Però: Voatsiratsira Indray I Wendy Sulca, Olo-malaza Amin'ny YouTube

“Miarahaba an'i Armando Esteban Quito [midika vinaninany hoe “manambatra dabilio”]… sy Jorge Nitales [jor-fitaovam-pananahana]… oroka be ho an'i Elsa Capunta [fandranitana pesilihazo]… mpankafy voalohany anareo avy aty Narnia izahay…”. Toy izany no fomba niarahaban'ilay mpanakanto Peroviana Wendy Sulca ireo lazaina fa mpankafy azy tamin'ny fiandohan'ity volana ity tao amin'ny Tweetcam-ny [es], izay toa tsy mahafantatra fa efa misy ireo andianà vazivazy ratsy momba azy raha nanonona ireo anarana foronina ireo izy, izay manana heviny roa ny sasany. Avy amin'ireo “mpankafy” Shiliana avokoa ny ankamaroan'ny vazivazy.

Niparitaka haingana dia haingana tao amin'ny Youtube ilay lahatsary maharitra efa-minitra mahery, izay habaka nahatonga azy ho malaza dimy taona mahery izay [es], habaka miteraka hehy sy tsy mahatsombontsiraka ny sasany.  Taminà fanambarana nataony nandritra ny fandaharana tamin'ny fahitalavitra Peroviana, niaiky i Sulca fa tsy faly izy noho ireo “vazivazy ratsy” ary nilaza fa tsy manana “karazana hasomparana” tahaka izany izy. Naneho ny tsy fankasitrahany ihany koa ireo mpanao gazety sasany ao an-toerana, izay nanambara fa nanararaotra ny “fahatsoran'” ity tovovavy vao 16 taona ity ny olona.

Ny zava-misy , raha lazaina ny marina, ny hira sy ny lahatsarin'i Wendy Sulca, izay misabaka anelanelan'ny tsy mahazatra sy ny kitsch , dia nahazoany fankaherezana, fanesoesoana ary tsikera marobe izay miampita sisintany. Ohatra iray mazava ny fandaharana amin'ny teny Espaniola El Intermedio, izay namelivelezan'ireo mpanolotra fandaharana imbetsaka an'i Wendy Sulca (miaraka amin'ireo malaza hafa ao amin'ny Youtube tahaka ny La Tigresa del Oriente sy Delfín Quishpe) isak'izay mihetsika:

Na dia eo aza izany rehetra izany, nahazo sitraka avy amin'ireo mpanakanto tahaka an'i Calle 13, Dante Spinetta, sy Fito Paez i Sulca ary nasaina hitety faritra hanao rindran-kira ao Amerika Latina. Efa talohan'ny nahatongavan'ny Gangnam Style sy ny “Friday” minananana an'i Rebecca Black ity fahatalanjonana tamin'ity zavatra miely vetivety ity, ary nofaritan'ilay mpanao gazety malaza Alma Guillermoprie ho “fahaizana mifaly tsy manam-pahataperana amin'ny asam-pamoronana vitan'ny tena” rehefa nasongadina izy tao amin'ny The New York Review of Books malaza :

“Ny fahatokisan-tenan'izy ireo sy ny fananany fanantenana ihany no azontsika tsiriritina, nefa manana fiainana izay tsy azontsika vinaniana hoe (hatraiza ny fiantraikan'ny herisetra any ambanivohitra ateraky ny ady anaty akata ao Però ataon'ny “Sakeli-dalana Mazava” nahatonga ny ray aman-drenin'i Wendy hifindra monina any andrenivohitra?). Kanefa olona an-tapitrasany no mankafy ireo mpihira ireo. Tsy ivelambelany izany kanto izany fa  avy ao anaty lalina indrindra, novolavolaina tanaty fitoerana mafanafana, ary isika no mijoro ety ivelany, mijery manembonembona eo anoloan'ny efijery “.

Roa taona lasa izay, nanokana fitantarana sy fanontàna manokana momba an'i Sulca ny Revista Shock [es] (Gazetiboky Mandòna) ao Kolombia, nampisongadina azy ho “diva (vehivavy malaza) farany eto Amerika Latina”:

“Más allá de La tetita y la Cerveza, el fenómeno de Wendy Sulca revela uno de los momentos más interesantes de la historia cultural reciente… Como una de esas estrellas infantiles cuyo inevitable crecimiento hace que su público se sienta medio estafado, ella ya está en esa etapa de la vida en la que comienzan a tallarle los vestidos que los mayores la han obligado a usar. Es una niñita risueña que comienza a destetarse”.

Ankoatra ny La Tetita (Nono kely) sy ny la Cerveza (labiera), nampiseho fotoana mahaliana indrindra eo amin'ny tantaran'ny kolontsaina vao haingana ity olo-malaza vetivety Wendy Sulca ity .. .Tahaka ny iray amin'ireo  mpanankato zaza mamitaka amin'ny ampahany ny mpanatrika ny fitomboany, tonga eo amin'ny dingam-piainana izay efa antonona azy ny fitafiana teren'ny olon-dehibe hanaovany. Zazavavy mahafatifaty manomboka amin'ny fialana sakana izy izao.

Lohahevitra noresahana tao amin'ny Twitter ireo fanaratsiana (trolling) (hafatra mihantsy ao amin'ny aterineto) mikendry an'i Wendy Sulca. Niaro an'i Wendy i Jorge Marín (@jorgemarin):

@jorgemarin: Cómo puede existir gente inescrupulosa que le haga bromas a Wendy Sulca?

Ahoana no nisian'ireo olona tsy menatra sahy mamazivazy ratsy an'i Wendy Sulca?

Mpisera hafa, tahaka an'i Claudia (@claudiita1595), nahita ny zava-nitranga ho mampihomehy:

@claudiita1595 Acabo de ver el video donde trollean a Wendy Sulca en su twitcam. JAJAJAJAJAJAJAJAJAJJA ELVA SURITA. NO PUEDO JAJAJAJAJA

Vao avy nijery ilay lahatsary misy ny vazivazy nataon'izy ireo an'i Wendy Sulca tao amin'ny “tweetcam” aho. HAHAHAHAHAHAHAHAHAHHA ELVA SURITA. TSY TANAKO HAHAHAHAHA

Nanambara momba ny hanihany natao an'i Wendy Sulca i Dummie (@sianale)

@sianale: la trolleada a wendy sulca es la verdadera marca peru…

marika tena Peroviana ny vazivazy ratsy momba an'i wendy sulca…

Ignacio Martinez (@nachito79) naneho ny ahiahiny momba ny fahatsoran'i Wendy:

@nachito79:  Imposible que @WendySulca no se diera cuenta de los nombres que decía en su twitcam

Tsy mampino raha tsy nanamarika ireo anarana notanisainy tao amin'ny “txeetcam”-ny i @WendySulca

Juan Aranguren (@jc_aranguren) nanambara ity manaraka ity:

@jc_aranguren: Deberíamos inmortalizar a esta niña Wendy Sulca, hacerle un altar o nombrar alguna calle con su nombre.

Tokony hotsarovantsika mandrakizay ity tovovavy Wendy Sulca ity, manamboatra alitara ho azy ary manome anaran-dàlana amin'ny anarany.

Farany, Chichoelmalo (@chichoelmalo) nanipika hoe:

@chichoelmalo: Nunca, oigan bien, nunca voy a superar el saludo a Elsa Capuntas de Wendy Sulca. Te amo Wendy, te amo.

Tsy hahavita mandrakizay aho, henoy aho,  tsy hihoatra mandrakizay amin'ny fiarahabana nataon'i Wendy Sulca tamin'i Elsa Capuntas [fandranitana pesilihazo] . Tiako ianao Wendy, Tiako ianao.

Ho fanomezam-boninahitra izay famoronana mety hiseho ho ampahafantarin'i Guillermoprieto, hilaozanay ianao amin'ity hiran'i Madonna “Like a Virgin” nohiran'i Sulca ity:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.