ONG Voasazy Noho Ny Fikaroham-Baovao Momba Ny Kolikoly Ao Espaina

Taorian'ny dimy taona nanaovana ady teny amin'ny fitsaràna, voasazy handoa 3.000 euros [es] ny Access Info Europe, ONG iray iarahan'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity miasa, taorian'ny namoahan'ny Fitsarana Ambony didy milaza fa tsy manana zo hahafantatra izay fomba ataon'i Espaina hiadiana amin'ny kolikoly izy.

Mitolona hametraka sy hisian'ny fanajàna ny fampiharana ireo lalàna Eoropeana momba ny Mangarahara ity fikambanana Eoropeana manana ny foibeny ao Madrid ity no sady mamporisika ihany koa ny fanandratana ny zo ho afaka mahazo vaovao manerana ny tany ka ny tanjona amin'izany dia ny mba hanekena azy io ho zo fototra.

Ny 17 Jona 2007, nikaro-baovao tany amin'ny Ministeran'ny Fitsara Espaniola ny mpikambana iray ao anatin'ny fitantanana ny Access Info, nangataka ireo fepetra noraisin'ny governemanta mifanaraka amin'ny an'ny Firenena Mikambana. Fifanarahana hiadiana amin'ny kolikoly. Nolavina ny hanome vaovao ary niafara teny amin'ny fitsaràna ilay tranga, mandra-pahatapitry ny dingana ara-pitsarana rehetra azo natao, tamin'ny May 2012. Amin'ny tahaka izao, ny Fitsarana Ambony Espaniola dia mieritreritra fa ao ambadik'ilay fikaroham-baovao momba ny fepetra iadiana amin'ny kolikoly, dia niandrandra ny hahazo fanazavana avy amin'ny governemanta momba ny asany ilay ONG, izay ny parlemanta irery ihany no manana zo hanao izany, ary dia voasazy 3.000 Euros noho io.

Sary avy amin'ilay fanentanana mampiseho ny tariky ny Access Info teo ampandraisana ny sazy

Ny safidy farany ho an'ilay fikambanana dia ny mitondra ilay tranga ho eo anatrehan'ny Fitsarana Eoropeana momba ny Zon'Olombelona, izay mety hitaritarika ny raharaha mandritra ny taona maro.  Mba hiatrehana ny fandaniana napetraky ny Fitsarana Ambony, nanomboka fanentanana iray ho fanangonam-bola sahaza ho entina mandoa ilay sazy ilay ONG. Milaza ireo mpikambana ao amin'ilay fikambanana fa raisina an-tànan-droa daholo izay karazana tolotra fandraisana anjara  rehetra — na ara-bola izany na amin'ny fanelezana ny feo — amin'ny fiheverana fa mendrika sy manamarina izany ny tolona atao: fanohanana ny ady atao hisian'ny mangarahara ao Espaina.

Nahazo fanohanana tao amin'ny Twitter ilay fanentanana, tambajotra iray nahitàna ny fandraisana anjaran'ireo politisiana maro, fikambanana fiarahamonina sivily, mpanao gazety ary olon-tsotra mifandray amin'ny resaka tolona ho amin'ny fangaraharàna, tamin'ny fenelezana ilay fanangonan-tsonia ho  fanohanana. Tamin'ny andro voalohany, nahazo maherin'ny 800 Euro ny Access Info. Raha mihoatra noho izay nilaina ny fanomezana azo, dia hatolotra ho aminà tranga hafa manaraka ny lalàna.

Ny tontalin'ny sazy haloa miaraka amin'ny sarin'ny Fitsarana Ambony natao lafika (tranonkalan'ny Access Info)

Mahatahotra noho ny antony maro ilay tranga: tsy manome ny zo hahafantatra ireo fepetra noraisina hiadiana amin'ny kolikoly, indrindra fa miaina anaty krizy tsy mbola nisy toa azy i Espaina, izay nitarika ny tsy hafalian'ny vahoaka. Tsy ahafahana mahatakatra ny votoatin'ilay sazy ny vanim-potoana rehefa misy tranganà kolikoly ara-politika vaovao mivoaka anaty media isanandro vaky izao, kolikoly izay ankehitriny na ny fitondram-panjaka ao amin'ilay firenena aza dia tratrany. Olana ihany koa ny handà fikaroham-baovao toy izany indrindra anatin'ny fotoana iresahan'ny parlemanta ao Espaina ny Lalàna momba ny Mangarahara, Fahafahana mahazo Vaovao sy Fitondràna Tsara Tantana [es]. Ireo manampahaizana manokana iraisam-pirenena dia nanadihady sy nanakiana mafy ity lalàna ity ho tsy mifanaraka amin'ny fenitra iraisampirenena sady manilika ireo sehatra fampahalalam-baovao maro tsy ho azon'ny vahoaka hidirana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.