Patagonia Arzantiniana: Ankafizin'ny Bilaogera Mpandehandeha sy ny Mpizaha tany any Arzantina

(Naoty: amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy rehetra ankoatra izay lazaina manokana)

Amin'ity vakansy fahavaratra 2013 ity dia nisafidy an'i Patagonia Arzantiniana [en] ho iray amin'ny toera-pizahantany ankafizina indrindra ny Arzantiniana. Ao amin'ny zoro natokana ho amin'ny fizahantany ny gazety Perfil no manazava ny iray amin'ny antony mahatonga io safidy io noho ny sara azo ihoriranana sy ireo toera-pizahantany maro manintona.

Saingy toerana ho an'ireo te-hahita azy amin'ny alalan'ny bisikileta ihany koa i Patagonia, araka ny itantaran'ny bilaogera avy ao amin'ny La Vida de Viaje (Fiainam-pandehandehanana), nitantara ny diany, ny zava-niainany ary ny zava-nanjò azy ireo ao amin'ny bilaogin'izy ireo:

Después de pedalear unas cuántas horas para llegar a Tolhuin, paramos dos días en la casa de la familia quien nos contactó a través de Facebook para conocernos y para que tengamos un lugar donde parar al llegar.

Descubrimos que este pueblo le da un valor especial al cicloturismo. Se organizan pedaleadas autoconvocadas llevadas a cabo por el movimiento Cicloturismo por la vida en memoria del Doctor René Favaloro. En la panadería La Unión, un clásico por sus paredes llenas de fotos de famosos que pasaron por ahí, hay un cuarto especial para que los biciviajeros puedan pasar la noche y un cuaderno donde todos dejan su huella (¡LVDV inauguró el tomo 2!).

Taorian'ny fivoizana [bisikileta] nandritra ny ora vitsvitsy hihazoana an'i Tolhuin, dia nipetraka roa andro tao amin'ny Fianakaviana Ullua izay nifandray taminay tamin'ny alalan'ny Facebook mba hahafantatra anay ary ho anay mba hahitana fonenana itoerana.

Hitanay fa manome lanja lehibe ny fizahan-tany amin'ny alalan'ny bisikileta ity zana-bohitra ity. Nisy fanomanan'ny hetsika Cicloturismo por la vida [fizahantany am-bisikileta ho an'ny fiainana] natao ho fahatsiarovana ny dokotera René Favaloro. Misy rindrin'ny fanaova-mofo La Unión malaza amin'ny fahafenoan'ny sarin'ireo olo-malaza nandalo tany amin'ny toerana. Ao amin'io toerana io ihany dia ahitana efi-trano manokana ahafahan'ny mpivoy bisikileta mandany ny alina, ary misy kahie ahafahan'ny rehetra mametraka ny sonian'izy ireo. (LVDV nanokatra ny toko 2!).

Misy koa ny bilaogera Arzantiniana, tahaka an-dry Juan sy ry Laura avy ao amin'ny Acróbatas del Camino (Mpitsingeringerin'ny lalana), nanapa-kevitra ny handehandeha amin'ny alalan'ny fanaovana auto-stop ka tsy hianona amin'ny fitetezana an'i Patagonia ihany fa ny tany manontolo. Ao amin'ny iray amin'ny lahatsoratr'izy ireo, no izaràn'izy ireo ny zava-niainany tao Puerto Madryn sy ny fanahian-dry zareo momba ny tontolo iainana. Isan-taona ao amin'ny Península de Valdéz, dia mety ho azo atao ny mahita trozona hanamboatra taranaka avy amin'ny ila-bolan-tany atsimo manamorona an'i Patagonia:

Aún antes de ver la primera ballena, no podía alejar de mi conciencia dos pensamientos. Primero, que mientras que el humano considera a los cetáceos criaturas inteligentes, mamíferos sensibles dotados de un lenguaje indescifrable, las ballenas deben considerar al bípedo un ser chismoso, un merodeador entrometido, un paparazzi de la escala zoológica. El ser humano anda como voyeur festejando especies a cuyo acorralamiento suscribe con el resto de sus hábitos sociales. Hay verdades incómodas, pero cargar el tanque del auto es fomentar el calentamiento global que disminuye la concentración del krill del que se alimentan las ballenas.

Na dia mialoha ny fahitana ny trozona voalohany aza dia eritreritra roa no mieloelo ao amiko. Voalohany, raha mihevitra ny olombelona fa zavaboary manatsaina ny biby an-drano miteraka, mampinono mora mahare zavatra manana fiteny tsy hay henoina, ny trozona angamba mihevitra ny mandeha an-tongon-droa ho mpidikiditra amin'ny raharahan'ny hafa, mpitsabatsabaka, mpitsikilokilo mpakasarin'ny fanjakan'ny biby. Toa ny sarangotin'ny fitiavana fitsikilokilovana karazam-[biby na zavamaniry] asandrany rehefa tsy manao ny mahazatra azy eo amin'ny fiaraha-moniny ny olombelona. Misy ny marina sasany manelingelina, fa ny fandefasan-tsolika ao amin'ny rezervoaram-piara dia miteraka fitomboan-kafanana amin'ny ankapobeny izay mampihena ny harihitry ny orana [biby] kely dia kely fihinan'ny trozona.

Nandeha lavitra kokoa ny lahatsoratra:

Por supuesto, todos los turistas llegan en auto, y muchos aceptarían tener uno para cada miembro de la familia si fuera posible. Porque claro, hay que llevar a los chicos a la escuela. Para que les enseñen que hay que cuidar el medio ambiente por ejemplo… Incluso nosotros caemos en parte en esa contradicción, al viajar a dedo y utilizar automóviles, aunque me consuelo pensando que sólo ocupamos un lugar vacío en un automóvil que ya está en movimiento. ¿Y las ballenas? Claro, estaban ahí, mononas, ingenuas, aleteantes, con un géiser montado en el lomo, algunas solas y otras con sus ballenatos. Alguna vez cazadas por balleneros ingleses que procuraban el aceite para iluminar su imperio, hoy sobreprotegidas y finalmente valoradas.

Mazava, fa tonga amin'ny alalan'ny fiara ny mpizahantany ary manaiky hanana fiara iray isan'olona ao amin'ny fianakavana, raha azo atao. Ary hita miharihary, mila manatitra ny ankizy any an-tsekoly ianao. Mampianatra azy ireo hikajy ny tontolo iainana, ohatra… Eny fa na isika aza, dia misy zava-mifanohi-kevitra ao amintsika, manakana na mampiasa fiara, na dia tsy maintsy mampahery ny tenako aza aho mieritreritra fa mba mameno toerana banga amin'ny fiara efa mandeha rahateo isi. Ary ahoana ny amin'ny trozona? Mazava fa eto ry zareo, mahafinaritra, tsotra be, mikofokofoka manodidina ny “geiser” [rano mifantsitsitra tampoka] ao an-damosiny, ny sasany irery ny hafa miaraka amin'ny zanany. Indraindray tafaraka amin'ny sambo mpihaza trozona anglisy mitady solika hanazavana ny ampirany, ankehitriny efa voaaro fatratra sy nahazo sanda ihany.

Sary nopihan'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity.

Misy ihany koa ireo bilaogera, tahaka an-dry zareo mpandray anjara ao amin'ny Magia en el Camino (Majika eny an-dalana), izay tao anatin'ny Proyecto Educativo (Tetikasa Fanabeazana) fitsidihana sekoly, hopitaly, ny tanàna manodidina hanatontosa fitetezam-paritra majika:

Siempre nos gusta que en los shows haya muchos chicos, pero en el caso de los hospitales es muy diferente: cuanto menos haya mejor. Los chicos no deberían estar ahí, deberían estar jugando en una plaza, por eso es que siempre nos despedimos de los hospitales con la misma frase: “les deseamos de todo corazón que se vayan de acá lo antes posible” y cada vez que decimos eso los padres cierran sus ojos y asienten con la cabeza. Ojalá así sea.

Nankafizinay matetika ny fahitana fahamaroan'ny ankizy mandritra ny fampisehoana, fa hafa kosa izany raha eny amin'ny hopitaly, araka ny fahavitsian'ny ankizy no mahatsara azy kokoa. Tsy tokony ho ao ny ankizy fa tokony hilalao any an-tokotany. Izany no mahatonga anay hampiasa fiteny mitovy hatrany rehefa manao veloma any amin'ny hopitaly: “Maniry indrindra any am-ponay lalina izahay ny mba haha-tafala anareo araka izay haingana indrindra eto amin'ity toerana ity”. Isak'izay miteny izany izahay dia manakipy ny masony ny ray aman-dreny ka feno fanantenana.

Ahitana karazan-toerana maro ny faritra Arzantiniana ao Patagonia sy zava-boary miavaka manokana eto an-tany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.