“Sorohy ny Hetsika Ivelan'ny Trano” – Nahatratra Ny Taha Avo Indrindra Ny Rivotra Maloto Any Beijing

Tsy vaovao amin'ny fahalotoan'ny rivotra intsony i Beijing, fa hafa mihitsy ny tamin'ity indray mitoraka ity. Setroka mavesatra nitarazoka be nandritry ny 4 andro miaraka amin'ny fanazavana ara-maoraly ny fipitipitin'ny loto no namely ny renivohitra Sinoa tamin'ny tapatapaky ny volana Janoary, niteraka lohatenim-baovao lehibe ary nampanonjanonja ny vondom-piarahamonina iray tety anaty aterineto izay nanjary lasa niha-nahery feo mikasika ny olana ara-tontolo iainana.

The pollution engulfed the city with heavy haze and reduced visibility.

Nandentika ny tanàna tanatina zavona mavesatra ny rivotra maloto ary nampihena ny fahitana. (Sary nalain'i Owen)

Niantso ny vahoaka  ny Haino aman-jerim-panjakana  mba ho mailo sy hisoroka  ny hetsika ara-batana ivelan'ny trano.

Tamin'ny 12 Janoary, nahatratra ny refy ambony izay mampitolagaga ny tondro iray manana ny lanjany momba ny loto-PM2.5, fantatra ihany koa amin'ny hoe piti-javatra kely noho ny 2.5 micrometatra eny amin'ny rivotra. Ny avo indrindra tamin'ny PM2.5 novakiana tamin'io andro io dia maherin'ny 700 mikrogirama isaky ny metatra toratelo, izay antsoin'ny Sinoa maro hoe “manapoaka ny isa fanondro” (famakiana nivoaka tany ivelan'ny sary.)

Amin'ireo piti-javatra rehetra, mino ireo manam-pahaizana fa ny PM2.5 no tena mametraka loza lehibe indrindra mitatao hoan'ny fahasalaman'ny olombelona satria mety ho tafiditra any amin'ny tratra izy ireo. Tena heverina fa zava-doza tokoa ny tondron'ny fahalotoan'ny rivotra ambonin'ny 500. Tanaty fihetsika iray tsy fahita firy, namoaka ny fanairana mavo ny Sampan-draharaha mikasika ny Toetry ny andro any Beijing tamin'ny 13 Janoary, ny fanairana mikasika ny zavona lehibe indrindra nahazo ny tanàna hatramin'izay.

Nitarika ho amin'ny hazakazaka hividianana saron-tava[zh] tety anaty aterineto ny loto mavesatra tany Beijing. Ny fivarotana sasany aza naneho mihitsy fa lany ny saron-tava namidiny.

Nametraka toby fanarahamaso ny PM2.5 miisa 35 i Beijing tamin'ny faran'ny taona teo, mba hampahafantarana tsaratsara kokoa ny vahoaka  mikasika ny tahan'ny loton'ny rivotra. Nambaran'ny haino aman-jerim-panjakana foana fa ny tsy fisian'ny rivotra sy ny fitombon'ny fiara mihoampampana nandritra ny taona maro teo an-tanàna no tena nahatonga ny loton'ny rivotra. Nokianin'ny gazety iraisam-pirenena ny olana mikasika ny fanohizana tsy farany ny fitomboana ara-toekarena ataon'ny governemanta sy ny tsy firaharahiany ny fitontongan'ny ara-tontolo iainana.

Nilaza ny ahiahiny mikasika ny fahasalamana tamin'ny Sina Weibo ireo  mpisera anaty aterineto:

田源-Jason:明知这几天空气质量严重污染,但大街小巷人还是不少。地铁里也充斥着各种外地人的口音,基本讨论也是北京污染严重,不应该来,北京越来越不好,容易得病什么的。各位不如你们都回去建设自己家乡吧,把首都还给我们做北京!

田源-Jason[zh]: Na dia efa fantatr'izy ireo aza fa tena maloto be ny rivotra iainana, ny arabe sy ny lalan-kely, na ny kely na ny lehibe dia mbola tototra olona maro ihany. Fitenim-paritra maro samihafa no re eny amin'ny fiantsonan'ny lamasinina, ny resaka moa amin'izany saika mifantoka any amin'ny — ny maha-henjana ny fahalotoan'ny rivotra, tsy tokony nankaty ry zareo, nanjary ratsy be i Beijing, ary (ny olona) nanjary taizan'aretina, etc. Ry namana, angamba tokony hiverina any amin'izay niavianao ianao handray anjara ho azy, avelao Beijing renivohitra ho anay!

黄金神棍: 女儿打开ipad,看到了天气通上面的污染指数。她说,北京污染得好厉害啊~我说,是啊。你要不要回去嘛?她说不要。她问我那些人为啥要待在那里呢?我 说,那里能赚很多钱,还有高楼大厦。她说赚钱后治病吗?我不知如何回复。她说they are real ill……有时候想想,成人有时候真不如个孩子!

黄金神棍[zh]: Namelona ny iPad-ny ny zanako vavy ary nahita ny maridrefin'ny loton'ny rivotra teo amin'ny vaovaon'ny toetr'andro. Hoy izy, tena maloto rivotra be i Beijing~ eny hoy aho, ka hiverina izany ianao? Tsia hoy izy, ary nanontany ahy izy hoe fa maninona ny olona no mbola mijanona eto? Hoy aho hoe mitady vola izy ireo, misy ihany koa ireo trano mijoalajoala. Hoy izy, fa azo sitranina ve ny aretina rehefa avy mitady vola? Tsy hitako izay navaly azy. Hoy izy tena marary anie izy ireo e. Indraindray hendry kokoa ny ankizy oharina amin'ny olon-dehibe!

Nanao angoan-tenda ny mpihira pop Sinoa malaza iray[zh]:

现在时刻,北京毒气时间整带着…口罩都挡不住怪味!头晕!眼睛疼!呼吸困难!…空气你是要怎样啊??想变固体吗??

Izao no fotoanan'ny rivotra mahafatin'i Beijing… tsy afaka ny hiaro amin'ny fofona ratsy ny saron-tava! Fanina ny lohako! Mangirigiry ny masoko! Tena sahirana mihitsy aho miaina. Izany ny rivotra any Beijing ka inona moa no tadiavinao???? Te-hamadika ny tenanao ho lasa vato ve ianao????

Nisy iray nanafokafoka [zh] momba ny rivotra maloto:

据说,此刻北京PM值达到728,已经完全进入寂静岭模式。

Voalaza izao fa nahatratra 728 ny maripandrefesana PM any Beijing, niditra tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny modely Silent Hill izany.

Mpisera iray hafa ety anaty aterineto no nandray ny tantara mitovitovy[zh]:

颜强:雾都北京。英国人看到2013年1月12日的北京,觉得充满历史沧桑感,如同回到1945年的伦敦。

Beijing tanàna feno setroka. Dia hahatsapa ny tsiron'ny tantara ny Britanika raha mahita an'i Beijing tamin'ny 12 Janoary 2013, sahala amin'ny hoe miverina any Londona tamin'ny taona 1945 izany.

Ny sasany tsy dia nanampy firy[zh]:

干鱼刺:不用看pm2.5公布值,用鼻子就能闻出来污染的恶劣程度,赚点钱容易吗,明知山上虎偏向虎山行,我并非英勇只是无奈!

Tsy mila mahita ny mari-pandrefesana PM2.5 akory isika, ny orontsika dia efa afaka manimbolo ny havesatry ny loton'ny rivotra, tsy mora ny mitady vola, mbola hanohy hitady izany foana aho na dia misy loza miandry aza ao ambadika ao, tsy hoe tsy manam-pahasahiana aho fa tsy manana safidy!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.