Voapotsipotsitra Ny Taratasin'ny Filoha Tiorka Ho an'i Bangladesh

Tamin'ny volana lasa [bn] teo ny Filoha Tiorka Abdullah Gül no nandefa taratasy tamin'ny filohan'i Bangladesh. Ny votoaty ankapoben'ny taratasy dia fangatahana “famindram-po” ho an'ireo mpitarika Islamista hotsaraina noho ny fiampangana ho nanao heloka bevava nandripaka olona nandritra ny adim-panafahana an'i Bangladesh. Nosoratany moa fa raha voasazy ireo mpitarika ireo dia mety hiantraika amin'ny fandrosoana ara-toekarena sy sosialin'i Bangladesh izany ary hiteraka fikorontanana ara-piarahamonina sy ra mandriaka.

Andro vitsivitsy nialoha ny fandefasana taratasy, nisy mpikambana 14 avy amin'ny ONG Tiorka ‘nanafina ny mombamomba azy ireo’ tamin'ny fampiasana ‘visa eo am-pahatongavana’ ho an'ny mpizahatany tonga tao Dhaka ka nitsidika ny Fitsarana Ady Heloka Bevava Iraisampirenena ao Bangladesh hijery ny fomba fiasany. Heverina ho mpanohana ny Mpirahalahy Miozolomana izy ireo. Maro amin'ireo hotsaraina ho nanao heloka bevava nandritra ny ady no mpitarika tampony ao amin'ny Jamaat-e-Islami Bangladesh, fikambanana mitovitovy fisainana amin'ny Mpirahalahy Miozolomana.

Aleo marihina fa nandritra ny adim-panafahana tamin'ny 1971 dia tombanana ho 3 arivoarivo no novonoin'ny Tafika Pakistaney ary eo ho eo amin'ny 250.000 ny vehivavy natao an-keriny. Nisy ireo antoko politika sy antokom-pivavahana tao an-toerana tahaka ny Razakar, Al Badr ary ny Al-Shams no nanampy ny miaramila Pakistaney tamin'ny famonoana indrindra indrindra ny Hindus, ary maro amin'izy ireo no mpikambana ao amin'ny Jamaat-e-Islami. Natsangana ny Fitsarana Adi-Heloka Bevava Iraisampirenena 42 taona taty aorian'ny fahaleovantena hitsarana ireo nandripak'olona nandritra izany fotoana izany.

Hetsi-panoherana ao Dhaka. Sarin'ny Pejy Facebook Youth For Peace And Democracy.

Nisy ny fihetseham-po maro na tamin'ny aterineto na andavanandro manohitra ny fitsidihan'ny delegasiona Tiorka sy ny taratasin'ny filoha Tiorka. Nisy ny fikarakarana hetsi-panoherana anaty sy ivelan'i Bangladesh. Mitsikera ny nanaovana ny taratasy ny Ivotoeram-Pianarana Islamika sy ny Miozolomana avy any Holandy. Marihan'ny mpiserasera ho fitsabahana amin'ny raharaha anatin'ny firenena iray izany ary fihetsika mifanohitra amin'ny fenitra diplaomatika.

Hetsi-panoherana eo anoloan'ny Masoivoho Tiorka ao London, Sary avy amin'ny hatsaram-pon'ny Pejy Facebook International Crimes Strategy Forum.

Nandray anjara tamin'ny hetsi-panoherana anoloan'ny Masoivoho Tiorka tao London tamin'ny alarobia 16 janoary 2013, Bilaogera Nijhum Mazumdar ary niteny hoe [bn]:

Nahasadaikatra ny tontolo politika ny nataon'ny filoha Tiorka tamin'ny fitsabahana ny raharaha mifanaraka amin'ny lalàna ao amin'ny firenena iray manana ny fiandrianany. Tsy nihevitra hahita fihetsika tsy tompon'andraikitra toy izany avy amin'ny governemanta demaokratika.

Nanoratra tao amin'ny Somewherein ny bilaogera Mizanur Rahman Milon [bn]:

Tamin'ny taonjato farany dia ny Tiorka no nanao fandripaham-bahoaka voalohany. Tanelanelan'ny 1919-1921 manodidiina ny 1,5 tapitrisa [arivoarivo] ny Armeniana novonoin'ny Tiorka- ary tsy nisy fitsarana ara-dalàna tamin'izany. Niezaka nitady ny rariny tamin'ny fiarahamonina iraisampirenena ny Armeniana nandritra ny zato taona. Maro ny mpisintaka Kiorda no novonoin'ny Tiorka. Tsy mahagaga raha misolo vava ireo mpandripa-bahoaka avy amin'ny firenen-kafa ry zareo.

Trimatrik Kobi (Poeta telo refy) mampahatsiahy fa mitsipaka tamin'ny fanaovana ny Fandripahana Armeniana ny Tiorka:

Vosobosotra izany firenena tompon'andraikitra tamin'ny fandripaham-bahoaka ratsy indrindra teto an-tany izany sy nandia ny fasisma teo amin'ny tantarany, no mandefa ekipa hamotopototra ny fangaraharahan'ny rafi-pitsarana ana firenena iray ka mitatitra izany amin'ny filohany izay mitoriteny aminay ny atao hoe rariny sy fandriampahalemana.

Miantso ny handraisana fepetra henjana kokoa amin'ny fitsabahan'ny firenen-kafa amin'ny raharaha anatin'ny firenena misy azy ny bilaogera sady mpanoratra Arif Jebtik:

Amin'ny maha-olo-pirenena hatramin'ny nahaterahako no tiako hangatahana amin'ny governemanta ny hampitsaharana ny fifandraisana diplaomatika amin'i Torkia. Raha tsy mampaninona antsika ny tsy fananana fifandraisana diplaomatika amin'i Isiraely, inona no manery antsika tsy hanana fifandraisana diplaomatika amin'i Torkia amin'ny fitsabahana tsy ara-drariny amin'ny rafi-pitsarana eto amintsika?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.