Mikombom-Bava Amin'ireo Fisamborana Faobe Atao Ny Mpanao Gazety Ny Gazety Ao Iran

Avy amin'i Mana Neyestani, Iraniana malaza amin'ny sariitatra. Loharano: Radiozamaneh

Namely indray ny lohalaharana erantany amin'ny mpamonja mpanao gazety. Raha kely indrindra Dia Iraniana 12 mpanao gazety no nosamborin'ny olon'ny fitondràna tamin'ny faran'ny herinandro teo. Ny Reporters Sans Frontières (RSF) dia namoaka  fanambaràna iray mikasika ny fisamborana faobe mpanao gazety, tamin'ny Alatsinainy 28 Janoary 2013. Araka ny ambaran'ny RSF, anatinàa andiany vaovao amin'ny fampanginana ireo mediam-baovao ao Tehran, dia nosavain'ireo manampahefana avy amin'ny ministera misahala ny fitsikilovana, nanao akanjon'olon-tsotra, omaly, ny foiben-toeran'ny gazety efatra mpiseho isanandro – Etemad, Arman, Shargh sy Bahar – ary ny mpiseho isan-kerinandro Aseman sady, tsy nasiana fanazavàna, fa nisambotra avy hatrany mpanao gazety niisa 10 raha kely indrindra.

Maro no mihevitra, tahaka ny voasoratry ny The Guardian, fa “ireo fisamborana ireo dia mariky ny fiakaran'ny fanampenam-bava ny asa fanaovana gazety izay fitaratry ny tsy fisian'ny fandeferana ao Iran ho an'ireo izay miasa miaraka amin'ny fampahalalam-baovao mpanohitra na izay fanìmoaham-baovao noheverina fa manohintohina ny fitondràna.”

Marobe ny Iraniana mpisera anaty aterineto no nizara sary maro natambatra ahitàna ireo mpanao gazety nofonjaina, maneho ny firaisankinan-dry zareo sy mitaky ny famotsorana azy ireo :

source:http://masihalinejad.com/wp-content/uploads/2013/01/536937_10151243473741608_867996887_n.jpg

Masih Alinejad, vehivavy Iraniana iray mpanao gazety, dia manoratra ao amin'ny bilaoginy [fa] fa azontsika adika ireo fisamborana faobe vao haingana ireo ho toy ny karazana “fanonganam-panjakana amin'ny alàlan'ny fifidianana mialoha ny fitoana” mba handemena ny sain'ireo Iraniana mpanao gazety. Hatao ny Jona 2013 ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena.

Hoy izy manoratra:

… tsy misy vaovao momba ireo mpanao gazety voasambotra sy ny fanafihana ny tranon'izy ireo any anatin'ny gazety izay azy ireo rahateo… Lasibatra mora [ato anatin'ny rindrina Persiana fohy indrindra,] ho an'ny fitondràna izay matahotra noho ny fifidianana tsy malalaka karakarainy ny mpanao gazety…. Tahaka ny hoe aty Iran, alohan'ny hetsika rehetra, dia samborina hatrany ny mpanao gazety.

Betsaka ny mpiseta anaty aterineto no nibitsika mikasika ilay tantara sy nizara rohy ho an'ireo media sy fikambanana samihafa.

Laleh nibitska hoe :

Dominque Rodier nibitsika hoe

Persian Banoo nibitsika hoe :

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.