Kiorda Tery Anelanelan'ny Islamista Sy Ny PKK

Ao anatin'ny fiaraha-miasanay amin'i Syria Deeply; miaraka mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana izahay, izay ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady..

Azaz, Syria: Tafintohina anaty toe-draharaha mangozohozo ny Antokon'ny Mpiasa Kiorda (PKK) ao Torkia, sy ny sampany mpanao politika Syriana, ary ny Antoko  Demokraty Mitambatra(PYD). Mitantana andiana tanàna sy tanàn-dehibe manamorona ny sisintany tiorka izy ireo ankehitriny taorian'ny namelan'ny tafika Syriana ny fifehezana ny sisintany ho an'ny PKK tamin'ny fahavaratra tamin'ny taon-dasa.

Tanteraka ny nofinofin'ny Kiorda izay niharan'ny fanavakavaham-bolokoditra naharitra ela nandritra ny fitondrana Baasista tao Siria sy ny nanirany ny hanana fanjakana mahaleontena – saingy nivadika vetivety ho ratsy kokoa ny famoretana noho ny tamin'ny andron'i Assad.

 

Bewar Mustafa, second left, Shawqi Othman, second right, and other Saladin Brigade members. Credit: Mohammed Sergie

“Tsy afaka manoka-bava izahay,”hoy i Walato, mpikatroka mpanohana ny Demokrasia avy ao Jinderes, tanàna Kiorda ao avaratr'i Aleppo. “Tsy dia manana fahalalahana firy izahay teo ambanin'ny fifehezan'ny PKK noho ny teo ambanin'ny fifehezan'ny fitondran'i Assad.”

Ho an'ny mpikatroka tahaka an'i Walato izay monina ao amin'ny tanàna fehiziin'ny PKK, midika ho miasa an-kiafina kokoa noho ny tamin'ny fitondran'i Assad ny miara-monina amin'ny fitondrana vaovao. Nahavita fihetsiketsehana goavana  ireo tanàna Kiorda tahaka an'i Afrin, Amouda sy Kobani tamin'ny fiandohan'ny revolisiona tao Syria, saingy nanjary niha-vitsy izany hetsi-pihantsiana sy firaisankina miaraka amin'ny firenena rehetra izany.

“Efa namafa ny voambolana “Yasqut’ [midika hoe miala i Assad] tamin'ny rindrina mihitsy aza ny PKK,” hoy i Walato. “Matetika niharan'ny herisetran'ny ezaka tsy politika tahaka ny fikarakarana fanampiana maha-olona ny mpikatroka .”

(Fanampim-baovao momba an'i Kiorda ao Syria, tsindrio eto raha hijery ny fikarohana farany nataon'ny Vondrona Iraisam-pirenena misahana ny Krizy ary eto, sy eto ny tatitra roa avy amin'ny Fikambanana  Henry Jackson).

Tsy talanjona intsony ny komandàn'ny Antoko Saladin, izay mitolona ao Aleppo, raha nitsahatra tamin'ny fifehezany ny tanàna Kiorda ny PKK. Ny PKK no hany vondrona tokana manana fiadiana sy manana lamina afaka mameno ny banga. Saingy misy ny antony mahatonga izany ho tsara petraka. Nilaza ny Kolonely Shawqi Othman, lehiben'ny Antoko Saladin, fa tohanan'ny Hafez al Assad ny PKK mba hampisaraka an'i Kiorda amin'i Syria sy hanery an'i Tiorkia hanamafy ny fisarahana ankehitriny amin'ny politika Kiorda.

There is also a sectarian reason why the Assad regime backs the PKK, according to Othman. Most of the PKK’s leadership hails from a rarified minority: Alawite Kurds. Abdullah Ocalan, one of the PKK’s founders who was based in Syria and is now in a Turkish prison, is an Alawite, Othman said.Misy ihany koa ny antony ara-pivavahana (sectaire) mahatonga ny fitondrana Assad manohana ny PKK, araka ny filazan'i Othman. Maro amin'ireo mpitarika ny PKK no avy amin'ny vitsy an'isa tsy malaza: Kiorda Alawite. Abdullah Ocalan, iray amin'ny mpanorina ny PKK izay nifikitra tao Syria fa migadra ao Tiorkia ankehitriny dia Alawite. Amin'ireo olom-pirenena 23 tapitrisa ao Syria, Kiorda avokoa ny 10 isan-jato mahery amin'izany, ary mpankasitraka ny Islamo Sonita amin'ny endriny mahalanjalanja ny ankamaroan'izy ireo.

Na dia mandà ny fifandraisany amin'ny fitondrana Assad aza ireo manampahefana ao amin'ny PKK, somary tsy mazava ny valinteny avy amin'ny mpitondra teniny raha nanontaniana momba ny fiavian'ireo fitaovam-piadiany, araka ny voalazan'ilay mpikaroka monina ao Washington izay mitantara akaiky momba ny vondrona ary nihaona tamin'ireo lehibe vao haingana. Tsy afaka niresadresaka mivantana tamin'ireo manampahefana ao amin'ny PKK i Syria Deeply

Na dia nilaza aza ireo mpioko Kiorda sy mpikomy fa voageja sy rahonan'ny PKK izy ireo, nanapa-kevitra tsy hifanatrika amin'ny vondrona izy ireo mba hisorohana ny adin'ny mpiarahalahy eo amin'ireo Kiorda.

Na dia izany aza, mihamafy ny fifanolanana eo amin'ireo vondrona mitam-piadiana. Nilaza ny kapiteny Bewar Mustafa, manampahefana Kiorda voalohany niala tamin'ny fitondrana Assad, sy mpamorona ny Antoko Saladin izay nitolona tao Aleppo fa ao anatin'ny lisitra maintin'ny PKK izy, sy ny sasany amin'ireo namany

Nanambara i Othman fa hiezaka hisoroka ny rà mandriaka eo amin'ireo foko mpirahalahy ny vondrony ary vonona hiandry ireo vahoaka Kiorda ao an-toerana hivadika amin'ny PKK. Mety tsy hiandry ela izany ankehitriniy. Nanambara kosa i Walato fa nampalaza ratsy ny PKK ny fihoaram-pefy ataony, tahaka ny fangalana hetra na famatorana gadra amin'ny andry ao amin'ny kianjan'ny tanàna mandritra ny andro. Fanampin'izany, ny fandrahonana ataon'ireo Islamista mahery fihetsika izay nanery ireo Kiorda ho mailo amin'ny fialany tsy hanohana ireo milisy matanjaka indrindra .

“Raha eo amin'ny Jabhat al-Nusra na ny PKK ny safidy, hisafidy foana ny PKK aho,” hoy i Mohammed Suleiman, mpikatroka miara-miasa akaiky amin'ny Antoko Saladin sy miantso ny PKK ho mpikarama an'ady sy mpamono olona.

Rariny raha miahiahy ireo Kiorda. Nitranga tao Ras Al Ain ny fifandonanana nahafatesana olona teo amin'ireo mpikomy sy mpiady PKK tamin'ny herinandro lasa.  Nampiasa fiara mifono vy tao an-tanàna ny Antoko Islamista (lahatsary eto ambany), tanàna manamorona an'i Tiorka ao avaratr'i Syria izay teo ambanin'ny fifehezan'ny PKK nandritra ny volana maromaro. Nandrisika ny tokony hitsaharan'ny ady ireo mpanohitra Kiorda sy Arabo ary nilaza i Abdulbaset Sieda, Kiorda sy filohan'ny Filankevi-pirenena Syriana teo aloha fa tsy mitondra vokatsoa ny ady ao Ras Al Ain satria tsy handravona ny ady amin'ny fitondrana Assad izany

Tsy midika akory izany fa tsy mba manana fankasitrahana amin'ireo Islamista ny Kiorda. Raha ny marina, nitolona niaraka tamin'ireo vondrona sasany ny Antoko Saladin. Sharvan Ibesh, dokotera misahana toera-pandidiana ao Aleppo, akaikin'ny sisintany Tiorka, dia nankasitraka an'i Jabhat al-Nusra tamin'ny ezaka nataony sy tamin'ny fandrisihana ny valim-panafihana ny fitondrana ao Aleppo.

“Nitondra ny mafy tamin'ny tolona ireo antoko Islamista,” hoy izy.

Efa voahitsy ny fahadisoana tato amin'ny lahatsoratra

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.