Filipina: Manolotra Fotoam-pivavahana Amin'ny Aterineto Ny Fiangonana Katolika

Nazoto nampiasa ny aterineto hamitana ny adidy evanjelika ny Fiangonana Katolika Filipiana tato ho ato. Tato anatin'ny taona vitsy lasa, nanokatra  seha-pifaneraserana maro tamin'ny aterineto izy izay hahafahan'ireo Filipiana maneran-tany mankalaza ny fomba Kristiana.

Ohatra, nanolotra ho an'ireo Filipiana Katolika ny fotoana hahitàna sy handrenesana ny fandinihan-tenan’ ny Karemy i Visita Iglesia . Ny tena zava-dehibe dia afaka mivavaka amin'ny Toby rehetra lalovan'ny Hazofijaliana izy ireo sady mihaino ny Pasyon, fomba Filipiana mitanisa ny fahafatesana, ny fijaliana ary ny fitsanganan-ko velon'i Jesoa Kristy.

Natao nanomboka tamin'ny 2010 ny Paskong Pinoy sa Mundo (Krismasy Filipiana eo amin'Izao tontolo izao) ho fankalazana ny Krismasy

Paskong Filipino sa Mundo ay isang website para sa global Filipino. Ang tanging layunin nito ay makapagbigay ng pagkakataon sa ating mga kababayang magpalitan ng mga pagbati at magbahagi ng mga karanasang kapupulutan ng aral.

Sa website ding ito, mapapanood ang mga pagninilay na tugma sa lahat ng araw ng Simbang Gabi. Marahil ito ay makatutulong sa ating mga kababayang nasa pook na walang Misa o kaya’y naglalayag sa karagatan o di kaya’y kasalukuyang may karamdaman.

Tranonkala ho an'ny Filipiana manerana an'izao tontolo izao Paskong Pinoy sa Mundo (Krismasy Filipiana eo amin'Izao tontolo izao). Ny hany tokana antom-pisiany dia ny hanome ho an'ireo Filipiana rehetra fahafaha-mifanakalo fifampiarahabana Krismasy sy mifampizara tantara sy lesona amin'ny fiainana.

Amin'ny alalan'ity tranonkala ity no afaka hijerena ny horonantsary misy ny toriteny Simbang Gabi (Lamesan'ny sasakalina). Mety tena hanampy be ireo Filipiana monina eo amin'ny toerana izay tsy misy Lamesa izy ity na koa ho an'ireo izay mitety ranomasina na koa mety hoe mijaly noho ny aretina..

Fiangonana ao amin'ny Nosy Bohol. Sary avy amin'ny pejy Flickr  an'i  besighyawn

Fomba iray hafa koa an'ny Katolika Filipiana ny Simbang Gabi izay ankalazaina herinandro mialoha ny Andron'ny Krismasy. Nanome tolotra Simbang Gabi amin'ny aterineto ny The Inquirer Group, tambajotran'ny haino aman-jery sosialy fototra. Mpiara-miasa amin'ity hevitra vaovao ity ny fiangonan'i Monsignor Rolando Dela Cruz :

Hitondra zavatra tsara ho an'ireo izay tsy afaka ny hanatona fiangonana sy ireo Filipiana maneran-tany ny fandrakofan'ny tranonkala ny lamesa maraina.

Mety ho an'ny olona tsy afaka mandeha mankany am-piangonana izy ity, na koa hoe tsy misy fiangonana eo amin'ny firenena izay vitsy ny Kristianina ao aminy.

Atolotray azy ireo ny làlana hahafahan'izy ireo mandray anjara, sy miomana ara-panahy ihany koa amin'ny fiavian'i Jesoa amin'ny Andron'ny Krismasy.

Afaka mandray anjara amin'ny Simbang Gabi ihany koa ny Filipiana ety anaty aterineto saingy tsy mba afaka toy izany kosa ny mpividy entana matetika amin'ny fivarotana lehibe, hoy ny Arsidiosezin'i Manila nampitandrina 

TMety tsy ho ankalazana eny amin'ireo tranombarotra lehibe na koa eny amin'ny ivo-toeram-pivarotana ny Simbang Gabi, raha tsy oe misy lasapely eo amin'ilay toerana, izay hankalazana matetika ny Eokarisitia Masina ary efa nekenay hatrany am-boalohany. Rarànay ny fankalazana ny Simbang Gabi any an-dalantsara na koa hoe lalan-kely fiantsenana, toerana izay tsy misy ilàna ny hanehoana ny Eokarisitia Masina amin'ireo mpiantsena izay tsy mivaky loha amin'ny fankalazana akory.

Arseveka Ramon Arguelles mitarika ny lamesa sasakalina

Mitoraka bilaogy ihany koa ny eveka sy ny pretra Katolika hanaparitahana ny Finoana. Mandinika mikasika ny hevitry ny fankalazana ny Krismasy ny Junjun Faithbook:

Nitondra fiara nandalo ny tanàna aho io maraina io ary nahita mihitsy fa tena tototra ny làlana. Efa hitako sahady ny famantarana ny Krismasy sy endri-pamantarana eny rehetra eny, nefa dia mahatonga ahy hanontany tena izany, tena any am-pon'ny olona tsirairay ve ny Krismasy. Nahatonga ahy hanontany tena hoe inona tokoa no tena maharisika antsika hankalaza ny Krismasy? Satria ve andro fialan-tsasatra izy io? Satria ve fotoana hanararaotana hahitana ny havana aman-tsakaiza? Noho ny fanomezana izay atolotsika sy atolotra antsika ve? Noho ny finoantsika an'Andriamanitra tonga olombelona, Andriamanitra izay nisafidy manokana ny ho fantatra amin'ny endrik'olombelona mba hamonjy antsika sy hanala antsika amin'ny fahotan'ny olona?

Manontany i Fr. Amado Picardal raha mbola misy lanjany lehibe ny fankalazana ny Krismasy ao anatin'ny fahantrana, ny fahapotehana, ary ny herisetra eny rehetra eny:

Vita ve ny hankalaza ny Krismasy ao anatina loza, fijaliana, fahantrana, herisetra, sns? Afaka ny hanana Krismasy sambatra ve isika nefa tsy ampy vola akory? nefa tsy ampy sakafo akory? Rehefa marary isika ?

Natao hoan'ny olona anaty haizina ny Krismasy, ho an'ny olona izay mijaly, ho an'ny olona izay mitady ny fanantenana. Milaza amintsika ny Krismasy fa nanome ny fanomezana lehibe indrindra ho antsika Andriamanitra — ny Zanany Lahitokana izay nitondra ny famonjena ho an'izao tontolo izao, izay handresy ny ratsy rehetra– ny haizana rehetra.

Fomba iray hafa koa an'ny Katolika Filipiana ny Undas rehefa mitsidika ny fasana isaky ny 1 Novambra sy manolotra vavaka ho an'ireo havan-tiany nodimandry ireo mpino. Nanomboka ny Undas amin'ny aterineto ny fiangonana Katolika hanampiana ny Filipiana any ivelan'ny firenena mba hahatsiaro ilay vanim-potoana:

Niaraka tamin'ireto hevitra manaraka ireto tao an-tsaina no nanatontosaàna ity tetikasa ity : a) Filipiana izay voageja ao an-trano ary tsy afaka ny hitsidika ny fasana mihitsy: b) Filipiana izay lavitra ireo havan-tiany, toy ireo any amin'ny firenena hafa; c) Filipiana tantsambo.

Afaka mangataka lamesa mihitsy aza ireo Filipiana Katolika:

Ho an'ireo izay tsy afaka manao azy ity any amin'ny paroasinareo, indrindra ireo Filipiana any amin'ny firenena hafa na koa tantsambo, afaka mangataka lamesa ianareo hankalazana ny havan-tianareo efa nodimandry. Ataovy anaty lisitra azafady ny anaran'ireo efa nodimandry izay tianao atao amin'ny lamesa hankalazaina ao amin'ny lasapelin'ny CBCP (Kaonferansa Episkôpaly Katôlika ao  Filipina).

Ankoatry ny avy any Timor Leste, Filipina no firenena tokana any Azia be  Katolika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.