty amiko izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.