Sazy An-tranomaizina Mandra-pahafaty No Azon'i Pınar Selek Taorian'ny Fotoam-pitsarana azy Naharitra 15 Taona

Pınar Selek, sosiology sady mpanoratra monina ao Strasbourg, no efa voampanga fa nidaroka baomba tao amin'ny tsenan-tsakay ao Istanbul, voaheloka higadra mandra-pahafaty ao amin'ny fonjan'i Torkia izy. Rehefa noafahana madiodio in-telo nandritra ny fotoam-pitsarana naharitra 15 taona teo izy, nivoaka tamin'ny 24 Janoary 2013 lasa teo ny didim-pitsarana. Hosamborin'ny polisy izy raha miverina any Torkia.

Nanomboka tamin'ny 11 Jolay 1998 ny dian'i Selek niaraka tamin'ny rafi-pitsarana Tiorka, roa andro taorian'ny fipoahana tao amin'ny Tsenan'ny Sakay ao Istanbul. Namono olona fito ary maratra teo amin'ny 100 teo ny fipoahana. Na dia teo aza ny ahiahy fa noho ny daroka baomba nataon'ny PKK (Antokon'ny Mpiasa Kiorda) no anton'ny fipoahana, nanambara ny valim-panadihadiana enina fa tsy avy amin'ny daroka baomba na ny fanafihana fampihorohoroana ny fipoahana. Nanomboka nahaliana ny toe-draharaha taorian'zany. Voasambotra i Pınar Selek roa andro taorian'ny fipoahana; nihevitra ireo manampahefana fa mpikambana teo aloha tao amin'ny PKK izy.

Olona hafa ahiahiana ihany koa i Abdülmecit Öztürk, izay nosamborina teo amin'ny roa herinandro teo taorian'i Selek ary niaiky fa niara-nikononkonona sy nanatanteraka ny daroka baomba izy ireo. Saingy, raha vao netina teo anatrehan'ny fitsarana izy, dia nilaza fa nampijaliana ary noterena hanaiky ny fiampangana azy na dia tsy nandray anjara aza. Nandritra ny fotoam-pitsarana, nampiseho ny fiaikena nataon'i Öztürk fa nihaona tamin'i Pinar Selek ny nenitoany amin'ny maha-fofombadin'ny zana-drahalahiny azy [Pinar]. Nampiseho ny fiampangana fa nandritra ny fitsidihany tao an-trano, niara-niditra irery tao an-trano i Öztürk sy Selek ary nijanona tao nandritra ny fotoana maharitra. Tadidin'ilay  nenitoa tamin'ny endriny i Selek ary niaiky izy fa i Selek sy ny zana-drahalahiny ireo tonga nitsidika tao an-trano. Saingy, raha nitsangana teo anoloan'ny fitsarana ireo vavolombelona, tsy mahay miteny Tiorka mihitsy ny nenitoan'i Öztürk fa teny Kiorda ihany no mba hainy, izay nahatonga ny ahiahy tamin'ny tsy fahaizany miteny Tiorka no sady tsy nisy koa ny mpandika teny. Fanampin'ny fanadihadiana mampisalasala izany mikasika ny fipoahana, tsy nahavita nampiseho ny fifandraisan'ny fipoahana sy ny baomba ireo fanadihadiana rehetra. Nanambara ny fanadihadiana fa noho ny gazy nitete no tena anton'ny fipoahana.

Sazy an-tranomaizina mandra-pahafaty no didy navoakan'ny fitsarana ho an'i Pınar Selek. Sary nalaina tao amin'ny pejy fcebook-ny.

Tamin'ny volana Jolay 1998 no voasambotra i Pınar Selek ary navotsotry ny fitsarana tao an-toerana izy roa taona sy tapany taty aoriana, tamin'ny 22 Desambra 2000. Taorian'ny fampiakarana ny raharaha teny amin'ny fitsarana ambony nataon'ny Minisitry ny Raharaha Anatiny sy ny Sampan-draharahan'ny polisy ao Istanbul, namosa-kevitra ny vondrona manam-pahaizana hafa (zandary) fa mety avy amin'ny baomba ilay fipoahana, na dia izany aza, tsy nanaiky ny valim-panadihadiana ny olo-tsotra iray manam-pahaizana ao amin'ity vondrona ity. Nikaroka fanadihadiana hafa  ity manam-pahaizana ity mba hanehoany fa tsy avy amin'ny baomba ny fipoahana ary nilaza ihany koa izy fa tsy azo ekena satria tsy siantifika no tsy mendrika inoana ny valim-panadihadiana avy amin'ny zandary.

Tamin'ny 8 Jiona 2006, namoaka ny fanapahan-keviny voalohany manafaka madiodio an'i  Pınar Selek sy Abdülmecit Öztürk ny Fitsarana Ambony ao amin'ny Sampana Heloka Bevava faha-12 ao Istanbul, izay nilaza fa: mikasika ny fipoahana tao amin'ny Tsenan'ny Sakay, “tsy nahitana porofo mazava sy azo itokiana mitaky fanasaziana ny fipoahana.” Notsipahan'ny  Fitsarana Tampony Sampana Heloka Bevava faha-19 izany fanapaha-kevitra izany tamin'ny 17 Aprily 2007, ny “tsy fisian'ny didim-pitsarana navoaka” no antony. Tamin'ny 23 Mey 2008, noafahan'ny Fitsarana Ambony Sampana Heloka Bevava faha-12 ao Istanbul madiodio fanindroany i Selek. Taorian'ny fampiakarana indray ny didim-pitsarana tany amin'ny fitsarana ambony, tamin'ny 9 Febroary 2011, noafahana madiodio fanintelony izy. Nampiakatra indray izany fanafahana madiodio izany eny anivon'ny fitsarana tampony ny fampanoavana, iray andro taorian'ny didy navoakan'ny Fitsarana Ambony Sampana Heloka Bevava faha-12 ao Istanbul. Ary tamin'ny 24 Janoary 2013, sazy an-tranomaizina mandra-pahafaty no didy navoakan'ny fitsarana ho an'i Pınar Selek.

Tao amin'ny kaonty Twitter-ny, niantso ireo mpanohana azy teo amin'ny vavahadin'ny fitsarana i Pınar Selek nandritra ny fiatoana kely mialoha ny fanambarana ny didim-pitsarana farany, hoy ny siokany tamin'izany:

@Pinar_Selek: Davaya karar icin ara verildi.Herkesin Caglayan Adliyesi C kapisinda acilen toplanmasi cok onemli. Gidisat iyi gorunmuyor

Miato kely alohan'ny hamoahana ny didim-pitsarana farany. Zava-dehibe ny mihaona eto anoloan'ny vavahadin'ny fitsarana Caglayan C. Toa tsy tsara ny fandehan-javatra.

Mpanoratra ny “Blood & Belief”, Aliza Marcus naneho ny hatezereny tamin'ny Rafi-pitsarana Tiorka tamin'ny alalan'ny sioka hoe:

@AlizaMarcus: Tena hafahafa tanteraka ny Rafi-pitsarana Tiorka: noafahana madiodio in-telo ilay sosiology Pınar Selek & avy eo nahazo sazy an-tranomaizina mandra-pahafaty

Mpanao gazety Balçiçek İlter nisioka hoe:

@Balciceki: Pınar selek'e 3 kez beraattan sonra müebbet! Bu ülkede hukuk bitmiştir! Adalet mi? Guldurmeyin beni!

Sazy an-tranomaizina mandra-pahafaty ho an'i Pınar Selek taorian'ireo fanafahana azy madiodio intelo. Tsy misy lalàna intsony eto amin'ity firenena ity! Fitsarana? Aza mampihomehy ahy!

Mpanao gazety hafa Cüneyt Özdemir nanohana azy tamin'ny sioka hoe:

@cuneytozdemir: Pınar Selek yalnızca yanlış zamanda yanlış yerde bulunmadı. Yanlış zamanda yanlış ülkede doğdu!

Tsy tratran'ny toeran-dratsy sy fotoana ratsy ihany i Pınar Selek. Teraka tao amin'ny firenena tsy manjary ihany koa izy.

Nizara ity sary ity tao amin'ny Pejy Facebook  “Collectif Solidarité Pınar Selek” (Fiombonam-piraisankina Ho an'i Pinar Selel)” ireo mpanohana an'i Pınar Selek mba hanao hetsika fanohanana ho an'ny fanafahana azy madiodio:

Mpanohana an'i Pınar Selek manohitra ny didim-pitsarana, nilanja sorambaventy izy ireo izay mivaky hoe “Mitaky ny Famerenana ny Fanafahana Madiodio an'i Pınar Selek izahay”. Sary tao amin'ny pejy Facebook Collectif Solidarité Pinar Selek.

Niezaka nisarika ny saina momba ny  raharaham-pitsarana an'i Pinar Selek ny fikambanana iraisam-pirenena tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity. Nandefa lahatsoratra tao amin'ny habakany ny Federasiona Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'Olombelona (FIDH) sy ny Fikambabana Erantany Manohitra Ny Fampijaliana (OMCT) tamin'ny 21 Janoary, nilaza momba ny fanohizan'ny herisetram-pitsarana mihatra amin'i Pınar Selek. Naneho ny ahiahiny mikasika ny herisetram-pitsarana mahazo an'i Pinar Selek ihany koa ny PEN, fikambanan'ny mpanoratra manerantany tamin'ny volana Desambra 2012.

Na inona na inona, efa noafahana madiodio in-telo izy ary mbola mitolona mba hahazo fanafahana madiodio faninefany. Sarotra tokoa ny ahatakatra ny fomba niainany ny fotoam-pitsarana naharitra 15 taona be izao izay niafara tamin'ny didim-pitsarana manameloka azy higadra mandra-pahafaty. Kanefa, manazava ny tolona mbola nataony ho amin'ny fanafahana azy ny teniny tao amin'ny habaka www.pinarselek.com [tr] izay noraisin'ireo namany ho fanohanana azy :

Yoksunlukları, adaletsizlikleri, şiddeti keşfettikçe kendi kendimize soruyoruz: “Mutluluk mümkün mü?” Ben, bu kısacık varoluş macerasını güzel yaşamak için adalete ve özgürlüğe ihtiyaç duyanlardanım. Bunun için politika yapıyorum. Başkalarını kurtarmak için değil, mutlu olmak için, herkesinkiyle derinden ve karmaşık bağlara sahip olan hayatımı değiştirmek için… Gözümü yumup mutsuz olmamak için gözlerimi açıp acı çekiyorum.

Manontany tena isika rehefa mamakafaka ny fahantrana, ny tsy rariny, ny herisetra: “Mety misy ve ny fahasambarana?” Iray amin'ireo olona mitady fahafahana sy rariny aho mba hiaina ity fiainana fohy sy mahafinaritra ity. Izany no hitolomako. Tsy ny hamonjy ny hafa ho sambatra, ny hanova ny fiainako izay manana fifandraisana lalina sy sarotra amin'ny fiainan'ny hafa… Mampisokatra hatrany ny masoko hiaritra, fa tsy manakipy ny masoko hijaly.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.