Adin'ny Graffiti Eny Amin'ireo Rindrina Syriana

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12 ity lahatsoratra ity.

Afaka raisina ho toy ny tsy fanarahan-dalàlan'ny olom-pirenena syfanehoan-kevitra milamina ny Graffiti. Na manana ny lanja manokana eo amin'ny fanampiana ireo sahirana aza ny Hetsi-panovàna Syriana; fanovàna manana endrika kanto izany. Iray amin'ireo fomba fampiasan'ny olombelona indrindra ny Sary hosodoko hanehoany ny heviny; izany no fomba haingana indrindra hanehoana hevitra na hampifandraisana ny olona amin'io hevitra io. Ho fanomezana ny graffiti ny tena heriny, ndeha hahatsiaro ny afo nampiredareda ny fikomiana Syriana. Graffiti malaza iray any Daraa tamin'ny 2011 izay nitarika ny fisamborana ankizy fara-fahakeliny 15 noho ny fanaovana sari hosodoko manohitra ny governemanta teo amin'ireo rindrin'ny fianarana iray. Noho izany, nanapa-kevitra ny governora tao an-toerana handray fepetra entitra. Nahatalanjona ny tanàna izany famaizana izany, ary tampoka teo, nisedra ny tsiron'ny fikomiana i Syria nandritra ny Fahavaratra Arabo.

Graffiti any Syria, “Tonga ny anjaranao, ry dokotera”, izay miresaka momba ny Filoha (sady mpitsabo maso) Bashar Al-Assad. Loharano: EA WorldView.

Lasa toerana fiadiana iray hafa ny Graffiti, izay samy ahitan'ny governemanta sy ireo mafana fo am-pilaminana ny fahalalahan'izy ireo miteny. Araka ny Al-akhbar:

Milalao saka sy totozy any amin'ireo rindrin'ny tanàna ireo manam-pahefana Syriana sy ireo mpanohitra amin'ny alalan'ny graffiti. Manaparitaka sary filamatra enti-manohitra ny fitondrana ireo mpanao fihetsiketsehana Syriana, raha mihazakazaka manarona izany sy misambotra ny tompony ireo manam-pahefana, isan'izany ny lehilahy mpanohitra iray mampiahiahy manana loko atsifitra roa. Rehefa mividy loko atsifitra ianao any Syria, aza adino ny mitonra ny kara-panondronao. Tsy manaiky ny hivarotra ireo fandokoana ireo ny mpivarotra raha tsy manana taratasy mombamomba azy ny mpividy sy ‘affidavit’ manazava ny anton'izany fividianana izany.

Mahazo aina ihany koa ny Graffiti ao anaty Aterineto. Ohatra, namorona vondrona antsoina hoe “اسبوع غرافيتي الحريـّة سوريا – Herinandron'ny Fahalalahan'ny Graffiti” ireo mafana fo Syriana. Graffiti: Rindrin'ny Vahoaka Nanoratra ny Qaph, bilaogy famakiana ny resaka politika, boky ary ny zava-misy eo amin'ny fiarahamonina:

Mitobaka ny Graffiti mandritra ny fotoanan'ny fiovana politika sy sosialy ary lasa endrikanà herim-bahoaka hanohitra ny herin'ny manam-pahefana. Misafidy làlana feno olona ny mpanakanto, na vondronà mpanakanto hizarany hafatra amin'ny alalan'ny teny na sary na izy roa miaraka, izay matetika dia ahitàna eso mangidy. Mihamanaitra hatrany ireo governemanta maro sy ireo Rafi-pitondrana ny herin'ny graffiti amin'ny maha-fitaovana iray entina maneho hevitra azy. Noraisina ireo fepetra famoretana mba “hampanginana” ny feon'ny arabe; ny ohatra tsara indrindra mifandraika amin'ny fihetsehana tahaka izany dia ny an'i Angleterre miaraka amin'ilay Acte Momba Ny Fihetsika Manohitohina ny Sosialy tamin'ny 2003 sy ny fanasoniavan'ireo Solombavambahoaka fifanekena milaza fa “tsy haikanto ny Graffiti, fa heloka.”

Stencilan'i Bashar Stencil nataon'i El Teneen. Mivaky toy izao ny eo akaikiny ‘Ny fionganan'ny Fitondrana no ilain'ny vahoaka’ izay zary nalaza. Ny 25 Jolay 2011. Loharano: Bilaogy suzeeinthecity

Ny Martsa 2011, nidina an-dalam-be ireo Syriana hanehoan'izy ireo ny hatezerany, izay nameno ireo araben'ny tanànan'i Syria ka nahitàna mpanohitra an'arivony miredona ny fahalalahana. Amin'izany fotoana izany, nahita ny feony eo amin'ny rindrina ireo hafa. Fomba maro samy hafa no afaka hampielezanao ny hafatrao. Eny an-dalam-be, afaka mihiaka, mandihy, mihira ianao; raha manao sary hosodoko, manoratra ary manome aina ireo toetran'olona kosa ianao eo amin'ny rindrina. Naseho, nahitsy, ary nolokiona imbetsaka ireo hafatra eo amin'ny hery mpomba sy mpanohitra an'i Assad ho fomba iray hanehoana fa samy mizara toerana iray mitovy ny lafiny roa.

Graffiti an'ny FSA any Damaskosy, Syria: “Miala tsiny amin'ireo lafi-ratsy izahay…maty ho anao izahay”. Loharano: Ny bilaogy revolting Syrian

Graffiti Momba & Manohitra ny Hetsi-panovàna Syriana 

Nitatitra ny bilaogy mpanolotra vaovao Happy Arab fa nisy graffiti hita tao amin'ny biraon'ny mpiasan'ny fiantohana mpanohitra an'i Assad any Etazonia. Andro iray taorian'izay, namoaka sary iray tao amin'ny Facebook ny mpanao gazety mpomba an'i Assad, sarinà graffiti iray mpomba ny hetsi-panovàna tany amin'ny masoivoho mikarakara fivahinianan'ny Garden Grove, anà Syriana-Amerikana izay naneho ny fanohanany ny fitondrana am-perinasa.

Misaratsaraka ireo Syriana-Amerikana any amin'ny Comté d'Orange manoloana ny hetsi-panovàna ao Syria. Nahita hetsi-panoherana isika teo alohan'ny kaonsilin'i Syria any Newport Beach, ny sasany entina hanohanana ny fitondrana ary ny hafa kosa entina hanoherana izany. Tato ho ato, niakatra ny fisamantsamahana tany Kalifornia Atsimo.

Misy oha-pitenena toy izao any Syria: “الحيطان دفاتر المجانين” izay midika hoe “Taratasin'ny adala ny rindrina”; na izany aza,  amin'izao vanim-potoana misy antsika izao dia mamadika ny rindrin'i Syria ho toerana fifampizarana fahalalahana miteny ny vahoaka Syriana!

Havelako miaraka aminà rindrina voaloko vitsivitsy any amin'ireo tanàna maro ao Syria ianao.

Miombona amin'ny hetsi-panovàna. Loharano: Ny bilaogy 29 Arabic Letters

Graffiti mpomba an'i Assad. Dikateny: “(Miforeta amin'i) Assad raha tsy izany ho Doranay ny Firenena”. Loharano: Ny bilaogy revolting Syrian

Graffiti any Damaskosy, Syria maneho ny sary filamatry ny FSA (Miaramila Syriana Malalaka) miaraka amin'ireo teny “tonga izahay” nosoratana teo ambanin'ny teny filamatra. Mivaky toy izao ny soratra eo amin'ny rindrina ambonin'ilay sary: “Mihamanakaiky ny fotoana” (i.h. Bashar, voaisa ny andronao). Loharano: “put a spell on you” ao amin'ny Tumblr.

Graffiti an'ireo oha-pitenenan'ny hetsi-panovàna teo amin'ny rindrin'ny fampianarana ambony momba ny Siansa any Aleppo, manitsy ireo tenin'ny mpikarama an'adin'i Assad. Loharano: pejy Facebook an'ny FREEDOM GRAFFiTi WEEK Syria

Ireo manan-talenta amin'ny graffiti mandoko rindrina amin'ny teny hoe “Aongano i Bashar”, nandritra ilay Fikomiana Syriana, Martsa 2011. Sary avy ao amin'ny Wikimedia Commons.

Graffiti an'ireo mpikarama an'adin'i Assad any Hama: “Na i Assad no Mitondra an'i Syria na Tsy Misy” . Loharano: FreedomHouse ao amin'ny Flickr

Graffiti an'ireo mpikarama an'adin'i Assad: Bashara irery ihany – izahay no olon'ny fahafatesana. Loharano: FreedomHouse ao amin'ny Flickr

Graffiti manohitra an'i Bashar Assad #Syria. Loharano: Sabry Khaled ao amin'ny Flickr

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.